Toko faha 21

1 "Ary ireto no didy izay tsy maintsy hapetrakao eo anoloan'izy ireo: 2 'Raha mividy mpanompo Hebreo ianao, dia hanompo mandritra ny enin-taona izy, ary amin'ny taona fahafito dia handeha malalaka tsy hanefa na inona na inona izy. 3 Raha izy tenany no tonga, dia tsy maintsy mandeha an-kalalahana ny tenany; raha manambady izy, ny vadiny dia tsy maintsy mandeha an-kalalahana miaraka aminy. 4 Raha nanome vady ho azy ny tompony ka niteraka zazalahy na zazavavy taminy izy, dia ny vadiny sy ireo zanany dia ho an'ny tompony, ary tsy maintsy mandeha an-kalalahana ny tenany. 5 Fa raha miteny mazava tsara ilay mpanompo hoe: "Tiako ny tompoko, ny vadiko, sy ireo zanako; tsy handeha am-pahalalahana aho," 6 dia aoka hitondra azy ho eo amin'Andriamanitra ny tompony. Tsy maintsy hitondra azy eo am-baravarana na tolam-baravarana ilay tompo, ka tsy maintsy tevehin'ny tompony amin'ny haolo ny sofiny. Ary dia hanompo azy mandra-pahatapitry ny ainy ilay manompo. 7 Raha misy lehilahy mivarotra ny zanany vavy ho mpanompo vavy, dia tsy handeha an-kahalalahana toy ilay mpanompo lahy izy. 8 Fa raha tsy mahafaly ny tompony izy, izay nifidy azy ho an'ny tenany, dia aoka izy hamela azy hovidiana indray. Tsy manan-jo hivarotra azy amin'ny vahiny izy. Tsy manan-jo toy izany izy, satria namitaka azy. 9 Raha fidian'ny tompony ho toy ny vady ho an'ny zanany lahy izy, dia tsy maintsy hitondra azy toy ny zanany vavy izy. 10 Raha maka vady hafa ho azy izy, dia tsy tokony hampihena ny sakafony, ny fitafiany, na ny zo ara-panambadiany. 11 Fa raha tsy manome azy ireo zavatra telo ireo, dia afaka mandeha ankahalalahana izy ary tsy mandoa vola. 12 Na iza na iza mamono olona ka mahafaty azy, dia aoka ho vonoina tokoa izany olona izany. 13 Fa raha tsy nanomana mialoha izany ilay lehilahy, fa tsy fanahiniana kosa, dia hanondro toerana hahafahany mandositra aho. 14 Raha manafika an-tsitrapo ny mpiara-belona aminy ny olona iray ka mamono azy amin'ny hevi-petsy, dia tsy aoka halainao izy mba ho faty, na dia any amin'ny alitara an'Andriamanitra aza izy. 15 Na iza na iza mamely ny rainy na ny reniny dia tsy maintsy hovonoina izy. 16 Na iza na iza maka an-keriny olona iray ka mivarotra azy, na tratra teny an-tanany ilay olona, dia aoka ho vonoina tokoa izany mpaka an-keriny izany. 17 Na iza na iza manozona ny rainy na ny reniny dia aoka ho vonoina tokoa izy. 18 Raha miady ireo lehilahy ka mamely ny iray amin'ny vato na totondry, ka tsy maty izany olona izany, nefa tsy afa miala eo am-pandrinany; 19 ary raha sitrana izy ka afaka mandeha amin'ny fampiasana ny tehiny, dia tsy maintsy manonitra ilay fotoanany very ilay olona izay namely azy; ary tsy maintsy miantoka ny fanasitranana azy tanteraka ihany koa izy. Fa izany olona izany dia tsy meloka amin'ny famonoana. 20 Raha misy olona mikapoka ny mpanompony lahy na ny mpanompo vaviny amin'ny tehina, ka raha maty nohon'ny ny ratra ilay mpanompo, dia tsy maintsy ho faizina tokoa izany olona izany. 21 Kanefa, raha miaina mandritra ny andro iray na roa ilay mpanompo, dia tsy tokony ho sazina ilay tompony, satria hijaly amin'ilay fahaverezan'ny mpanompony izy. 22 Raha miady sy mandratra vehivavy bevohoka ireo lehilahy, ka afa-jaza izy, nefa tsy misy ratra hafa eny aminy, dia ilay lehilahy meloka dia tsy maintsy manantanteraka izay sitrapony vadin'ilay vehivavy avy aminy, ary tsy maintsy manonitra izay araka ny famaritan'ny mpitsara izy. 23 Fa raha misy ratra lehibe kosa, 24 dia tsy maintsy manome aina ho solon'ny aina, maso ho solon'ny maso, nify ho solon'ny nify, tanana ho solon'ny tanana, tongotra ho solon'ny tongotra, 25 may ho soloin'ny may, ratra ho solon'ny ratra, na mangana ho solon'ny mangana izy. 26 Raha misy olona mamely ny mason'ny mpanompo lahiny na ny mpanompo vaviny ka manimba izany, dia tsy maintsy hamela ilay mpanompo handeha an-kahalalahana ho fanonerana ny masony izy. 27 Ary raha manala ny nifin'ny mpanompo lahiny na mpanompo vaviny izy, dia tsy maintsy hamela ilay mpanompo handeha an-kahalalahana ho fanonerana ny nify. 28 Raha misy omby manoto lehilahy na vehivavy ka nahafaty azy, dia tsy maintsy ho toraham-bato ilay omby, ary ny nofony dia tsy azo hohanina; dia tsy ho meloka tompon'ilay omby. 29 Fa raha nanam-pahazarana nanoto ilay omby taloha, ary efa nampitandremana ny tompony nefa tsy nihaino izany, ka nahafaty lehilahy na vehivavy ilay omby, dia tsy maintsy ho toraham-bato izany omby izany, ary tsy maintsy hovonoina koa ny tompony. 30 Raha ilaina ny fandoavana vola ho solon'ny ainy, dia tsy maintsy handoa izay takiany izy. 31 Raha misy omby nanoto zazalahy na zazavavy, dia tsy maintsy manao izay takian'ny didy ho atao ilay tompon'ny omby. 32 Raha manoto mpanompo lahy na mpanompo vavy ilay omby, dia tsy maintsy mandoa sekely vola fotsy telopolo ny tompon'ilay omby, ary tsy maintsy ho toraham-bato ilay omby. 33 Raha misy olona manokatra lavaka iray, na misy olona mihady lavaka nefa tsy manarona izany, ka misy omby na boriky latsaka ao amin'izany, 34 dia tsy maintsy mamerina ny fatiantoka ny tompon'ilay lavaka. Tsy maintsy manome vola ho an'ny tompon'ny biby maty izy, ary ireo biby maty dia ho lasany. 35 Raha misy ombin'olona mandratra ny ombin'ny hafa ka mahafaty azy, dia tsy maintsy hamidin'izy ireo ny omby velona ka hozaraina ny vidiny, ary tsy maintsy zarainy izy ireo ihany koa ny omby maty. 36 Fa raha fantatra fa efa zatra nanoto ilay omby teo aloha, ka tsy nitandrina izany ny tompony, dia tsy maintsy hanonitra omby ho solon'ny omby izy, ary ilay biby maty dia ho lasany.