Toko faha 31

1 Hoy Yaveh tamin'ny Mosesy hoe: 2 ''Indro, nantsoiko tamin'ny anarany i Bezalela zanak'i Ori sy Ora, avy any amin'ny fokon'i Joda. 3 Nofenoiko tamin'ny fanahiko i Bezalela, mba hanomezako azy fahendrena, fahazavan-tsaina, ary fahalalana, ho an'ny karazana asa tanana rehetra, 4 mba ho famolavolàna ny kanto ary hiasana amin'ny volamena, volafotsy, ary varahana; 5 mba hanapaka sy hametra-bato ary hisokitra hazo ihany koa—mba hanao ireo karazana asa tanana rehetra. 6 Fanampin'izany ho azy, notendreko i Oliaba zanaka lahin' i Ahisamatsa, avy any amin'ny fokon'ny Dana. Nasiako fahaiza-manao ny tao am-pon'ny rehetra izay hendry mba hahafahan'izy ireo manao izay rehetra nandidiako anao. 7 Tafiditra amin'izany ny trano lay fihaonana, ny fiaran'ny fijoroana vavolombelona, ny sarim-panavotana teo ambony fiara, ary ny fanaky ny lay rehetra— 8 ny latabatra rehetra sy ireo fanaka, ny fanaovan-jiro madio miaraka amin'ireo fitaovany, ny alitaran'ny didin-kazo manitra, 9 ny alitaran'ny fanatitra dorana sy ny fitaovany rehetra, ary ny koveta lehibe mbamin'ny vodiny. 10 Voakasik'izany ihany koa ny akanjo voatenona manify—ireo akanjo masina ho an'i Arona mpisorona sy ny an'ireo zanany, voatokana ho Ahy mba hahafahan'izy ireo manompo ho mpisorona. 11 Voakasik'izany ihany koa ny menaka fanosorana sy didin-kazo manitra ho an'ny toerana masina. Ireo lehilahy mpanao asa tanana rehetra dia tsy maintsy hanao izany araka izay nandidiako anao. 12 Yaveh niresaka tamin'i Mosesy ary nanao hoe: 13 ''Lazao ireo Israelita hoe: 'Tsy maintsy hajainareo tokoa ny andro Sabatan'i Yaveh, fa izany no famatarana eo aminy sy ianareo manerana ireo taranaky ny vahoakanareo, amin'izay mba ho fantatrareo fa Izy ilay Yaveh, izay nanokana anareo ho Azy. 14 Noho izany dia tsy maintsy manaja ny Sabata ianareo, amin'izay dia tsy maintsy raisinareo ho masina izany, ary voatokana ho Azy izany. Ary izay mandoto izany dia tsy maintsy ho vonoina ho faty tokoa. 15 Na iza na iza miasa amin'ny andro Sabata, dia tsy maintsy ho esorina amin'ny vahokany tokoa izany olona izany. Hatao mandritra ny enina andro ny asa, fa amin'ny andro faha fito dia andro Sabata izay fitsaharana tanteraka, masina, natokana ho fanajana an'i Yaveh. Na iza na iza miasa amin'ny andro Sabata dia ho vonoina tokoa. 16 Noho izany ireo Israelita dia tsy maintsy manaja ny Sabata. Tsy maintsy mitandrina izany ho lalàna maharitra izy ireo manerana ny taranaky ny vahoakany. 17 Ny Sabata dia ho famantarana eo amn'i Yaveh sy ireo Israelita hatrany, nandritra ny enina andro no nanaovan'i Yaveh ny lanitra sy ny tany, ary tamin'ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ary naka aina."' 18 Rehefa avy niresaka tamin'i Mosesy Andriamanitra teo an-tendrombohitr'i Sinay, dia nomeny takelaka roan'ny didim-panekena izy, vita tamin'ny vato, voasoratra tamin'ny tanany ihany.