1 Tamin'ny lamba volon'ondry manga, volomparasy, ary jaky mena, dia nanamboatra akanjo tenona manify ho an'ny fanompoana ao amin'ny toerana masina izy ireo. Nanamboatra akanjo ho an'i Arona izy ireo ho an'ny toerana masina, araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 2 Bezalila nanamboatra ny efoda tamin'ny volamena, manga, volomparasy, sy volon'ondry jaky, ary tamin'ny rongony fotsy madinika. Notorotoroin'izy ireo ny volamena ary 3 notapatapahin'izy ireo ho kofehy, mba hampiasaina azy ireo amin'ny lamba manga, volom-parasy, volon'ondry jaky, ary rongony fotsy madinika, izay asan'ny mpiasa za-draharaha. 4 Nanamboatra saron-tsoroka ho an'ny efoda izy ireo, dia nampiarahan'izy ireo teo amin'ireo zorony roa ambony izany. 5 Ary ireo fehikibo voatenona madinika dia mitovy amin'ny efoda, izany dia vita amin'ny singa iray avy amin'ny efoda, vita avy amin'ny rongony voatenona madinika izay volamena, manga, volom-parasy, ary jaky mena, araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 6 Namboarin'izy ireo ny vato berila, dia nofonosin'izy ireo tamin'ny randram-bolamena, dia nosoratana toy ny fitombokase, ary nosoratana niaraka tamin'ny anaran'ireo roa ambin'ny folo lahy zanak'Israely izany. 7 Ary dia napetrak'i Bezalila teo amin'ny saron-tsoroky ny efoda ireo. Mba ho vato fampahatsiahivana an'i Yaveh ny amin'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy, araka ny nandidian'i yaveh an'i Mosesy. 8 Nanao saron-tratra izy, toy ny nanamboarana ny efoda, izay asan'ny mpiasa zaha-draharaha. Dia nataony tamin'ny volamena, manga, volomparasy sy volon'ondry jaky, ary rongony fotsy madinika. 9 Efa-joro izany. Ary naforitr'izy ireo roa ny saron-tratra. Dia iray njehiny ny halavan'izany ary iray njehiny ny velarany. 10 Nataon'izy ireo tamin'ny andalana efatra ireo vato sarobidy. Ny andalana voalohany dia robia, topazy, ary garnety. 11 Ny andalana faharoa dia nisy emeralda, safira, ary diamondra. 12 Ny andalana fahatelo dia nisy jasinta, agaty, ary ametista. 13 Ny andalana fahefatra dia nisy berila, oniksa, ary jaspera. Dia nasiana randram-bolamena ireo vato ireo. 14 Nalamina tamin'ny anaran'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy ireo vato, dia nalahatra araka ny anarana avy izany. Tahaka ny peratra fitomboka ireo, ary ny anarana tsirairay avy dia manambara ny iray amin'ireo foko roa ambin'ny folo. 15 Nanamboatra rojo toy ny kofehy teo amin'ny saron-tratra izy ireo, izay narandrana tamin'ny volamena tsy mifangaro. 16 Nanamboatra mason-drojo volamena roa sy randram-bolamena roa izy ireo, ary napetrak'izy ireo teo amin'ny zoron'ny saron-tratra roa ireo mason-drojo roa. 17 Napetrak'izy ireo tamin'ilay mason-drojo roa ilay randram-bolamena roa teo an-joron'ireo saron-tratra. 18 Napetak'izy ireo teo amin'ny randram-bolamena ny rojo roa voarandrana. Dia napetak'izy ireo teo amin'ny saron-tsoroky ny efoda avy teo anoloany izany. 19 Nanamboatra mason-drojo volamena roa izy ireo ary napetany tamin'ny zoron'ny saron-tratra hafa anankiroa izany, teo amin'ny sisiny akaikin'ny zorony anatiny. 20 Nanamboatra mason-drojo volamena roa hafa ihany koa izy ireo ary nataon'izy ireo teo amin'ny amoron'ny saron-tsoroka anankiroa avy teo anoloan'ny efoda izany, teo akaikin'ny zaitra ambonin'ny fehikibo voatenon'ny efoda. 21 Nafatotr'izy ireo niaraka tamin'ny kofehy manga tamin'ny alalan'ny mason-drojony teo amin'ny mason-drojon'ny efoda ny saron-tratra. Natao izany mba tsy hiongotra amin'ny efoda ny saron-tratra. Araka ny nandidian'i Yaveh an'ny Mosesy. 22 Namboarin'i Bezalila tamin'ny lamba volomparasy tanteraka ny akanjo efoda, izay asan'ny mpanenona. 23 Ary nisy fitsofoan-doha eo afovoany. Nisy tenona teo amin'ny manodidina ny fisokafany mba tsy hitritra. 24 Nanamboaran'izy ireo apongaben-danitra vita amin'ny kofehy manga, volom-parasy, jaky mena ,ary rongony fotsy madinika, teo amin'ny moron-tongony. 25 Nanamboatra lakolosy volamena tsy miharo izy ireo, ary napetrak'izy ireo teo anelanelan'ny apongaben-danitra manodidina ny sisin'ny moron-tongotr'ilay akanjo, mifanelanelana amin'ireo apongaben-danitra— 26 lakolosy dia apongaben-danitra, lakolosy dia apongaben-danitra—teo amin'ny sisin'ny akanjo ho an'i Aarona mba hanompoany ao. Izany dia araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 27 Namboarin'izy ireo ho an'i Aarona sy ireo zanany ilay akanjo rongony fotsy madinika. 28 Nanao ny hamama rongony fotsy madinika, ny fehy loha rongony fotsy madinika, ny atin'akanjo rongony fotsy madinika, sy ny satroka vita amin'ny rongony fotsy madinika 29 ary kofehy manga, volomparasy, ary jaky mena, ho asan'ny mpanao peta-kofehy izy ireo. Izany dia araka ny ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 30 Dia nanamboatra ny takela-bolamena tsy mifangaron'ny satro-boninahitra masina izy ireo; dia nosoratan'izy ireo tamin'izany toy ny soratra eo amin'ny fitombokase hoe: ''Masina ho an'i Yaveh''. 31 Dia nopetahan'izy ireo kofehy manga teo amin'ny tampon'ilay hamama. Dia araka ny nandidian'i Yaveh an'i Mosesy izany. 32 Koa dia vita ny asa fanaovana tabernakely, ilay trano lay fihaonana. Nataon'ny vahoakan'Israely ny zava-drehetra. Narahin'izy ireo ny torolalana rehetra izay nomen'i Yaveh an'i Mosesy. 33 Nentin'izy ireo tamin'i Mosesy ilay tabernakely—ny lay sy ireo fitaovany rehetra, ny jiangrafiny, ny rafiny, ny barany, ny tsangatsangany, ny faladiany, 34 ny fandrakofana vita amin'ny hoditr'ondry lahy miloko mena, ny fandrakofana vita ami'ny hoditra lambodriaka, ary ny lamba anafenana 35 ny fiaran'ny vavolombelona, ary koa ny bao sy ny saronam-pamonjena. 36 Nentin'izy ireo ny latabatra, ny fanaka rehetra, sy ny mofon'ny fanatrehana; 37 ny fanaovan-jiro volamena tsy miharo ary ireo jiro tao amin'ny toerany, miaraka amin'ireo fitaovany sy ireo solika fanao amin'ny jiro; 38 ny alitara volamena, ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manim-pofona, ny fefy lamban'ny fidirana ao amin'ny tabernakely; 39 ny alitara varahina miaraka amin'ny varahina makarakarany sy ny baony ary ny fanaka sy ny koveta lehibe miaraka amin'ny faladiany. 40 Nentin'izy ireo ny fefy lamba ho an'ny kianja miaraka amin'ny tsangatsangany sy ny faladiany; ary ny lamba ho an'ny fidirana eo an-kianja; ireo tady sy ny fihantonan'ny lay; ary ny fitaovam-piasana rehetra entina hanompoana ny tabernakely, ny trano lay fihaonana. 41 Nentin'izy ireo ny akanjo voatenona mba hanompoana ao amin'ny toerana masina, ny akanjo masina ho an'i Arona mpisorona, sy ireo zanany lahy, mba hanompoan'izy ireo ho mpisorona. 42 Noho izany dia nataon'ireo vahoakan'Israely avokoa ny asa rehetra araka izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 43 Nandinika ireo asa rehetra i Mosesy, ary indro, vitan'izy ireo izany. Araka izay nandidian'i Yaveh, dia toy izany ny fomba nanaovan'izy ireo izany. Ary dia nitso-drano azy ireo Mosesy.