Toko faha 25

1 Hoy i Yaveh tamin'i Mosesy hoe: 2 "Lazao ireo Israelita mba haka fanatitra ho Ahy avy amin'ny olona rehetra izay namporisihan'ny fony. Ary tsy maintsy raisinareo ho Ahy ireo fanatitra ireo. 3 Ireto avy ny fanatitra tsy maintsy raisinareo avy amin'izy ireo: volamena, volafotsy, ary varahina; 4 kofehy manga, volomparasy ary mena; rongony fotsy madinika; volon'osy, 5 hoditr'ondry lahy miloko mena sy hoditra lambon-driaka; hazo akasia; 6 diloilo ho an'ny fanaovan-jiro masina; zava-manitra ho an'ny diloilo fanosorana ary ditin-kazo manim-pofona; 7 vato beryla sy vato sarobidy hafa mba hatao amin'ny efoda sy amin'ny saron-tratra. 8 Aoka izy ireo hanamboatra fitoerana masina ho Ahy mba hahafahako miaina eo amin'izy ireo. 9 Tsy maintsy ataonareo araka izay ho asehoko anareo ao amin'ny drafitra ny tabernakely sy ireo fitaovana rehetra. 10 Asaivo manao fiara vita amin'ny hazo akasia izy ireo. Tsy mainsty roa hakiho sy tapany ny halavany; iray hakiho sy tapany ny sakany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavony. 11 Tsy maintsy saronanareo amin'ny volamena tsara ny ao anatiny sy ny ivelany, ary asio sisim-bolamena manodidina ny tampony. 12 Manefe mason-drojo volamena efatra hatao amin'izany, ary apetaho amin'ireo tongotra efatry ny fiara, mason-drojo roa amin'ny ilany, ary mason-drojo roa amin'ny ilany iray hafa. 13 Manaova bao vita amin'ny hazo akasia ary sarony volamena izany. 14 Ampidiro eo amin'ireo mason-drojo eo amin'ny sisin'ny fiara ireo bao, mba hilanjana ilay fiara. 15 Ireo bao dia tsy maintsy apetraka eo amin'ny mason-drojon'ny fiara; tsy azo esorina eo amin'izany ireo. 16 Apetraho ao amin'lay fiara ireo didin'ny fanekena izay homeko anareo. 17 Manaova sarom-panavotana vita amin'ny volamena madio. Roa hakiho sy tapany ny halavany, ary iray hakiho sy tapany ny sakany. 18 Manaova kerobima volamena voatefy roa ho eo amin'ny sakan'ilay sarom-panavoatana. 19 Manaova kerobima iray ho eo amin'ny sakan'ilay sarom-panavotana, ary kerobima iray hafa ho an'ny sakany iray hafa. Ataovy iray ihany amin'ilay sarom-panavotana ireo. 20 Ireo kerobima dia tsy maintsy mamelatra ny elatr'izy ireo miakatra ka manaloka ny sarom-panavotana amin'ireo. Tsy maintsy mifanatrika ireo kerombima ary mijery mankany afovoan'ilay sarom-panavotana. 21 Ataovy eo an-tampon'ilay fiara ny sarom-panavotana ary apetaho eo amin'ilay fiara ireo lalàn'ny fanekena izay omeko anao. 22 Ao amin'ilay fiara no hihaonako aminao. Eo ambonin'ilay sarom-panavotana no toerana hiresahako aminao. Eo anelanelan'ireo kerobima roa eo ambonin'ny fiaran'ny vavolombelona no hiresahako aminao mahakasika ireo didy rehetra izay homeko anao ho an'ireo Israelita. 23 Manaova latabatra vita amin'ny hazo akasia. Roa hakiho ny halavany; iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy tapany ny hahavony. 24 Sarony volamena madio izany ary rakofy volamena ny manodidina ny tampony. 25 Manaova rafitra iray vodivoam-pelatanana manodidina izany, ary asio sisim-bolamena ny rafitra manodidina. 26 Manamboara mason-drojo volamena efatra ho an'izany ary fatory eo amin'ny zorony efatra, izay misy ny tongony efatra. 27 Tsy maintsy fatorana amin'ilay rafitra ireo masondrojo mba hanomezana toerana ho an'ireo bao, mba hilanjana ilay latabatra. 28 Ataovy amin'ny hazo akasia ireo bao ary sarony amin'ny volamena izany mba hahafahana milanja ilay latabatra miaraka amin'ireo. 29 Ataovy ireo lovia, sotro, fitoeran-divay, ary lovia boribory mba ho ampiasaina hampidinana ireo zava-pisotro fanatitra. Ataovy amin'ny volamena madio izany. 30 Asio mofon'ny fanatrehana mandrakariva eo anoloako eo amin'ny latabatra. 31 Manaova fitoeran-jiro vita amin'ny volamena voatefy sy tsy mifangaro. Asio ny fototra sy ny tahony ilay fitoeran-jiro. Ataovy mitambatra ho iray ireo kapoakany, ireo kiboriny, ary ireo voninkazony. 32 Tsy maintsy misy sampany enina mivoaka avy amin'ny andaniny avy—tsy maintsy misy sampany telo mivoaka avy amin'ny andaniny iray, ary sampany telo amin'ilay fitoeran-jiro mivoaka avy amin'ny andaniny iray hafa. 33 Ny sampana voalohany dia tsy maintsy manana kapoaka telo natao tahaka ny amandy mamelana, miaraka amin'ny kibory sy voninkazo, ary kapoaka telo natao tahaka ny amandy mamelana amin'ny sampany iray hafa, miaraka amin'ny kibory sy voninkazo. Tsy maintsy mitovy ny sampana enina rehetra mivoaka amin'ilay fanaovan-jiro. 34 Amin'ilay fanaovan-jiro, eo afovoan'ny tahony, dia tsy maintsy misy kapoaka efatra natao tahaka ny amandy mamelana, miaraka amin'ireo kibory sy voninkazo. 35 Tsy maintsy misy kibory iray eo ambanin'ny sampany roa voalohany—akambana ho iray amin'izany, ary kibory iray eo ambanin'ireo sampana roa faharoa—nakambana ho iray amin'izany ihany koa. Mitovy amin'izany dia tsy maintsy misy kibory iray eo ambanin'ny sampana roa fahatelo, nakambana ho iray amin'izany. Tokony hitovy ireo sampana enina rehetra mivoaka amin'ny fanaovan-jiro. 36 Ny kibory sy sampan'izy ireo dia tsy maintsy mitambatra ho iray amin'izany, notefena tamin'ny volamena madio. 37 Tsy maintsy manao ilay fanaovan-jiro sy ireo jiro fito ao aminy ianareo, ka hametraka ireo jiro amin'ireo mba hanome hazavana avy amin'izany. 38 Ary ny hetin-jiro sy ireo fitoeran-davenon'ireo dia tsy maintsy atao amin'ny volamena madio. 39 Mampiasà volamena madio talenta iray mba hanamboarana ilay fanaovan-jiro sy ireo fitaovany. 40 Kendreo mba ho atao araka ny endrika izay hampisehoana anao any an-tendrombohitra izany.