Toko faha 35

1 Nampivory ireo mponin'ny Israelita rehetra Mosesy ary niteny tamin'izy ireo hoe: "Ireto ny zavatra izay nandidian'i Yaveh ho ataonareo. 2 Andro enina no afaka anaovana ny asa, fa ho anareo, ny andro fahafito dia ho andro masina, andro Sabatan'ny fitsaharana feno, sy masina ho an'i Yaveh. Na iza na iza miasa amin'izany andro izany dia hovonoina ho faty. 3 Aoka tsy handrehitra afo any amin'ny tranonareo ianareo amin'ny andro Sabata." 4 Niteny tamin'ireo fivondronan'ny Israelita rehetra Mosesy, nanao hoe: "Izao no zavatra nandidian'i Yaveh. 5 Makà fanatitra ho an'i Yaveh, ianareo rehetra izay manana fahavononam-po. Mitondrà fanatitra ho an'i Yaveh—volamena, volafotsy, varahina, 6 manga, volomparasy, ary volon'ondry jaky sy rongony fotsy madinika; volon'osy; 7 hoditr'ondry lahy miloko mena sy hodi-dogaona; hazo akasia; 8 menaka atao amin'ny fanaovan-jiro masina, hanitra ho an'ny menaka fanosorana ary ditin-kazo manitra, 9 vato berila sy vato sarobidy hafa apetraka ho amin'ny efoda sy ny saron-tratra. 10 Ny lehilahy rehetra izay manana fahaizana eo aminareo dia ho avy ka hanao ny zavatra rehetra izay nandidian'i Yaveh— 11 ny tabernakely mbamin'ny lainy, ny sarony, ny varangony, ny rafitrany, ny barany, ny tsangatsangany, ary ny faladiany; 12 ary koa ny fiara mbamin'ny baony, ny sarom-panavoatana ary ny lamba hanafenana azy. 13 Nentin'izy ireo ilay latabatra mbamin'ny baony, ny fanaka rehetra ao aminy, ary ny mofon'ny fanatrehana; 14 ny fanaovan-jiro ho an'ireo hazavana, mbamin'ny fitaovana amin'izany, ireo jirony, ary ny solika ho an'ireo jiro; 15 ny alitara fandoroana miaraka amin'ireo baony, ny menaka fanosorana sy ny ditin-kazo manitra; ny fefy lamba ho an'ny fidiran'ny tabernakely; 16 ny alitara ho an'ireo fanatitra dorana mbamin'ny makarakara varahin'izany sy ireo baony ary ireo fanaka; ary ny kovetabe sy ny faladiany. 17 Nentin'izy ireo ny fefy lamba ho an'ny kianja mbamin'ny tsangatsangany sy ny faladiany, sy ny lamba ho an'ny fidirana ao an-kianja; 18 ary ny fihantonan'ny lay ho an'ny tabernakely sy ny kianja, niaraka tamin'ireo tadiny. 19 Nitondra ireo akanjo voatenona madinika hanompoana teo amin'ny toerana masina izy ireo, ny akanjo masina ho an'i Arona mpisorona sy ireo zanany lahy, mba hanompoan'izy ireo ho mpisorona. 20 Avy eo dia nandao ary niala teo anatrehan'i Mosesy avokoa ireo fokon'ny Israely. 21 Dia tonga ireo olona rehetra izay voatariky ny fony sy ireo izay notarihin'ny fanahiny hanam-piniavana ary nitondra fanatitra ho an'i Yaveh ho an'ny fanamboarana ny tabernakely, ho amin'izay zavatra rehetra mety ampiasaina amin'izany, sy ho an'ireo akanjo masina. 22 Tonga izy ireo, na ny lehihahy na ny vehivavy, izay rehetra tsara sitrapo. Nitondra ireo fisisika, kavina, peratra, ireo firavaka, sy ireo karazana firavaka volamena rehetra izy ireo. Nanolotra fanatitra volamena ho fanatitra ahevaheva ho an'i Yaveh izy rehetra. 23 Ny olona rehetra izay nanana manga, volomparasy, na volon'ondry jaky, rongony fotsy madinika, volon'osy, hoditr'ondry lahy miloko mena, sy hodi-dogaona dia nitondra ireo. 24 Ny olona rehetra nanao fanatitra volafotsy na varahina dia nitondra izany ho fanatitra ho an'i Yaveh, ary ny olona rehetra izay nanana hazo akasia mety ampiasaina amin'ny asa dia nitondra izany. 25 Ireo vehivavy rehetra nanana fahaiza-manao dia namoly volon'ondry tamin'ny tanany ary nitondra izay voavoliny—manga, volomparasy, na volon'ondry jaky na rongony fotsy madinika. 26 Ireo vehivavy rehetra nentanin'ny fony sy ireo izay nanana fahaizana dia namoly volon'osy. 27 Ireo mpitarika dia nitondra vato beryla sy vatosoa hafa koa mba hatao ao amin'ny efoda sy ireo saron-tratra; 28 nitondra zava-manitra sy menaka ho amin'ny fanaovan-jiro, ho an'ny menaka fanosorana, ary ho an'ny ditin-kazo manitra izy ireo. 29 Dia nitondra fanati-tsitrapo ho an'i Yaveh ireo Israelita; ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra izay notarihin'ny fony dia nitondra fitaovana ho amin'ny asa rehetra izay nandidian'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy mba hatao. 30 Hoy Mosesy tamin'ireo Israelita hoe: "Indro, Yaveh niantso an'i Bezalila zanaka lahin'i Ory zanaka lahin'i Hora, avy amin'ny fokon'i Joda. 31 tamin'ny Fanahiny i Bezalila, mba hanome azy fahendrena, fahatakarana, ary fahalalana, amin'ireo karazana fanaovana tao-zavatra rehetra, 32 mba hanao asa kanto famoronana sy hiasa amin'ny volamena, volafotsy, ary varahina; 33 ary koa mba hanapaka sy hametraka ireo vato ary hisokitra ireo hazo—mba hanaovana ireo karazana asa famoronana rehetra sy fanaovana tao-zavatra. 34 Nataony tao am-pony mba hampianarana izany, dia izy sy Oholiaba zanaka lahin'i Ahisamaka, avy amin'ny fokon'i Dana. 35 Nameno azy ireo tamin'ny fahaiza-manao zavatra mba hanaovana ireo karazana asa rehetra izy, ho mpanao asa-tanana, ho mpanao asa sokitra, ary ho mpanao peta-kofehy amin'ny manga, ny volomparasy, ny volon'ondry jaky ary ny rongony fotsy madinika, ary ho mpanenona. Mpanao asa tanana amin'ny karazan'asa rehetra izy ireo, ary mpamorona asa kanto.