1 Bezalila nanao ny alitara ho an'ny fanatitra dorana tamin'ny hazo akasia. Izany dia dimy hakiho ny halavany ary dimy hakiho ny halalany—efa-joro—ary telo hakiho ny haavony. 2 Ary nanitatra ireo zorony efatra hiendrika toy ny tandrok'omby izy. Ny tandroka dia natambatra iray tamin'ny alitara, ary nandrakotra izany tamin'ny varahina izy. 3 Nanao ny fitaovana rehetra ho an'ny alitara izy—vilany ho an'ny lavenona, angady, kovetabe, sotro rovitra, ary vilany fitondrana afo. Nanao ireo fitaovana rehetra ireo tamin'ny varahina izy. 4 Nanao makarakara ho an'ny alitara izy, tohi-vakana varahina mba hapetraka ao ambanin'ny rindrina, teo amin'ny fisasahany ka hatrany amin'ny farany ambany. 5 Nandrendrika mason-drojo efatra ho an'ireo zoro efatry ny makarakara varahina izy, ho fihazonana ireo bao. 6 Nanao bao tamin'ny hazo akasia ary nandrakotra ireo tamin'ny varahina i Bezalila. 7 Nametaka ireo bao tamin'ny mason-drojo teo amin'ireo lafin'ny alitara izy, mba hilanjana izany. Nanao ny alitara poak'aty izy, tamin'ny hazo fisaka. 8 Nanao koveta varahina lehibe miaraka amin'ny fitoerany varahina i Bezalila. Nanao ny koveta tamin'ny fitaratr'ireo vehivavy izay nanompo teo amin'ny fidirana mankany amin'ny lay fihaonana izy. 9 Nanao ny kianja ihany koa izy. Ireo fefy lamba teo amin'ny lafiny avaratry ny kianja dia rongony fotsy madinika, zato hakiho ny halavany. 10 Ireo fefy lamba dia nisy tsangatsangany roapolo, ary faladiany varahina roapolo. Nisy farango naraikitra tamin'ireo tsangatsangany, sy teo amin'ny fitohizana volafotsy. 11 Toy izany koa nanaraka ny lafiny avaratra, dia nisy fefy lamba zato hakiho ny halavany miaraka amin'ny tsangatsangany roapolo, faladiany varahina roapolo, farango naraikitra tamin'ireo tsangatsangany, ary fitohizana volafotsy. 12 Ireo fefy lamban'ny lafiny atsinanana dia dimampolo hakiho ny halavany, miaraka amin'ny tsangatsangany sy faladiany folo. Ireo farango sy fitohizan'ireo tsangatsangany dia volafotsy. 13 Ny kianja ihany koa dia dimampolo hakiho ny halavany ao amin'ny lafiny atsinanana. 14 Ireo fefy lamba ho an'ny ankilan'ny fidirana dia dimy ambin'ny folo hakiho ny halavany. Misy tsangatsangany telo miaraka amin'ny faladiany telo ireo. 15 Teo amin'ny andanin'ny fidiran'ny kianja ihany koa dia nisy fefy lamba dimampolo hakiho ny halavany, miaraka amin'ny tsangatsangany telo sy faladiany telo. 16 Ireo fefy lamba rehetra manodidina ny kianja dia natao tamin'ny rongony fotsy madinika. 17 Ny faladian'ireo tsangantsangany dia natao tamin'ny varahina. Ireo farango sy ireo fitohizana ho an'ireo tsangatsangany dia natao tamin'ny volafotsy, ary ny fandrakofana ho an'ireo tendron'ny tsangatsangany ihany koa dia natao tamin'ny volafotsy. Ireo tsangatsangan'ny kianja rehetra dia norakofana tamin'ny volafotsy. 18 Ny lamba teo amin'ny vavahadin'ny kianja dia roapolo hakiho ny halavany. Ny lamba dia natao tamin'ny manga, volomparasy, sy rongony jaky, rongony fotsy madinika voatenona, ary roapolo hakiho ny halavany. Izany dia roapolo hakiho ny halavany ary dimy hakiho ny sakany, tahaka ireo lamban'ny kianja. 19 Nisy faladiany varahina efatra sy farango volafotsy izany. Ny fandrakofana ho an'ireo tendrony sy ny fitohizan'izany dia natao tamin'ny volafotsy. 20 Ny fihantonan'ny lay rehetra ho an'ny tabernakely sy ny kianja dia natao tamin'ny varahina. 21 Izao no lisitry ny momba ny tabernakely, ny tabernakelin'ny lalàn'ny fanekena, nalaina araka ireo toromarik'i Mosesy izany. Izany dia asan'ireo Levita teo ambany fitarihan'i Itamara zanaka lahin'i Arona mpisorona. 22 Bezalila zanaka lahin'i Ory zanaka lahin'i Hora, avy ao amin'ny fokon'i Joda, dia nanao ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy. 23 Oholiaba zanaka lahin'i Ahisamaka, avy ao amin'ny fokon'i Dana, dia niasa niaraka tamin'i Bezalila ho mpanao sokitra, ho mpiasa tena mahay, ary ho mpanao tenona amin'ny manga, volomparasy, sy volon'ondry jaky, ary rongony fotsy madinika. 24 Ny volamena rehetra izay nampiasaina tamin'ny tetik'asa, tamin'ny asa rehetra nifandray tamin'ny toerana masina—ny volamena avy amin'ny fanatitra ahevaheva—dia talenta sivy amby roapolo sy sekely 730, voarefy tamin'ny fenitry ny sekely masina. 25 Ny volafotsy nomen'ny fiangonana dia nilanja talenta zato ary sekely 1.775, araka ny sekely masina, 26 na beka iray isan'olona, izay antsasaky ny sekely, voarefy tamin'ny sekely masina. Ireo tarehimarika ireo dia nahakasika ny fototry ny olona tsirairay izay voaisa tamin'ny fanisam-bahoaka, ireo roapolo taona no ho miakatra—dia lehilahy 603.350 ny fitambarany. 27 Talenta volafotsy zato no narendrika ho an'ireo faladian'ny toerana masina sy ireo faladian'ny lamba: faladiany zato, ary talenta iray isaky ny faladiany tsirairay avy. 28 Tamin'ny ambin'ny sekely volafotsy 1.775, dia nanao farango ho an'ireo tsangatsangany i Bezalila, nandrakotra ny tendron'ireo tsangatsangany, ary nanao fitohizana ho an'ireo. 29 Ny varahina avy amin'ny fanatitra ahevaheva dia nilanja talenta 70 ary sekely 2.400. 30 Tamin'izany no nanaovany ireo faladiany ho an'ny fidirana mankany amin'ny lay fihaonana, ny alitara varahina, ny makarakara varahin'izany, ny fitaovana rehetra ho an'ny alitara, 31 ireo faladiany ho an'ny kianja, ireo faladiany ho an'ny fidiran'ny kianja, ireo fihantonan'ny lay rehetra ho an'ny tabernakely, ary ireo fihantonan'ny lay rehetra ho an'ny kianja.