1 Nahare ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra tamin'i Mosesy sy ny Israely vahoakany i Jetro, mpisoron'ny Midiana, rafozan-dahin'i Mosesy. Reny fa Yaveh nitondra ny Israely nivoaka an'i Egypta. 2 Nalain'i Jetro, rafozan-dahin'i Mosesy i Zipora, vadin'i Mosesy, taorian'ny nampodiany azy, 3 ary ireo zanany roa lahy; ny anaran'ny iray dia Gersoma, satria hoy Mosesy hoe: "Efa vahiny tany amin'ny tanin'ny firenena hafa aho." 4 Eliezera kosa no anaran'ilay anankiray, satria hoy Mosesy hoe: "Ny Andriamanitry ny razako no namonjy ahy. Nanavotra ahy tamin'ny sabatr'i Farao Izy." 5 Tonga niaraka tamin'ny zanaka lahin'i Mosesy sy ny vadiny tany amin'i Mosesy tany an-efitra izay nitobiany teo an-tendrombohitr'Andriamanitra i Jetro, rafozan-dahiny. 6 Hoy izy tamin'i Mosesy hoe: "Izaho, Jetro rafozan-dahinao, dia tonga aty aminao miaraka amin'ny vadinao sy ny zanany roa lahy." 7 Nivoaka hitsena ny rafozan-dahiny Mosesy, niankohoka izy, ary nanoroka azy. Nifanontany fahasalamana izy ireo ary niditra tao an-day avy eo. 8 Notantarain'i Mosesy tamin'ny rafozan-dahiny ireo rehetra nataon'i Yaveh tamin'i Farao sy ny Egyptiana nohon'ny amin'ny Israely, ireo ady sarotra rehetra nanjo azy teny an-dalana, ary ny fomba nanavotan'i Yaveh azy ireo. 9 Dia faly Jetro nohon'ny soa rehetra izay nataon'Yaveh tamin'ny Israely, tamin'ny nanavotany azy ireo tamin'ny tanan'ny Egyptiana. 10 Hoy Jetro hoe: "Ho deraina anie Yaveh, satria Izy nanavotra anao teo an-tanan'ny Egyptiana sy teo an-tanan'i Farao, ary nanafaka ny olona teo am-pelatanan'ireo Egyptiana. 11 Fantatro ankehitriny fa lehibe noho ny andriamanitra rehetra Yaveh, satria fony nitondra ny Israelita tamim-piavonavonana ny Egyptiana, dia navotan'Andriamanitra ny olony." 12 Nitondra fanatitra dorana ary sorona ho an'Andriamanitra i Jetro, rafozan-dahin'i Mosesy. Dia tonga nisakafo niaraka tamin'i Jetro, rafozan-dahin'i Mosesy, teo anatrehan'Andriamanitra i Arona sy ireo loholon'i Israely rehetra. 13 Ny ampitso dia nipetraka hitsara ny olona i Mosesy. Nitsangana nanodidina azy ny olona nanomboka ny maraina ka hatramin'ny hariva. 14 Rehefa nahita ireo rehetra nataon'i Mosesy tamin'ny vahoaka ny rafozan-dahiny, dia hoy izy hoe: "Fa inona izato ataonao miaraka amin'ny olona? Nahoana no ianao irery no mipetraka ary ny olon-drehetra mitsangana manodidina anao nanomboka maraina hatramin'ny hariva?" 15 Dia hoy Mosesy tamin'ny rafozan-dahiny hoe: "Manatona ahy ny olona mba hanontany ny tari-dalan'Andriamanitra. 16 Rehefa misy disadisa eo amin'izy ireo, dia izaho no hanatonany. Izaho no manapa-kevitra eo amin'ny roa tonta, ka mampianatra azy ireo ny didin'Andriamanitra sy ny lalàny." 17 Hoy ny rafozan-dahin'i Mosesy taminy hoe: "Tsy dia mety loatra ny zavatra ataonao. 18 Ho reraka tokoa ianareo, dia ianao sy ireo olona izay miaraka aminao. Mavesatra loatra ho anao izao zioga izao. Tsy vitanao irery io. 19 Henoy aho. Hanoro hevitra anao aho, ary Andriamanitra homba anao, satria ianao no solotenan'ny olona eo anatrehan'Andriamanitra, sy mitondra ny adin'izy ireo eo aminy. 20 Tsy maintsy hampianarinao azy ireo ny didiny sy lalàny. Tsy maintsy hasehonao azy ireo ny lalana tokony haleha sy ny asa tokony hatao. 21 Ary koa, tsy maintsy mifidy lehilahy mahay avy amin'ny olona rehetra ianao, dia lehilahy izay manome voninahitra an'Andriamanitra, lehilahin'ny fahamarinana izay tsy tia kolikoly. Tsy maintsy hapetraka ho mpanapaka ny olona izy ireo, mba ho mpifehy arivo, zato, dimampolo, ary folo. 22 Izy ireo no hitsara ny olona amin'ny raharaha mahazatra rehetra, fa ny tranga saro-bahana kosa hoentin'izy ireo any aminao. Ny amin'ireo tranga madinika, ny tenan'izy ireo ihany dia ho afaka hitsara izany. Amin'izay dia ho mora aminao kokoa, ary izy ireo hiara-hizaka izay mavesatra aminao. 23 Raha manao izany ianao, ary raha Andriamanitra no mibaiko anao hanao izany, dia hahavita hiaritra ianao, ary ny olon-drehetra afaka hody any an-trano amin'ny fahafaham-po." 24 Nohenoin'i Mosesy ny tenin-drafozany ary nataony avokoa izay rehetra nolazainy. 25 Dia nifidy lehilahy tsara laza avy amin'ireo Israely rehetra Mosesy ka nanao azy ireo ho mpitarika ny vahoaka, dia ho mpifehy arivo, zato, dimampolo, ary folo. 26 Nitsara ny olona tamin'ny tranga tsotra izy ireo. Ireo tranga saro-bahana no nentiny tany amin'i Mosesy, fa ny tenan'izy ireo ihany no nitsara ireo tranga madinika. 27 Koa namela ny rafozan-dahiny handeha Mosesy, ary Jetro nody tany amin'ny taniny.