Toko faha 28

1 Antsoy ho eo aminao i Arona rahalahinao sy ireo zanany—dia i Nadaba, Abiho, Eleazara, ary Itamara—hiala eo amin'ireo Israelita mba hahafahan'izy ireo manompo Ahy ho mpisorona. 2 Tsy maintsy manamboatra akanjo voatokana ho Ahy, ho an'i Arona rahalahinao ianao. Ho voninahiny sy ho famirapiratana ho azy ireo akanjo ireo. 3 Tsy maintsy miteny amin'ireo olona izay hendry am-po, dia ireo izay nofenoiko ny Fanahin'ny fahendrena ianao, mba hahafahan'izy ireo manamboatra ny akanjon'i Arona hanokanana azy hanompo Ahy ho mpisoroko. 4 Ny akanjo izay tsy maintsy amboarin'izy ireo dia saron-tratra, efoda, akanjo lava, akanjo tenom-boaroy, hamama, ary fehin-kibo. Tsy maintsy manamboatrra ireo akanjo izay hanokanana azy ho Ahy izy ireo. Atao ho an'i Arona rahalahinao sy ireo zanany izany mba hanompoany Ahy ho mpisorona. 5 Tsy maintsy mampiasa rongony fotsy madinika izay volamena, manga, volomparasy, ary jaky mena ireo mpanao tao-zavatra. 6 Aoka izy ireo hanamboatra ny efoda amin'ny volamena, manga, volomparasy ary volon'ondry jaky, ary rongony fotsy madinika voatenona. Tsy maintsy asan'ny mpanao tao-zavatra za-draharaha izany. 7 Aoka hisy saron-tsoroka roa miraikitra eo amin'ireo sisiny ambony. 8 Ny fehin-kibo tenona madinika dia tsy maintsy hatao tahaka ilay efoda; tsy maintsy atao amin'ny ampahan-damba avy amin'ilay efoda, vita amin'ny rongony fotsy madinika izay volamena, manga, volomparasy ary jaky mena izany. 9 Aoka haka vato beryla roa ianao ka handrakitra ny anaran'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy eo amin'izany. 10 Ny enina amin'ny anaran'izy ireo dia tsy maintsy hatao eo amin'ny vato iray, ary ny enina hafa kosa dia eo amin'ny vato iray hafa, samy araka ny filaharan'ny nahaterahany avy. 11 Amin'ny asan'ny mpisokitra vato, tahaka ny sari-sokitra amin'ny tombokase, no tsy maintsy handraketanao ny anaran'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy eo amin'ireo vato anankiroa. Aoka hakambanao amin'ny randram-bolamena ireo vato ireo. 12 Aoka ho ataonao eo amin'ireo saron-tsoroka efoda ireo vato anankiroa, mba ho vato fampatsiahivana an'i Yaveh ny amin'ireo zanak'Israely. Arona no hitondra ny anaran'izy ireo eo an-tsorony eo anatrehan'i Yaveh ho fampatsiahivana Azy. 13 Manaova fitoerana vita amin'ny volamena 14 sy rojo volamena tsy mifangaro roa narandrana tahaka ny tady, ary hafatory eo amin'ireo fitoerana ireo rojo. 15 Manaova saron-tratra ho an'ny fanapahan-kevitra, asan'ny mpiasa za-draharaha, namboarina tahaka ny efoda. Amboary amin'ny volamena, manga, volomparasy ary volon'ondry jaky, sy amin'ny rongony fotsy madinika izany. 16 Tokony ho efa-joro izany. Haforeto roa ireo saron-tratra. Tokony ho iray njehiny ny halavany ary iray njehiny ny velarany. 17 Asio andalam-batosoa sarobidy efatra eo amin'izany. Ny andalana voalohany dia tsy maintsy misy karnelia, topaza, ary emeralda mena. 18 Ny andalana faharoa kosa dia tsy maintsy misy emeralda, safira, ary diamondra. 19 Ny andalana fahatelo dia tsy maintsy asiana opla, agata, ary ametysta. 20 Ny andalana fahefatra dia tsy maintsy misy beryla, sy krysolita ary jaspy. Tsy maintsy hampifanaingenana amin'ny randram-bolamena izany. 21 Halaharo araka ny anaran'ireo zanak'Israely roa ambin'ny folo lahy, samy araka ny anarany avy ireo vato. Tokony ho tahaka ny sari-sokitra eo amin'ny peratra fitomboka ireo, ary ny anarany tsirairay avy dia manambara ny iray amin'ireo foko roa ambin'ny folo. 22 Asio rojo volamena madio voarandrana tahaka ny tady, eo amin'ny saron-tratra. 23 Manamboara mason-drojo volamena roa ho an'ny saron-tratra ary apetao eo amin'ny zoron'ny saron-tratra anankiroa ireo. 24 Apetaho eo amin'ny zoron'ny saron-tratra roa ireo rojom-bolamena roa. 25 Hapetao eo amin'ireo fametraham-bato roa ny horin'ny rojo voarandrana. Avy eo apetaho eo amin'ireo saron-tsoroky ny efoda eo alohany izany. 26 Manamboara mason-drojo volamena roa, ary apetaho eo amin'ny zoron'ny saron-tratra roa hafa izany, eo amin'ny sisiny akaikin'ny zorony anatiny. 27 Manamboara mason-drojo volamena roa hafa ianao, hapetaho eo amin'ny farany ambanin'ireo saron-tsoroka roa eo alohan'ny efoda, manakaiky ny zaitra fikambanany eo ambonin'ny fehin-kibo voatenon'ny efoda izany. 28 Afatory eo amin'ny mason-drojony amin'ny mason-drojon'ny efoda, amin'ny alalan'ny kofehy manga ny saron-tratra, mba hiraiketan'izany eo ambonin'ny fehikibo vaotenon'ny efoda. Natao izany mba tsy hiongotra amin'ny efoda ny saron-tratra. 29 Rehefa mankao amin'ny fitoerana masina i Arona, dia tsy maintsy mitondra ny anaran'ireo vahoakan'Israely eo amin'ny fony ao amin'ny saron-tratra fanapahan-kevitra, mba ho fahatsiarovana maharitra eo anatrehan'i Yaveh. 30 Aoka apetrakao ao amin'ny saron-tratra fanapahan-kevitra ny Orima sy ny Tomima, mba ho eo amin'ny fon'i Arona izany rehefa miditra eo anatrehan'i Yaveh izy. Amin'izany i Arona dia hitondra ny fomba entina manapa-kevitra ho an'ny vahoakan'Israely eo am-pony lalandava eo anatrehan'i Yaveh. 31 Ataovy amin'ny lamba volomparasy tanteraka ny akanjo lavan'i efoda. Tsy maintsy misy fitsofohan'ny loha eo afovoan'izany. 32 Aoka hisy morony voatenona manodidina ny vozon'izany mba tsy hitriatra. Tsy maintsy anjaran'ny mpanenona izany asa izany. 33 Eo amin'ny moron-tongony, dia aoka asianao sarin'apongaben-danitra manga, volomparasy, ary jaky mena manodidina azy. Ireo lakolosin'Andriamanitra dia tsy maintsy mielanelana manodidina izany. 34 Tsy maintsy misy lakolosy volamena dia apongaben-danitra, lakolosy volamena dia apongamben-danitra—ary toy izany hatrany—manodidina ny moron-tongotry ny akanjo lava. 35 Tokony hanaovan'i Arona ilay akanjo lava rehefa manompo izy, mba ho re ny feon'izany rehefa miditra ao amin'ny fitoerana masina eo anatrehan'i Yaveh sy mivoaka izy. Natao izany mba tsy ho faty izy. 36 Manamboara takela-bolamena tsy mifangaro ka hanisy soratra eo amin'izany, tahaka ny soratra eo amin'ny tombokase hoe: "Masina ho an'i Yaveh." 37 Apetaho amin'ny kofehy manga eo anoloan'ny hamama io takela-bolamena io. 38 Aoka ho eo amin'ny tampon-kandrin'i Arona izany; tsy maintsy mitondra izay fahamelohana rehetra mety hiaraka amin'ny fanatitry ny fanomezana masina izay hatokan'ny Israelita ho an'i Yaveh hatrany izy. Aoka ho eo amin'ny tampon-kandriny lalandava ny hamama mba haneken'i Yaveh ny fanatitr'izy ireo. 39 Manamboara akanjo vita amin'ny rongony fotsy madinika ianao, ary manamboara hamama vita amin'ny rongony fotsy madinika. Aoka ihany koa ianao hanao fehin-kibo, izay anjara asan'ny mpanao peta-kofehy. 40 Ho an'ireo zanak'i Arona kosa dia tsy maintsy manamboatra fitafiana, fehin-kibo, ary fehiloha ianao ho voninahitra sy famirapiratan'izy ireo. 41 Aoka ampitafianao i Arona rahalahinao, mbamin'ireo zanany. Tsy maintsy manosotra azy ireo, manamasina azy ireo, ary manokana azy ireo ho Ahy ianao, mba hanompoan'izy ireo Ahy ho mpisorona. 42 Manamboara atin'akanjo vita amin'ny rongony ho azy ireo mba hanaronana ny nofo mitanjak'izy ireo, ary hanarona azy ireo manomboka avy eo amin'ny valahana ka hatreo amin'ny fe. 43 Tsy maintsy manao ireo akanjo ireo i Arona sy ireo zanany rehefa miditra ao amin'ny trano-lay fihaonana na rehefa manatona ny alitara mba hanompo ao amin'ny fitoerana masina. Tsy maintsy manao izany izy ireo mba tsy ho meloka, raha tsy izany izy ireo dia ho faty. Lalàna maharitra ho an'i Arona sy ireo taranaka mandimby azy izany.