1 Bezalila nanao ilay fiara tamin'ny hazo akasia. Roa hakiho sy sasany ny halavany; iray hakiho sy sasany ny velarany; ary iray hakiho sy sasany ny hahavony. 2 Nanarona izany tao anatiny sy tao ivelany izy niaraka tamin'ny volamena tsy miharo ary nanao izany ho sisim-bolamena manodidina ny tampony. 3 Nanefy mason-drojo volamena efatra izy ho an'ny tongony efatra, niaraka tamin'ny mason-drojo roa tamin'ny ilany iray, ary mason-drojo roa tamin'ny ilany hafa. 4 Nataony tamin'ny hazo akasia ny bao ary nanarona izany tamin'ny volamena izy. 5 Nametraka ilay bao tao amin'ny mason-drojo teo amin'ireo sisin'ny fiara izy, mba hilanjana ny sambo fiara. 6 Nanao saronam-panavotana volamena tsy miharo izy. Roa hakiho sy sasany ny halavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany. 7 Bezalila nanao kerobima volamena roa ho an'ny tendron'ny saronam-panavotana roa. 8 Ny kerobima iray dia ho an'ny tendron'ny saronam-panavotana iray, ary ny kerobima iray hafa dia ho an'ny tendron'ny saronam-panavotana iray hafa. Natao ho ampahany iray ihany ireo miaraka amin'ny saronam-panavotana. 9 Namelatra ireo elany ilay kerobima ary nanaloka ny saronam-panavotana niaraka tamin'ireo. Mifanatrika sy mitodika any afovoan'ny saronam-panavotana ireo kerobima. 10 Bezalila nanao ny latabatra vita tamin'ny hazo akasia. Roa hakiho sy sasany ny halavany, iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray akiho sy sasany ny hahavony. 11 Nandrakotra izany tamin'ny volamena tsy miharo izy ary nametraka sisim-bolamena tsy miharo nanodidina ny tampony. 12 Nanisy rafitra nanodidina vodivoam-pelatanany iray manontolo izy, niaraka tamin'ny sisim-bolamena nanodidina ilay rafitra. 13 Nanefy mason-drojo volamena efatra ho an'izany izy ary namatotra ireo mason-drojo tamin'ireo zorony efatra, izay nisy ireo tongotra efatra. 14 Voafatotra tamin'ny ireo zorony efatra ireo mason-drojo, mba hanomezana toerana ho an'ireo bao, mba hilanjana ilay latabatra. 15 Nanao ireo bao tamin'ny hazo akasia izy ary nanarona ireo tamin'ny volamena, mba hilanjana ilay latabatra. 16 Nanao ireo fanaka izay hapetraka eo ambonin'ny latabatra izy—ireo lovia, sotro, lovia jobo, sy ireo fitoeran-divay mba hampiasaina handrarahana ireo fanatitra. Nataony tamin'ny volamena tsy miharo ireo. 17 Nataony tamin'ny volamena tsy miharo ilay fitoeran-jiro. Nataony niaraka tamin'ny faladiany sy ny tahony ny fitoeran-jiro. Ny kapoakany, ny kiboriny, ary ny voninkazony dia natao ampahany iray miaraka aminy. 18 Nisy sampana enina nivoaka avy tamin'ireo sisiny—sampana telo nivoaka tamin'ny sisiny iray, ary sampana telo hafa no nivoaka amin'ireo sisiny amin'ny fitoeran-jiro. Ny sampany voalohany dia nanana kapoaka telo vita tahaka ny felan'ny amandia mamelana, miaraka amin'ny kibory iray sy voninkazo iray. 19 Ary kapoaka telo natao toy ny amandia mamelana tamin'ny sampany iray hafa, miaraka amin'ny kibory iray, sy voninkazo iray. Dia toy izany avokoa ho an'ireo sampana enina nivoaka avy amin'ny fitoeran-jiro. 20 Eo amin'ny fitoeran-jiro, teo amin'ny tahony afovoany, dia nisy kapoaka efatra natao toy ny amandia mamelana, niaraka tamin'ny kiborin'izy ireo sy ireo voninkazo . 21 Nisy kibory iray tao ambanin'ny sampana roa voalohany—izay natao iray aminy, ary kibory iray tao ambanin'ny sampana roa faharoa—natao iray aminy ihany koa izany. Tamin'ny fomba mitovy dia nisy kibory iray tao ambanin'ny sampana roa fahatelo, natao iray aminy. Ary toy izany koa ireo sampana enina nivoaka tao amin'ny fitoeran-jiro. 22 Ny kibory sy ny sampan'izy ireo dia iray aminy, sombin'asam-bolamena tsy miharo iray. 23 Bezalila nanao ny fitoeran-jiro sy ny jiro fiton'ireo, ny hetin-jiro sy fitoeran-davenona volamena tsy miharon'ireo. 24 Nanao ny fitoeran-jiro sy ireo fitaovana miaraka tamin'ny talenta volamena iray tsy miharo izy. 25 Bezalila nanao ny alitaran'ny ditin-kazo manitra. Nanao izany tamin'ny hazo akasia izy. Iray hakiho ny halavany, ary iray hakiho ny velarany. Efa-joro izany, ary roa hakiho ny hahavony. Ny tandrony dia natao toy iray aminy. 26 Nandrakotra ny alitaran'ny ditin-kazo manitra tamin'ny volamena madio izy—ny tampony, ireo sisiny, ary ireo tandrony. Nanao sisim-bolamena nanodidina ho an'izany ihany koa izy. 27 Nanao mason-drojo volamena roa izy mba hamatorana izany ao ambanin'ny sisiny eo amin'ny sisiny roa mifanandrify aminy. Ireo mason-drojo dia natao hitazona ireo bao mba hilanjana ny alitara. 28 Nataony tamin'ny hazo akasia ireo bao, ary nandrakotra ireo tamin'ny volamena izy. 29 Izy dia nanamboatra ny menaka fanosorana masina sy ny fofona tsy miharon'ny ditin-kazo manitra, izay asan'ny mpanao zava-manitra.