Toko faha 32

1 Rehefa hitan'ny vahoaka fa nitaredretra ny hidina avy any an-tendrombohitra i Mosesy, dia nitangorona nanodidina an'i Arona izy ireo ka nanao taminy hoe: "Avia, manaova sampy ho anay mba hialoha lalana antsika. Fa raha ny amin'iny Mosesy iny, ilay lehilahy izay nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy." 2 Dia hoy Arona tamin'izy ireo hoe: "Esory ireo kavina volamena izay eny amin'ny sofin'ny vadinareo, sy eny amin'ny sofin'ny zanakareo lahy sy vavy, dia ento ety amiko izany." 3 Dia samy nanala ireo kavina volamena teny amin'ny sofin'izy ireo avokoa ny vahoaka rehetra ka nitondra izany teny amin'i Arona. 4 Nandray ny volamena avy amin'izy ireo izy, namolavola izany, ary nanao izany ho zanak'omby voavolavola. Dia hoy ny vahoaka hoe: "Ry Israely, ity no andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tao amin'ny tany Egypta." 5 Rehefa hitan'i Arona izany, dia nanamboatra alitara teo anoloan'ilay zanak'omby izy ka nanao fanambarana; hoy izy hoe: "Ho andro firavoravoana amin'ny voninahitr'i Yaveh rahampitso." 6 Nifoha maraina ny vahoaka ny ampitson'io ka nanolotra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana. Avy eo dia nipetraka mba hihinana sy hisotro izy ireo, ary nitsangana nanao fomba fankalazana vetaveta. 7 Avy eo Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Mandehana faingana, satria manao ratsy, ny vahoakanao, izay nentinao niakatra avy tao amin'ny tany Egypta. 8 Nivily faingana tamin'ny lalana izay nandidiako azy izy ireo. Namolavola ombikely ho azy izy ireo ka nanompo izany sy nanao sorona ho an'izany. Hoy izy ireo hoe: "Ry Israely, ity no andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tao amin'ny tany Egypta.'" 9 Dia hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Efa hitako ity vahoaka ity. Indro, vahoaka mafy hatoka izy ireo. 10 Koa ankehitriny, aza manakana Ahy akory. Hirehitra amin'izy ireo ny hatezerako, ka haringako izy ireo. Dia hanao firenena lehibe avy aminao Aho." 11 Fa niezaka nampitony an'i Yaveh Andriamaniny i Mosesy. Hoy izy hoe: "Ry Yaveh, nahoana ny hatezeranao no mirehitra amin'ny vahoakanao, izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy tanana mahery? 12 Nahoana ireo Egyptiana no tokony hilaza hoe: 'Fikasàna ratsy no nitarihany azy ireo hivoaka, mba hamonoana azy ireo any an-tendrombohitra sy handringanana azy ireo hiala amin'ny tany?' Mialà amin'ny fahatezeranao ary atsaharo ity famaizana amin'ny vahoakanao ity. 13 Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Israely, mpanomponao, izay nianiananao ka nilazanao tamin'izy ireo hoe: "Hanamaro ny taranakareo toy ny kintana eny an-danitra Aho, ary homeko ny taranakareo ny tany rehetra izay efa noresahako taminareo. Handova izany mandrakizay izy ireo.'" 14 Avy eo dia nilefitra tamin'ny famaizana izay nolazainy fa hampiariny amin'ny vahoakany i Yaveh. 15 Avy eo dia nitodika i Mosesy ary nidina avy any an-tendrombohitra, nitondra teny an-tanany ireo vato fisaka roa misy ireo lalàn'ny fanekena. Samy voasoratra ny andaniny roa amin'ilay vato, ny ao aloha sy ao aoriana. 16 Asan'Andriamanitra manokana ireo vato, ary sora-tanan'Andriamanitra manokana ny soratra voasokitra eo amin'ireo vato fisaka. 17 Rehefa ren'i Josoa ny tabataban'ireo vahoaka izay nihikiaka, dia hoy izy tamin'i Mosesy hoe: "Misy feon'ny ady ao amin'ny toby." 18 Fa hoy Mosesy hoe: "Tsy feon'ny mpandresy izany reko izany, ary tsy feon'ny olona resy, fa feon'olona mihira no reko." 19 Rehefa nanatona ilay toby Mosesy, dia nahita ilay zanak'omby sy vahoaka nandihy. Tezitra mafy izy. Natsipiny avy teny an-tanany ireo vato fisaka ary nopotehiny teny ambanin'ny tendrombohitra. 20 Nalainy ilay zanak'omby izay namboarin'ny vahoaka, nodorany, ary notorotoroiny ho vovoka, ka nafafiny tany amin'ny rano. Avy eo nampisotroiny ny vahoakan'Israely izany. 21 Dia hoy i Mosesy tamin'i Arona hoe: "Inona no nataon'ity vahoaka ity taminao, no dia nitondranao fahotana lehibe tahaka izao izy ireo?" 22 Fa hoy Arona hoe: "Aza avela hirehitra ny hatezeranao, ry tompoko. Fantatrao ireo vahoaka ireo, ny faharisihan'izy ireo hanao ratsy. 23 Hoy izy ireo tamiko hoe: 'Hanamboary andriamanitra hialoha lalana anay izahay. Fa raha ny amin'iny Mosesy iny, ilay lehilahy izay nitondra anay niakatra avy any amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.' 24 Ka hoy aho tamin'izy ireo hoe: 'Na iza na iza manana volamena, dia aoka izy hanala izany.' Nomen'izy ireo ahy ny volamena dia natsipiko tao anaty afo izany, ary avy amin'izany no nahazoana ity ombikely ity." 25 Hitan'i Mosesy fa nanao fitondran-tena tsy mendrika ireo vahoaka (satria navelan'i Arona hioha-pefy izy ireo, namela ireo fahavalon'izy ireo haneso azy ireo). 26 Avy eo Mosesy nijoro teo amin'ny fidirana mankao amin'ny toby ka nanao hoe: "Na iza na iza miaraka amin'i Yaveh, dia mankanesa ety amiko." Nitangorona nanodidina azy ireo Levita rehetra. 27 Hoy izy tamin'izy ireo hoe: "Yaveh, Andriamanitr'Israely, dia nilaza hoe: 'Aoka ny olona tsirairay hanao ny sabatrany ho eo am-balahany ary hivezivezy eo amin'ny isam-baravarana manerana ny toby, ka hamono ny rahalahiny, ny sakaizany ary ny namany aminy.'" 28 Nataon'ireo Levita izay nandidian'i Mosesy. Tamin'io andro io dia teo amin'ny telo arivo olona no maty. 29 Hoy Mosesy tamin'ireo Levita hoe: "Anio dia natao ho mpanompon'i Yaveh ianareo, satria namono ny zanany lahy sy ny rahalahiny ny tsirairay aminareo, mba hanomezan'i Yaveh fitahiana ho anareo anio." 30 Ny ampitson'iny dia hoy Mosesy tamin'ireo vahoaka hoe: "Nanao fahotana lehibe tokoa ianareo. Ankehitriny dia hiakatra ho any amin'i Yaveh aho. Angamba mety afaka mitondra fanavotana amin'ny fahotanareo aho." 31 Dia niverina tany amin'i Yaveh i Mosesy ka nanao hoe: "Indrisy! Nanao fahotana lehibe ireto vahoaka ireto ary nanamboatra sampy vita tamin'ny volamena ho an'ny tenan'izy ireo. 32 Nefa ankehitriny, avelao re ny fahotan'izy ireo; fa raha tsy izany, dia esory ao amin'ny boky izay nosoratanao ny anarako." 33 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Na iza na iza nanota tamiko, dia ho esoriko ao anatin'ny boky ny anaran'izany olona izany. 34 Koa mandehana ankehitriny, tariho ho any amin'ny toerana izay efa nolazaiko anao ny vahoaka. Indro, hialoha anao ny anjeliko. Fa amin'ny andro hamaizako azy ireo, dia ho faiziko nohon'ny fahotany izy ireo." 35 Avy eo Yaveh nandefa loza teo amin'ireo vahoaka satria izy ireo nanamboatra ilay ombikely, izay nataon'i Arona.