Toko faha 20

1 Andriamanitra nilaza izao teny rehetra izao: 2 "Izaho no Yaveh Andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, avy tao amin'ny trano fanandevozana. 3 Aza manana andriamanin-kafa fa izaho ihany. 4 Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao na ho endriky ny zavatra eny amin'ny lanitra ambony, na izay ety amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. 5 Aza miankohoka eo anatrehany ary aza manompo azy, fa Izaho, Yaveh Andriamanitrao, dia Andriamanitra saropiaro. Ka ny haratsiam-panahin'ny razanao dia valiako any amin'ny taranakao, dia ny zanaka sy ny zafiafin'ireo izay mankahala ahy. 6 Nefa kosa maneho tsy fivadiham-panekena amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ireo didiko Aho. 7 Aza manonona fahatany ny anaran'i Yaveh Andriamanitrao, fa Izaho dia hiampanga ireo izay manonona fahatany ny anarako. 8 Tsarovy ny andro Sabata, mba hanokanana izany ho Ahy. 9 Aoka hataonao mandritra ny enina andro ny asa aman-draharaha rehetra. 10 Fa ny andro fahafito dia Sabata an'i Yaveh Andriamanitrao. Amin'izany dia tsy tokony hisy asa atao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny mpanompo lahinao, na ny mpanompo vavinao, na ny biby fiompinao, na ireo mpivahiny izay miditra anatin'ny vavahadinao. 11 Fa nandritra ny enina andro Yaveh no nanao ny tany sy ny lanitra, ny ranomasina, ary ny zavatra rehetra izay ao anatin'izany, ary nitsahatra tamin'ny andro fahafito. Noho izany Yaveh dia nitahy ny andro Sabata ka nanokana izany. 12 Manajà ny rainao sy ny reninao, mba ho lava andro iainana ianao eo amin'ny tany izay omen'Andriamanitra anao. 13 Aza manono olona. 14 Aza mijanganjanga. 15 Aza mangalatra any amin'ny olona. 16 Aza mijoro vavolombelona tsy marina manohitra ny namanao. 17 Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao, aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, ny mpanompo lahiny, ny mpanompo vaviny, ny ombiny, ny borikiny, na izay rehetra hananan'ny namanao. 18 Ary ny olona rehetra nandre ny kotrok'orana sy ny tselatra, ary nandre ny feon'ny trompetra, ary nahita ny trendrombohitra nanetroka. Rehefa nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ireo ary nijoro avy lavitra. 19 Hoy izy ireo tamin'ny Mosesy hoe: "Mitenena aminay, ary hihaino izahay; fa aza avela hiteny aminay Andriamanitra, fandrao ho faty izahay. " 20 Hoy Mosesy tamin'ny olona hoe: "Aza matahotra, fa Andriamanitra dia tonga hitsapa anareo mba ho aminareo ny voninahiny, ary mba tsy hanotanareo. " 21 Dia nijanona teny lavitra teny ny olona, ary Mosesy nanatona ny aizim-pito izay nisy an'Andriamanitra. 22 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Izao no tsy maintsy lazainao amin'ny Israelita: 'Ianareo efa nahita fa tany an-danitra aho no niteny taminareo. 23 Ianareo dia tsy tokony hanao andriamanin-kafa miaraka amiko, na andriamanitra volafotsy na ireo andriamanitra volamena. 24 Tokony hanao alitara tany ho ahy ianareo, ary tokony anao sorona amin'ny fanatitra dorana eo amboniny, fanatitra fiombonana, ondry, ary omby. Eny amin'ny toerana izay nofidiako ho anareo hanomezana voninahitra Ahy. 25 Raha hanao alitara vato ho ahy hianareo, dia aoka tsy ho vato voapaika no hanaovanareo azy, satria raha hampiasa ny fitaovanareo aminy ianareo, dia handoto izany. 26 Aza miakatra amin'ny ambaratongany ho eo amin'ny alitarako; izany dia mba tsy hisehoan'ny fitanjahanareo."'