Toko faha 19

1 Tamin'ny volana fahatelo taorian'ny nialan'ny vahoakan'i Israely ny tany Egypta, tamin'io andro io ihany, no nahatongavan'izy ireo tao an'efitr'i Sinay. 2 Koa rehefa niala tao Refidima izy ireo ka nankany an'efritr'i Sinay, dia nitoby tao an'efitra teo anoloan'ny tendrombohitra. 3 Dia niakatra tao amin'Andriamanitra Mosesy. Dia niantso azy avy eo amin'ny tendrombohitra Yaveh ka nanao hoe: "Tsy maintsy hilazanao ny ankohonan'i Jakoba, dia ny vahoakan'i Israely hoe: 4 Efa hitanareo izay nataoko tamin'ny Egyptiana, ny fomba nitondrako anareo tamin'ny elatry ny voromahery sy ny nitaomako anareo ho eto amiko. 5 Koa ankehitriny àry, raha mihaino am-pankatoavana ny feoko ianareo ka mitandrina ny fanekeko, dia ho harena manokana ho Ahy ianareo mihoatra amin'ny olona rehetra, satria Ahy ny tany rehetra. 6 Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no tsy maintsy ho lazainao amin'ny vahoakan'Israely." 7 Dia tonga Mosesy ka niantso ireo loholon'ny vahoaka. Dia nalahany nanoloana azy ireo ny teny rehetra izay nandidian'i Yaveh azy. 8 Koa niara-namaly ireo vahoaka ka nanao hoe: "Hataonay izay rehetra nolazain'i Yaveh." Dia notanterin'i Mosesy tamin'i Yaveh ny tenin'ny olona. 9 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Ho tonga eo aminao anaty rahona matevina Aho mba hahafahan'ny vahoaka mandre anao raha miteny miaraka aminao Aho ary mba hahafahany hino anao mandrakariva koa." Dia nambaran'i Mosesy tamin'i Yaveh ireo tenin'ny vahoaka. 10 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Mandehana any amin'ny vahoaka. Anio sy rahampitso no tsy maintsy hanamasinanao ho Ahy azy ireo, ary ataovy diovin'izy ireo ny fitafiany. 11 Mivonona amin'ny andro fahatelo, fa amin'ny andro fahatelo dia hidina ho eo amin'ny tendrombohitr'i Sinay Yaveh. 12 Asio fefy ny manodidina ny tendrombohitra ho an'ny vahoaka. Lazao amin'izy ireo hoe: 'Tandremo mba tsy hiakaranareo ny tendrombohitra na hikasihanareo ny sisin'izany. Na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hovonoina ho faty tokoa izy.' 13 Tsy hisy tànana hikasika olona tahaka izany. Fa kosa, hotoraham-bato tokoa izy na hotifirina. Na olona izany na biby, dia tsy maintsy vonoina izy. Rehefa lavareny ny feon'ny trompetra, vao afaka mankeo ho eo am-pototry ny tedrombohitra izy ireo." 14 Dia nidina ny tendrombohitra Mosesy mba ho eo amin'ny vahoaka. Nohamasininy ho an'i Yaveh ny olona ary ireo kosa nanadio ny fitafiany. 15 Dia hoy izy tamin'ny vahoaka hoe: "Mivonona amin'ny andro fahatelo; koa aza manakaiky ny vadinareo." 16 Tamin'ny andro fahatelo, nony maraina, dia nisy kotrokorana sy tselatra ary rahona matevina teo an-tendrombohitra, ary feon-trompetra mafy faneno. Toran-kovitra ny olona rehetra teo amin'ny toby. 17 Dia nentin'i Mosesy nivoaka ny toby ny olona mba hihaona amin'Andriamanitra, ary nitsangana teo am-pototry ny tendrombohitra izy ireo. 18 Rakotra setroka tanteraka ny tendrombohitra Sinay satria nidina teo aminy tamin'ny afo sy ny setroka Yaveh. Dia niakatra toy ny setroky ny lafaoro lehibe ny setroka, ary nihonzongozona mafy ny tendrombohitra iray manontolo. 19 Rehefa nihamafy dia mafy ny feon'ny trompetra, dia niteny Mosesy, ary namaly feo azy Andriamanitra. 20 Dia nidina teo an-tendrombohitra Sinay Yaveh, teo an-tampon-tendrombohitra, ary niantso an'i Mosesy ho ao an-tampony Izy. Dia niakatra Mosesy noho izany. 21 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Midina ka hampitandremo ny olona tsy hisisika ho aty amiko mba hizaha, raha tsy izany dia ho maro amin'izy ireo no ho faty. 22 Aoka ihany koa ireo mpisorona izay manakaiky Ahy mba hanokana ny tenany—hampiomàno izy ireo ny amin'ny fahatongavako—mba tsy hamely azy ireo Aho." 23 Dia hoy Mosesy tamin'i Yaveh hoe: "Tsy afaka hiakatra ny tendrombohitra ny olona, fa nanandidy anay Ianao hoe: 'Asio fefy manodidina ny tendrombohitra ka hatokano ho an'i Yaveh izany.'" 24 Dia hoy Yaveh taminy hoe: "Mandehana, midina ny tendrombohitra, ka ento miakatra miaraka aminao i Arona, nefa aza avela handrava ny fefy mankaty amiko ireo mpisorona sy ireo vahoaka, fandrao hamely azy ireo Aho." 25 Dia nidina teo amin'ny vahoaka Mosesy ka niresaka tamin'izy ireo.