Toko faha 30

1 Manamboara alitara handorana ditin-kazo manitra. Ataovy amin'ny hazo akasia izany. 2 Tokony iray hakio ny halavany, ary iray hakio ny sakany. Tokony ho efa-joro izany, ary ny hahavony dia tokony ho roa hakio. Ary tokony hatao iray aminy ny tandrony. 3 Rakofy ditin-kazo manitra ny alitara miaraka amin'ny volamena madio—ny tampony, ireo sisiny, ary ireo tandrony. Asio sisim-bolamena ny manodidina azy. 4 Manaova mason-drojo volamena roa hafatotra aminy ao ambanin'ny sisiny amin'ireo sisiny roa mifanadrify aminy. Ilay mason-drojo dia tokony hitazona ireo bao mba hilanjana ilay alitara. 5 Manaova bao amin'ny hazo akasia, ary fonosy amin'ny volamena ireo. 6 Tokony apetrakao eo alohan'ny lamba izay akaiky ny fiaran'ny vavolombelona ny alitaran'ny ditin-kazo manitra. Izany ho eo alohan'ny saronam-panavotana izay eo amin'ny fiaran'ny vavolombelona, izay hihaonako aminareo. 7 Aoka handoro ditin-kazo manitra isa-maraina i Arona. Aoka rehefa mitazona ireo jiro no handoro izany izy, 8 ary handrehitra ny jiro indray i Arona amin'ny hariva mba hirehitra tsy tapaka eo anatrehan'i Yaveh ny ditin-kazo manitra, hatramin'ireo taranakao. 9 Fa aoka tsy hanolotra ditin-kazo manitra hafa eo amin'ny alitaran'ny ditin-kazo manitra ianao, na koa fanatitra dorana na fanatitra vary. Aza mandraraka fanatitra fisotro eo amin'izany ianao. 10 Aoka hanao fanavotana indray mandeha isan-taona eo amin'ireo tandroka ireo i Arona. Amin'ny alalan'ny ràn'ny fanatitra nohon'ny ota no hanaovany fanavotana indray mandeha isan-taona ho an'izany ho amin'ny taranakao fara-mandimby. Izany dia voatokana tanteraka ho an'i Yaveh." 11 Yaveh niteny tamin'ny Mosesy nanao hoe: 12 "Raha maka ny fanisana an'ireo Israelita ianao, dia tokony manome vidim-panavotana ny ainy ho an'i Yaveh avy ny olona tsirairay. Ataonao izany rehefa avy manisa azy ireo ianao, mba tsy hisian'ny areti-mandringana eo amin'izy ireo rehefa manisa azy ireo ianao. 13 Ireo olona rehetra izay voaisa ao amin'ny fanisam-bahoaka dia handoa antsasaky ny sekely volafotsy, araka ny lanjan'ny sekelin'ny fitoerana masina (ny sekely dia mitovy amin'ny gera roa-polo). Io antsasaka sekely io dia hatao ho fanatitra ho an'i Yaveh. 14 Ireo olona rehetra izay voaisa, hatramin'ny roa-polo taona miakatra, no tsy maintsy mandoa io fanatitra io ho Ahy. 15 Rehefa hanome izany fanatitra izany ho Ahy ny olona hanaovana fanavotana ny ain'izy ireo, dia tsy tokony handoa mihoatra ny antsasaka sekely ny manan-karena, ary ny mahantra tsy handoa latsaka. 16 Tokony handray izany vola fanavotana avy amin'ireo Israelita izany ianareo ary tokony hitondra izany amin'ny asa ao amin'ny trano lay fihaonana. Aoka ho fampatsiahivana ho an'ireo Israelita eo anatrehako izany, mba hanaovana fanavotana ho an'ny ainareo." 17 Yaveh niresaka tamin'ny Mosesy ary niteny hoe: 18 "Manaova koveta lehibe varahina ihany koa miaraka amin'ny tsanganam-barahina iray, kovetabe iray ho fisasana. Apetrakareo eo anelanelan'ny trano lay fihaonana sy ny alitara izany, ary asio rano ao anatiny. 19 Ary Arona sy ireo zanany lahy dia tokony hanasa ny tanany sy ny tongotr'izy ireo amin'ny rano ao anatiny izany. 20 Rehefa handeha ho ao amin'ny trano lay fihaonana izy ireo na rehefa handeha hanakaiky ny alitara mba hanompo Ahy amin'ny alalan'ny fandorana fanatitra, dia tsy maintsy misasa amin'ny rano izy ireo mba tsy ho faty. 21 Tsy maintsy manasa ny tanany sy ny tongony izy ireo mba tsy ho faty. Aoka ho lalàna maharitra ho an'ny Arona sy ireo taranany ary hatramin'ireo taranaka fara-mandimbin'izy ireo izany. 22 Niresaka tamin'ny Mosesy Yaveh niteny hoe: 23 "Raiso ireto zava-manitra tsara ireto: miora-mitete diman-jato sekely, kanelina manim-pofona 250 sekely, fary manim-pofona 250 sekely, 24 kasia diman-jato sekely, norefesina tamin'ny lanjan'ny sekely ny fitoerana masina, sy menaka oliva iray hina. 25 Manaova menaka fanosorana masina miaraka amin'ireo fangaro ireo, izay asan'ny mpangaroharo zava-manitra. Ho menaka fanosorana masina izany, voatokana ho Ahy. 26 Aoka hosoranao amin'io menaka io ny trano lay fihaonana, toy izany koa ny fiaran'ny vavolombelona, 27 ireo latabatra mbamin'ny fanaka rehetra eo amboniny, ny fitoeran-jiro ary ireo fitaovana, ary ny alitaran'ny ditin-kazo manitra, 28 ny alitaran'ireo fanatitra dorana mbamin'ny fitaovana rehetra, ary ny kovetabe miaraka amin'ny tongony. 29 Atokany ho Ahy ireo mba ho masina ho Ahy. Izay rehetra mikasika azy ireo ihany koa dia ho masina. 30 Aoka hosoranao i Arona sy ireo zanany lahy ka atokany ho Ahy izy ireo mba hanompo Ahy ho mpisorona. 31 Aoka ho lazainao amin'ireo Israelita hoe: 'Aoka ho menaka fanosorana voatokana ho an'i Yaveh ho an'ireo taranaky ny olona ity. 32 Tsy azo hosorana amin'ny hoditry ny olona izany, na manao menaka toy izany amin'ny raikipohy mitovy, satria izany dia voatokana ho an'i Yaveh. Fa tokony hijery izany amin'izany fombany izany ianao. 33 Na iza na iza manao ditin-kazo manitra toy izany, na na iza na iza manisy izany eo amin'ny olona, dia tsy maintsy hesorina hiala amin'ny fireneny izany olona izany.'" 34 Hoy Yaveh tamin'ny Mosesy: "Makà zava-manitra—natafa, sekeleta, ary lebona-zava-manitra mamy izay miaraka amin'ny ditin-kazo madio, ataovy mitovy fatra izany. 35 Ataovy ho toy ny ditin-kazo manitra izany, nafangaron'ny mpanao zava-manitra, miaraka amin'ny sira, madio ary voatokana. 36 Hotorotoroinao hifangaro tsara izany. Apetraho eo alohan'ny fiaran'ny vavolombelona izany, izay ao amin'ny trano lay fihaonana, izay hihaonako aminao. Ary ianareo dia handray izany ho toy ny masina indrindra ho Ahy. 37 Ny amin'ity ditin-kazo manitra izay hataonao ity, dia tsy tokony hanao raikipohy mitovy ho an'ny tenanao ianao. Tokony ho masina indrindra ho anao izany. 38 Na iza na iza manao zavatra tahaka izany hampiasana ho toy ny rano manitra dia tsy maintsy hesorina hiala amin'ny fireneny izany olona izany."