1 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "MialĂ teto, ianao sy ireo olona izay nentinao nivoaka ny tany Egypta. Mandehana any amin'ny tany izay nanaovako fianianana tamin'i Abrahama, tamin'i Isaka, ary tamin'i Jakoba, rehefa niteny Aho hoe: 'Homeko ho an'ireo taranakao ity.' 2 Haniraka anjely eo anoloanao Aho, ary Izaho handroaka ireo Kananita, Amorita, Perisita, Hivita, ary Jebosita. 3 Mandehana any amin'izany tany izany, izay hikorianan'ny ronono sy tantely, fa tsy hiakatra hiaraka aminareo Aho, satria vahoaka mafy loha ianareo. Mety handringana anareo eny an-dalana aho." 4 Rehefa ren'ny vahoaka ireo teny nanahiran-tsaina ireo, dia nalahelo izy ireo, ary tsy nisy niambozona firavaka intsony. 5 Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Lazao amin'ireo Israelita hoe: 'Vahoaka mafy loha ianareo. Raha mandeha eo aminareo Aho na dia fotoana iray aza, dia handringana anareo Aho. Koa ankehitriny, esory ireo firavakareo mba hahafahako manapa-kevitra amin'izay tokony hatao aminareo.'" 6 Dia tsy niravaka firavaka ireo Israelita avy tany an-tendrombohitr'i Horeba. 7 Nandray lay i Mosesy ary nanorina izany ivelan'ny toby, lavidavitra kely ny toby. Nantsoiny hoe ny trano lay fihaonana izany. Ireo rehetra izay nangataka zavatra tamin'i Yaveh no mivoaka ka mankao amin'ny trano lay fihaonana, ivelan'ny toby. 8 Rehefa hivoaka avy ao amin'ny lay Mosesy, dia nijoro teo amin'ny fidirana ao amin'ny lainy avy ireo vahoaka ary nitazana an'i Mosesy mandra-pidirany ao anatiny. 9 Isaky ny niditra ny lay i Mosesy, dia nidina ny andry rahona ary nitsangana teo amin'ny fidirana ao amin'ny lay, dia niresaka tamin'i Mosesy i Yaveh. 10 Isaky ny mahita izany andry rahona izany eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay ny vahoaka, dia niarina ary nanompo, ny olona rehetra isaky ny fidirana ao amin'ny lainy avy. 11 Yaveh dia niresaka nifanatri-tava tamin'i Mosesy, tahaka ny olona miresaka amin'ny sakaizany. Dia niverina tany an-toby i Mosesy, fa i Josoa mpanompony zanak'i Nona, izay zatovo, dia nijanona tao amin'ny lay. 12 Hoy i Mosesy tamin'i Yaveh: "Indro, Ianao nilaza tamiko hoe: 'Ento mandia ireo olona ireo,' nefa Ianao tsy namela ahy hahafantatra hoe iza no hirahinao hiaraka amiko. Niteny Ianao hoe: 'Izaho mahalala anao amin'ny anarana, ary nahita fitia teo imasoko koa ianao.' 13 Ankehitriny raha nahita fitia teo imasonao ary aho, asehoy ahy ny lalanao mba hahafahako mahafantatra Anao ary hanohy hila fitia eo imasonao. Tsarovy fa vahoakanao ity firenena ity." 14 Yaveh namaly hoe: "Ny fanatrehako mihitsy no hiaraka aminao, ary Izaho hanome anao fitsaharana." 15 Hoy Mosesy taminy: "Raha tsy miaraka aminay Ianao, dia aza esorinao eto izahay. 16 Fa raha tsy izany, ahoana moa no hahafantarana fa nahita fitia teo imasonao aho, izaho sy ireo vahoakanao? Moa ve tsy ny handehananao miaraka aminay ihany no mampiavaka ahy sy ireo vahoakanao amin'ny firenena rehetra izay eto ambonin'ny tany?" 17 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: "Hataoko ihany koa izany zavatra nangatahinao izany, fa nahita fitia teo imasoko ianao, ary mahalala anao amin'ny anarana aho." 18 Hoy i Mosesy: "Mba asehoy ahy re ny voninahitrao." 19 Hoy Yaveh: "Ampandaloviko eo anatrehanao ny fahatsarako rehetra, ary Izaho hanambara ny anarako 'Yaveh' eo anatrehanao. Hiantra izay hiantrako aho, ary haneho famindram-po amin'izay hanehoako famindram-po." 20 Fa hoy Yaveh: "Mety tsy hahita ny tavako ianao, satria tsy misy afaka mahita Ahy ka ho velona." 21 Hoy Yaveh: "Indro, ity ilay toerana eto akaikiko; hitsangana ambonin'io vatolampy io ianao. 22 Raha mbola mandalo ny voninahitro, dia apetrako an-tsefaky ny vatolampy ianao ary horakofako ny tanako ianao mandra-pandaloko. 23 Dia ho esoriko ny tanako, ary hahita ny ivohoko ianao, fa tsy ho hita kosa ny tavako."