Toko faha 36

1 I Bezalila sy Oholiaba ary ireo olona manan-talenta rehetra izay efa nomen'i Yaveh fahaiza-manao sy fahakingana mba ahafantatra ny fomba fiasa amin'ny fanamboarana ny toerana masina dia nanao ny asa arak'izay rehetra nadidin'i Yaveh. 2 Nampanantsoin'i Mosesy i Bezalila, Oholiaba, ary ireo olona manan-talenta izay nomen'i Yaveh fahaiza-manao, ary izay nentanin'ny fony ho avy ka hanao ny asa. 3 Izy ireo dia nandray ireo fanatitra rehetra avy tamin'i Mosesy, izay nentin'ireo Isiraelita ho amin'ny fanamboarana ny toerana masina. Isa-maraina dia mbola nanome fanati-tsitrapo ho an'i Mosesy ireo olona. 4 Koa ireo olona manan-talenta rehetra niasa teo amin'ilay toerana masina dia niala tamin'ny asany izay nataony. 5 Ary nilaza tamin'i Mosesy ny mpanao asa tanana hoe: "Nitondra mihoatra noho izay ampy amin'ny fanaovana ny asa izay nandidian'i Yaveh ho ataonay ireo olona." 6 Koa Nanome baiko i Mosesy fa tsy tokony hisy hitondra fanatitra amin'ny fanamboarana ny toerana masina intsony ao amin'ny toby na iray aza. Ary nitsahatra nitondra fanomezana ireo olona. 7 Nanana fitaovana mihoatra noho izay ilaina amin'ny asa rehetra izy ireo. 8 Koa dia nanambotra tabernakely amin'ny lamba vita amin'ny rongony fotsy sy manga, volomparasy, sy volon'ondry jaky ary miendrika Kerobima ireo mpanao asa-tanana rehetra tao amin'izy ireo. Izany dia asan'i Bezalila, ilay mpanao asa-tanana tena mahay. 9 Ny halavan'ny lamba tsirairay dia valo ambin'ny folo hakiho, ary ny sakany dia efatra hakiho. Mitovy habe ireo lamba rehetra. 10 Natambatr'i Bezalila ny lamba dimy, ary ireo dimy hafa dia natambany ihany koa. 11 Nanao tadivaravarana manga teo amin'ny faran'ny sisin-damba tamin'ny sisiny anakiray efa voavitrany izy, ary nataony toy izany koa sisin-damba tamin'ny vitrana faharoa. 12 Nanao tadivararavarana dimam-polo tamin'ireo lamba voalohany izy ary dimampolo ny tadivaravarana eny amin'ny sisiny tamin'ny lamba faharoa voavitrana. Koa ireo tadivaravarana dia mifanadrify avy. 13 Nanao farango volamena dimam-polo izy ary nakambany niaraka tamin'izany ireo lamba mba hitambatra ho iray ny tabernakely. 14 Nanao lamba vita tamin'ny volon'osy i Bezalila ho lay handrakofana ny tabernakely; nahavita lamba iraika ambin'ny folo isa izy. 15 Ny halavan'ny lamba tsirairay dia telopolo hakiho, ary ny sakany lamba iray dia efatra hakiho. Mitovy habe ireo lamba iraika ambin'ny folo ireo. 16 Nakambany tsirairay ireo lamba dimy ary ny enina hafa dia nakambany manokana. 17 Nasiany tadivaravarana dimampolo tamin'ireo ambin-damba voavitrana voalohany, ary dimampolo tamin'ireo ambin-damba izay nakambany tamin' ireo vitrana faharoa. 18 Nahavita farango varahina dimampolo i Bezalila mba hanakambanana ny lay ho iray. 19 Nanamboatra fandrakofana vita amin'ny hoditr'ondry lahy miloko mena ho an'ny tabernakely, sy fandrakofana hafa vita amin'ny hoditra mba ho eo ambonin'izany izy. 20 Ary nanamboatra rafitra mitsangana vita amin'ny hazon'ny akasia i Bezalila ho amin'ny tabernakely. 21 Ny halavan'ireo zana-kazo tsirairay dia folo hakiho, ary ny sakan'ireo zana-kazo dia iray sy sasany hakiho. 22 Ny rafitra tsirairay avy dia misy zana-kazo roa mba hampikambana azy ireo miaraka. Nataony toy izany avokoa ireo rafitry ny tabernakely. 23 Dia nataony tahaka izao ireo rafitra rehetra ho an'ny tabernakely: rafitra roapolo ho an'ny ilany atsimo. 24 Nanao tongony volafotsy efapolo i Bezalila mba atao eo ambanin'ireo rafitra roapolo. Nisy faladiany roa tao ambanin'ny rafitra iray mba hampitambatra an'ireo rafitra rehetra, ary faladiany roa ihany koa ambanin'ireo rafitra tsirairay hafa mba hikambanan'ireo. 25 Ary ny ilany faharoan'ny tabernakely, teo amin'ny ilany avaratra, dia nasiany rafitra roapolo 26 sy faladiany volafotsy efapolo. Misy faladiany roa ambanin'ilay rafitra voalohany, faladiany roa no ambanin' ilay hazo fisaka manaraka, dia toy izay hatrany. 27 Nanamboatra rafitra enina i Bezalila ho an'ny lamosin'ny tabernakely andrefana. 28 Nasiany rafitra roa eny amin'ireo zorony tabernakely. 29 Ireo hazo fisaka ireo dia nisaraka avy ny ambany, fa nitambatra tamin'ny mason-drojo iray eny an-tampony. Nataony tahaka izany ny roa tamin'ireo ho an'ny zorony roa. 30 Ary nisy rafitra valo, niaraka tamin'ireo faladiany volafotsy. Enina ambin'ny folo ny isan'ireo faladiany, faladiany roa ambanin'ny rafitra voalohany, faladiany roa ambanin'ny rafitra manaraka, ary toy izany hatrany. 31 Nanao bara vita amin'ny hazo akasia i Bezalila—dimy ho an'ny rafitry ny ilan'ny tabernakely, 32 bara dimy ho an'ny rafitra amin'ny ilan'ny tabernakely hafa, ary bara dimy ho an'ny rafitra ao an-damosin'ny tabernakely miakandrefana. 33 Nataony teo anivon'ireo rafitra ilay bara, izany hoe, antenantenany ambony, mba hahatrarana ny farany roa. 34 Norakofany volamena ireo rafitra. Nanamboatra ny mason-drojon'ireo tamin'ny volamena izy, mba hampiasaina hihazonana an'ireo bara, ary norakofany tamin'ny volamena ireo bara. 35 Koa dia nanambotra lamba vita amin'ny rongony fotsy sy manga, volomparasy, sy volon'ondry jaky ary miendrika Kerobima, izay asan'ny mpanao asa-tanana za-draharaha i Bezalila. 36 Nanambotra andry vita amin'ny hazo akasia izy, ary norakofany volamena ireo. Nanao farangom-bolamena ho an'ireo andry ihany koa izy, ary nanefy faladiany volafotsy efatra ho an'ireo. 37 Nanamboatra fefy lamba ho an'ny fidirana amin'ny lay izy. Natao tamin'ny manga, volomparasy, ary volon'ondry jaky, tamin'ny fampiasana rongony fotsy madinika izany, izay asan'ny mpanao peta-kofehy. 38 Nanamboatra fefy lamban'ireo andry dimy tamin'ny farango ihany koa izy. Norakofany volamena ny tampon'ireo sy ireo fihatonany. Ireo faladiany dimy dia natao tamin'ny varahina.