Toko faha 29

1 Ary izao no tsy maintsy ataonareo mba hanokananareo azy ireo ho ahy mba hanompoan'izy ireo Ahy ho mpisorona. Mangalà vantotr'ombilahy sy ondrilahy roa tsy misy kilema, 2 mofo tsy misy lalivay, ary mofomamy tsy misy lalivay nasiana menaka. Mangalà ihany koa mofo manify tsy misy lalivay voahoso-menaka. Manaova mofo manify amin'ny fampiasana ny lafarinina varim-bazaha. 3 Ataovy anaty harona iray ireo, ento anaty ny harona ireo, ary atolory miaraka amin'ilay vantontr'ombilahy sy ireo ondrilahy roa. 4 Tsy maintsy mitondra an'i Arona sy ireo zanany eo amin'ny fidirana amin'ny lay fihaonana ianareo. Tsy maintsy manasa an'i Arona sy ireo zanany amin'ny rano ianareo. 5 Tsy maintsy manala ireo akanjo ary mampitafy an'i Arona amin'ny akanjo lava, akanjo misy ny efoda, ny efoda, ary ny saron-tratra ianareo, mampiraikitra ny fehikibo vita amin'ny tenona-manify efoda manodidina azy. 6 Tsy maintsy mametraka ny satroka amin'ny lohany ary mametraka ny satro-boninahitra masina eo ambonin'ilay satroka. 7 Avy eo dia makà ny menaka fanosorana ary araraho eo amin'ny lohany, izany no fomba hanosorana azy. 8 Ianareo dia tsy maintsy mitondra ireo zanany ary mampiakanjo lava azy ireo. 9 Tsy maintsy mampiakanjo an'i Arona sy ireo zanany amin'ny saron-tratra ary mametraka fehiloha amin'izy ireo ianareo. Ho azy ireo amin'ny alalan'ny lalàna mandrakizay ny asa fisoronana. Amin'zany fomba izany dia tsy maintsy hanokana an'i Aarona sy ireo zanany mba hanompo Ahy ianareo. 10 Tsy maintsy hitondra ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'ny lay fihaonana ianareo rehetra, ary i Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mametraka ny tanan'izy ireo amin'ny lohan'izany. 11 Tsy maintsy mamono ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i Yaveh eo amin'ny fidirana amin'ny lay fihaonana ianareo. 12 Tsy maintsy maka ampahany amin'ny ràn'ny vantotr'ombilahy ianareo ary mametraka izany amin'ny rantsan-tananareo amin'ireo tandroky ny alitara, ary tsy maintsy mandraraka ny ambin'ny rà eo amin'ny fototry ny alitara. 13 Tsy maintsy esorinareo ny sabora rehetra izay mandrakotra ny ao anatiny, esory ihany koa ny sabora izay mandrakotra ny aty sy ireo voa roa; dory eo amin'ny alitara izany rehetra izany. 14 Fa ny nofon'ny vantotr'ombilahy kosa, ny hodiny sy ny tain-drorohany, dia tsy maintsy doranareo any ivelan'ny toby. Ho sorona nohon'ny fahotana izany. 15 Tsy maintsy maka ny ondry lahy ihany koa ianareo, ary i Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mametraka ny tanan'izy ireo eo amin'ny lohan'izany. 16 Tsy maintsy vonoinareo ny ondry lahy, ary maka ny ràny sy mamafy izany amin'ny sisin'ny alitara rehetra. 17 Tsy maintsy tetehinareo ilay ondrilahy ary sasainareo ny ao anatiny sy ny tongony, ary tsy maintsy apetrakareo, miaraka amin'ireo efa voatetika sy ny lohany, eo amin'ny alitarany tao anatiny. 18 Avy eo dory manontolo ilay ondry. Ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh izany, hanitra mamerovero, fanatitra natao tamin'ny afo ho an'i Yaveh. 19 Tsy maintsy maka ilay ondrilahy hafa ianareo avy eo, ary Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mametraka ny tanan'izy ireo eo amin'ny lohan'izany. 20 Ary tsy maintsy mamono ilay ondrilahy sy maka ampahany amin'ny ràny ianareo. Ataovy eo amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'i Arona izany, ary eo amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ireo zanany, eo amin'ny ankihiben'ny tanana ankavanan'izy ireo, sy eo amin'ny ankihiben-tongotra ankavanan'izy ireo. Avy eo dia tsy maintsy mamafy ny rà amin'ny sisin'ny alitara rehetra ianareo. 21 Tsy maintsy maka ampahany amin'ny rà izay eo amin'ny alitara sy ampahany amin'ny menaka fanosorana ianareo, ary mamafy izany rehetra izany amin'i Arona sy ny akanjony, amin'ireo zanany sy ny akanjon'izy ireo ihany koa. Dia ho voatokana ho Ahy i Arona, mbamin'ireo fitafiany, ireo zanany sy ireo fitafian'izy ireo. 22 Tsy maintsy esorinareo ny saboran'ilay ondrilahy, ny saboran'ny rambony, ny sabora izay mandrakotra ny ao anatiny, ny saboran'ny aty, ireo voa roa sy ny saboran'izany, ary ny fe ankavanana-satria io ondrilahy io dia ho an'ny mpisorona izay nohamasinina ho Ahy. 23 Mandraisa mofo iray, mofo iray misy menaka, ary mofo manify iray ao amin'ny harona izay misy ireo mofo tsy misy lalivay izay eo anatrehan'i Yaveh. 24 Tsy maintsy apetrakareo eo amin'ny tanan'i Arona sy ny tanan'ireo zanany izany ary ataovy mihevaheva eto anatrehako ireo mba ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Yaveh. 25 Tsy maintsy maka ny sakafo avy eo amin'ny tanan'izy ireo ianareo avy eo ary mandoro izany miaraka amin'ny fanatitra dorana eo amin'ny alitara. Hamoaka hanitra mamerovero izany; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Ahy izany. 26 Tsy maintsy maka ny tratran'ny ondrilahin'ny fanokanana an'i Arona ianareo ary manevaheva izany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Yaveh, ka ho anjaranareo izany. 27 Tsy maintsy atokanareo ho Ahy ny tratran'ny fanatitra izay nahevaheva, ary ny fe izay anjaran'ireo mpisorona—ny tratra izay nahevaheva sy ny fe izay anjaran'i Arona sy ireo zanany. 28 Ho didy mandrakizay ho an'i Arona sy ireo zanany izany. Ho fandraisana anjaran'ireo olon'Israely ny manome amin'ny fanati-pihavanana ho an'i Yaveh. 29 Ireo fitafiana masin'i Arona dia tsy maintsy voatokana ho an'ireo zanany mandimby azy. Izy ireo dia ho voahosotra ao amin'izy ireo ary voatokana ho Ahy ao amin'izy ireo. 30 Ny mpisorona izay mandimby azy eo amin'ireo zanany, izay tonga ao amin'ny lay fihaonana mba hanompo Ahy ao amin'ny toerana masina, dia tokony hanao ireo fitafiana ireo mandritra ny fito andro. 31 Tsy maintsy maka ny ondrilahy ho an'ny fametrahana ny mpisorona ho Ahy sy mahandro ny henan'izany ao amina toerana masina ianareo. 32 Arona sy ireo zanany dia tsy maintsy mihinana ny henan'ny ondrilahy sy ny mofo izay tao anatin'ny harona teo amin'ny fidirana mankao amin'ny lay fihaonana. 33 Izy ireo dia tsy maintsy mihinana ny hena sy ny mofo izay nomena mba hanonerana azy ireo sy hanokanana azy ireo, mba ho voatokana ho Ahy. Tsy misy olon-kafa tokony hihinana ny sakafo, satria izy ireo dia tsy maintsy manao izany tahaka ny hoe nohamasinina ho Ahy, natokana ho Ahy. 34 Raha misy ambiny amin'ny maraina ireo henan'ny fanatitra fanokanana, na izay mofo rehetra, dia tsy maintsy doranareo izany. Tsy azo hohanina intsony izany satria efa natokana ho Ahy. 35 Amin'izany fomba izany, amin'ny alalan'ny fanarahana izay rehetra nodidiako ho ataonareo, no tsy maintsy hitondranareo an'i Arona sy ireo zanany. Mandritra ny fito andro ireo no tsy maintsy homaninareo. 36 Isan'andro ianareo dia tsy maintsy manolotra ombilahy ho fanatitra nohon'ny fahotanareo mba ho fanavotana. Tsy maintsy manadio ny alitara amin'ny alalan'ny fanaovana fanavotana eo amin'izany ianareo, ary ianareo dia tsy maintsy manosotra izany mba hanokanana izany ho Ahy. 37 Mandritra ny fito andro dia tsy maintsy manao fanavotana eo amin'ny alitara sy manokana izany ho an'i Yaveh ianareo. Ka ho voatokana manontolo ho Ahy ny alitara. Izay rehetra mikasika ny alitara dia ho voatokana ho an'i Yaveh. 38 Tsy maintsy hatolotrareo eo amin'ny alitara isan'andro tsy tapaka ny zanak'ondry herintaona roa . 39 Ny zanak'ondry iray dia tsy maintsy atolotra amin'ny maraina, ary ny zanak'ondry iray hafa dia tsy maintsy atolotra eo ho eo amin'ny filentehan'ny masoandro. 40 Amin'ilay zanak'ondry voalohany, dia manolora koba manify impolon'ny efaha nafangaro tamin'ny diloilo ampahefatry ny hina avy amin'ny oliva nofihazina, ary divay ampahefatry ny hina mba ho zava-pisotro fanatitra. 41 Tsy maintsy manolotra ny zanak'ondry faharoa ianareo eo ho eo amin'ny fiposahan'ny masoandro. Ianareo dia tsy maintsy manolotra fanatitra hohanina tahaka tamin'ny maraina, sy zava-pisotro fanatitra. Hiteraka hanitra mamerovero ho Ahy ireo; ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Ahy izany. 42 Tsy maintsy fanatitra dorana tsy tapaka amin'ny taranakareo ireo, eo amin'ny fidirana ao amin'ny lay fihaonana eo anatrehan'i Yaveh, izay hihaonako aminao sy hiresahako aminao. 43 Any no hihaonako amin'ireo Israelita, ny lay dia ho atokana ho Ahy amin'ny alalan'ny voninahitro. 44 Hanokana ny lay fihaonana sy ny alitara ho an'ireo izay Ahy manokana aho. Hanokana an'i Arona sy ireo zanany mba hanompo Ahy ho ny mpisorona ihany koa Aho. 45 Hiaina eo amin'ireo Israelita Aho ary ho Andriamanitr'izy ireo. 46 Ho fantatr'izy ireo fa Izaho no Yaveh, Andriamanitr'izy ireo, izay nitondra azy ireo nivoaka ny tany Egypta mba hahafahako miaina eo amin'izy ireo. Izaho no Yaveh, Andriamanitr'izy ireo.