1 Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy ary hoy izy hoe: 2 "Amin'ny andro voalohan'ny volana voalohan'ny taona vaovao dia tsy maintsy hatsanganao ny tabernakely, ny lay fihaonana. 3 Apetraho ao amin'izany ny fiaran'ny vavolombelona, ary aoka harovanao amin'ny lamba ny fiara. 4 Ento eo amin'ny latabatra ary alaharo ireo zavatra izay tokony ho amin'izany. Dia ento ny fanaovan-jiro ary apetraho ireo jiro. 5 Apetraho manoloana ny fiaran'ny vavolombelona ny alitara volamena izay misy ny ditin-kazo manitra, ary apetraho ny lamba eo amin'ny fidiran'ny tabernakely. 6 Apetraho eo anoloan'ny fidirana mankao amin'ny tabernakely, ilay lay fihaonana, ny alitaran'ny fanatitra dorana. 7 Apetraho eo anelanelan'ny lay fihaonana sy ny alitara ny koveta lehibe ary asio rano ao anatiny. 8 Atsangano manodidina izany ny kianja, ary ahantony eo amin'ny fidiran'ny kianja ny lamba. 9 Ka alaivo ny diloilo fanosorana ary hosory ny tabernakely sy ny zavatra rehetra ao anatiny. Atokano ho Ahy izany sy ny fanaka rehetra, ka dia ho masina izany. 10 Hosory ny alitaran'ny fanatitra dorana sy fanak'izany rehetra. Atokano ho Ahy ny alitara ary tena ho masina ho Ahy izany. 11 Hosory ny kovetabe varahina sy faladian'izany ary atokano ho Ahy. 12 Ho entinao i Arona sy ireo zanany lahy ho eo amin'ny fidiran'ny lay fihaonana ary sasao amin'ny rano izy ireo. 13 Ho tafinao amin'ireo ankajony izay natokana ho Ahy i Arona, hosory izy ary atokano mba hanompo ho mpisoroko. 14 Ho entinao ireo zanany lahy ary ampiakanjoy akanjo lava izy ireo . 15 Hosory tahaka nanosoranao ny rainy izy ireo mba hanompo Ahy ho mpisorona. Ny fanosorana azy ireo dia hahatonga azy ireo ho fisoronana maharitra hatramin'ireo taranany fara mandimby." 16 Izao no zavatra nataon'i Mosesy; narahiny avokoa izay efa nandidian'i Yaveh azy. Nataony izany zavatra rehetra izany. 17 Ary dia voatsangana tamin'ny andro voalohany volana voalohany tamin'ny taona faharoa ny tabernakely. 18 Nananganana ny tabernakely i Mosesy, nametraka ny faladian'izany tamin'ny toerany, nanangana ny rafitr'izany, nampikambana ny barany, ary nanangana ireo andry sy ireo tsagantsangan'izany. 19 Naeliny manerana ny tabernakely ny fandrakofana ary napetrany manerana izany ny lay, araka ny efa nadidian'i Yaveh azy. 20 Nalainy ny didin'ny fanekena ary napetrany tao anatin'ny fiara ireo. Nametraka bao teo amin'ny fiara ihany koa izy, ary dia nametraka ny sarom-panavotana teo amin'izany. 21 Nanangana lamba ho an'izany izy mba hiaro ny fiaran'ny vavolombelona, araka ny nandidian'i Yaveh azy. 22 Napetrany tao anatin'ilay lay fihaonana ny latabatra, dia teo amin'ny ilany avatr'ilay tabernakely, ivelan'ny lamba. 23 Nalahany teo ambony latabatra teo anoloan'i Yaveh ny mofo, araka ny efa nandidian'i Yaveh azy. 24 Napetrany tao anaty lay fihaonana ny fanaovan-jiro, tandrifin'ny latabatra, teo amin'ny lafiny atsimon'ny tabernakely. 25 Nampirehitra ny jiro teo anatrehan'i Yaveh izy, araka ny efa nandidian'i Yaveh azy. 26 Napetrany tao amin'ny lay fihaonana manoloana ny lamba ny alitara volamena misy ditin-kazo manitra. 27 Nandoro ditin-kazo manitra teo amin'izany izy, araka efa nandidian'i Yaveh azy. 28 Nahantony teo amin'ny fidirana teo amin'ny tabernakely ny lamba. 29 Napetrany teo amin'ny fidirana ny tabernakely, ilay lay fihaonana, ny alitaran'ny fanatitra dorana. Nanolotra fanatitra dorana sy vary ho fanatitra teo amin'izany izy, araka ny efa nandidian'i Yaveh azy. 30 Napetrany teo anelanelan'ny lay fihaonana sy ny alitara ny kovetabe, ary nasiany rano tao anatin'izany mba hisasana. 31 Mosesy, Arona sy ireo zanany lahy nanasa ny tanany sy ny tongontr'izy ireo tao amin'ny kovetabe 32 na oviana na oviana handehanan'izy ireo ao amin'ilay lay fihaonana, ary na oviana na oviana hiakaran'izy reo eo amin'ny alitara. Nanasa ny tenany izy ireo, araka ny efa nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 33 Nanangana ny kianja nanodidina ny tabernakely sy ny alitara i Mosesy. Nanangana ny lamba teo amin'ny fidiran'ny kianja izy. Izany ny fomba nahavitan'i Mosesy ny asa. 34 Dia ny rahona nandrakotra ny lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Yaveh nanenika ny tabernakely. 35 Tsy afaka nitsofoka tao amin'ilay lay fihaonana i Mosesy satria ny rahona efa nitoetra tao amin'izany, ary satria ny voninahitr'i Yaveh nanenika ny tabernakely. 36 Na oviana na oviana no niakaran'ny rahona avy ao amin'ny tabernakely, ny vahoakan'Israely dia nianga tamin'ny dian'izy ireo. 37 Fa raha tsy niakatra avy ao amin'ny tabernakely ny rahona, dia tsy nandeha ny vahoaka. Nijanona teo izy ireo hatramin'ny andro izay nisandratan'izany. 38 Fa ny rahon'i Yaveh dia teo ambonin'ny tabernakely ny andro, ary ny afony teo amin'izany nony ny alina, teo imason'ny vahoakan'Israely rehetra nandritra ny dian'izy ireo.