Toko faha 34

1 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Manamboara vato fisaka roa tahaka ireo voalohany. Hosoratako ao ireo teny izay tao anatin'ny vato fisaka voalohany, dia ireo vato izay novakianao. 2 Mivonona mandra-maraina ary miakara any an-tendrombohitr'i Sinay, dia asehoy amiko eo an-tampon-tendrombohitra ny tenanao. 3 Tsy hisy olona hiara-hiakatra aminao. Koa aza avela hisy olon-kafa ho hita eny an-tendrombohitra. Aoka tsy hisy na biby fiompy na omby aza hiraoka eo anoloan'ny tendrombohitra." 4 Dia namboarin'i Mosesy ireo vato fisaka roa tahaka ireo voalohany, ary nifoha maraina izy ka lasa niakatra tany an-tendrombohitra Sinay, araka ny nandidian'i Yaveh azy. Ary nentin'i Mosesy teny an-tanany ireo vato fisaka. 5 Dia nidina tao amin'ny rahona Yaveh ka nitsangana niaraka tamin'i Mosesy teo, ary nanonona ny anarana hoe "Yaveh " izy. 6 Dia nandalo teo anoloany Yaveh ka nanambara hoe: "Yaveh, Yaveh, Andriamanitra dia mamindra fo sy miantra, mahari-po, sy feno fahatokiam-panekena sy fahamendreham-pitokisana, 7 mitazona ny tsy fivadiham-panekena hatramin'ny taranaka arivo mifandimby, mamela heloka, fahadisoana, ary fahotana Izy. Kanefa hanadio izay meloka Izy. Hamaly ny helok'ireo ray amin'ireo zanaka Izy sy amin'ireo zanak'ireo zanaka, hatramin'ny taranaka fahatelo sy fahefatra." 8 Dia nanondrika haingana ny lohany tamin'ny tany i Mosesy ka nivavaka. 9 Ka hoy izy hoe: "Ankehitriny raha nahita fitia teo imasonao aho, Tompoko, mba mandehana eo afovoanay, fa mafy hatoka ireo olona ireo. Mamelà ny helokay sy ny fahotanay, ary raiso ho lovanao izahay." 10 Dia hoy Yaveh hoe: "Indro, hanao fanekena Aho. Ka eo anatrehan'ny olonao rehetra, dia hanao zava-mahagaga izay tsy mbola natao tamin'ny tany rehetra na firenena Aho. Hahita ireo asako ny olon-drehetra ao aminao, fa zavatra mampatahotra no hataoko miaraka aminao. 11 Ankatoavy izay nandidiako anao androany. Horoahiko hiala tsy ho eo anatrehanareo ireo Amorita, Kanananita, Hetita, Perizita, Hivita, ary ireo Jebosita. 12 Koa mitandrema mba tsy hanao fifanekena amin'ny mponina any amin'ny tany izay alehanao ianao, fandrao lasa fandrika eo aminareo izany. 13 Nefa kosa, ravao ireo alitarany, torotoroy ireo tsangam-batony, ary poteho ireo bao Aserahan'izy ireo. 14 Ary ianao tsy hanompo Andriamanin-kafa, fa Yaveh, izay manana anarana hoe Saropiaro, dia Andriamanitra saro-piaro. 15 Koa mitandrema mba tsy hanao fifanekena amin'ny mponina ao amin'ny tany, satria izy ireo mivarotra ny tenany amin'ireo andriamaniny, ary manao sorona ho an'ireo andriamaniny izy ireo. Ka ny iray amin'izy ireo hanasa anao, dia hihinana ny sasany amin'ny sorony ianao, 16 ary na dia haka ny sasany amin'ireo zanany vavy ho an'ireo zanakao lahy aza ianao, dia mbola hivarotra ny tenany amin'ireo andriamaniny ihany ireo zanany vavy, ary hampijangajanga ireo zanakao lahy amin'ireo andriamaniny. 17 Aza manao andriamanitra voavolavola amin'ny vy ho anao. 18 Aoka ho tandremanao ny Firavoravoan'ny Mofo Tsy misy Masirasira. Araka ny nandidiako anao, hafitoana no hinananao ny mofo tsy misy lalivay amin'ny fotoana raikitra amin'ny volana Abiba, satria tamin' ny volana Abiba no nivoahanareo avy tany Egypta. 19 Ireo lahimatoa rehetra dia Ahy, eny na dia ny lahimatoa rehetra amin'ireo biby fiompinao aza, ny omby sy ireo ondry. 20 Koa tsy maintsy hiverina hividy ny apondra sy ny ondry ianao, ka rehefa tsy haverinao vidiana izany, dia hofolahinao ny vozony. Tsy maintsy haverinao vidiana ireo lahimatoan'ireo zanakao lahy. Ary aoka tsy hisy olona hiseho eo anoloako amin-tanam-polo 21 Mety hiasa mandritry ny enina andro ianao, fa amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy mitsahatra ianao. Eny na dia amin'ny taom-pamafazana sy taom-pijinjana aza, dia tsy maintsy mitsahatra ianao. 22 Tsy maintsy hitandrina ny Herinandron'ny Firavoravoana amin'ny fanaterana ny voaloham-bokatra amin'ny fijinjam-bary ianao, ary tsy maintsy hitandrina ny Andro firavoravoana amin'ny fanangonana amin'ny fiafaran'ny taona ianao. 23 Tsy maintsy hiseho intelo isan-taona eo anatrehan'ny Tompo Yaveh ny lehilahinao rehetra, dia ny Andriamanitry ny Israely. 24 Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ary hanitatra ny sisin-taninao. Tsy hisy haniry ny hanana ny taninao ho azy rehefa miakatra miseho eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrao intelo isan-taona ianao. 25 Tsy hanolotra ràm-biby atao fanatitra miaraka amin'ny lalivay ianao, na hamela ny hena avy amin'ny fanatitra amin'ny andro Firavoravoan'ny Paska ho tra-maraina. 26 Tsy maintsy entinao ao an-tranoko ny tsara indrindra amin'ny voaloham-bokatra avy amin'ny sahanao. Ary ianao tsy hahandro zanak'osy amin'ny rononon-dreniny." 27 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Soraty ao ireo teny ireo, fa Izaho hanao antoka ny tenako amin'ireo teny izay nolazaiko, ary efa nanao fanekena taminao sy Israely." 28 Niaraka tamin'i Yaveh efapolo andro sy efapolo alina tany Mosesy; tsy nisakafo na nisotro rano izy. Dia nosoratany tamin'ireo vato fisaka ireo teny fanekena, dia ny Didy folo. 29 Rehefa nidina avy any an-tendrombohitra Sinay niaraka tamin'ireo vato fisaka roa nisy ny didim-panekena teny an-tanany Mosesy, dia tsy fantany fa lasa namirapiratra ny hodi-tavany rehefa niresaka tamin'Andriamanitra. 30 Rehefa nahita an'i Mosesy i Arona sy ireo Israelita, dia namirapiratra ny hodi-tavany, ka natahotra ny hanakaiky azy izy ireo. 31 Fa Mosesy niantso azy ireo, ary Arona sy ireo mpitarika rehetra eo amin'ny fivondronana kosa niakatra nankeo aminy. Ary dia niresaka tamin'izy ireo Mosesy. 32 Taorian'izany, nanatona an'i Mosesy ny vahoakan'Israely rehetra, ary izy nanambara ireo didy izay nomen'i Yaveh azy tany an-tendrombohitra Sinay. 33 Rehefa vita ny resak'i Mosesy tamin'izy ireo, dia nasiany voaly ny tavany. 34 Na oviana na oviana no handehanan'i Mosesy eo anoloan'i Yaveh mba hiresaka aminy, dia nanala ny voaliny izy, mandra-pivoahany. Ary rehefa nivoaka izy, dia nilaza tamin'ireo Israelita izay nandidiana azy ho lazainy. 35 Rehefa hitan'ny Israelita ny famirapiratan'ny tavan'i Mosesy, dia nasarony ny tavany indray ny voaly madra-piveriny ao mba hiresaka amin'i Yaveh.