1 Ary Yaveh niteny tamin'i Mosesy hoe: "Miakara aty amiko—ianao, Arona, Nadada, Abiho sy fito-polo amin'ny loholon'ny Israely, ary manompoa ahy eny lavitra eny. 2 Mosesy irery no afaka manakaiky Ahy. Aoka tsy hanakaiky ireo hafa, ary tsy mahazo miakatra miaraka aminy ny vahoaka. 3 Nandeha i Mosesy ary nilaza tamin'ireo vahoaka ireo teny sy ireo didin'i Yaveh rehetra. Ny vahoaka rehetra namaly azy tamin'ny feo iray ary niteny hoe: "Hataonay ireo teny rehetra izay nolazain'i Yaveh." 4 Ary mosesy nandray an-tsoratra ireo tenin'i Yaveh rehetra. Vao maraina, Mosesy dia nanorina alitara teo am-pototry ny tendrombohitra ary nandamina tsangam-bato roa ambin'ny folo, ireo vato dia mba hanehoana ireo foko roa ambin'ny folon'ny Israely. 5 Nandefa zatovo lahy Israelita maromaro izy hanolotra ny fanatitra dorana ary nanao sorona fanatitra omby ho an'i Yaveh ho fiombonana aminy. 6 Nalain'i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony tao anaty kovetabe izany; ary ny antsasany kosa nafafiny teo amin'ny alitara. 7 Nalainy ny bokin'ny fanekem-pihavanana ary novakiany mafy tamin'ireo vahoaka. Hoy izy ireo hoe: "Hataonay ireo rehetra izay nolazain'i Yaveh. Ho mpankatoa izahay." 8 Ary nalain'i Mosesy ny rà ka nafafiny teo amin'ny vahoaka. Hoy izy hoe: "Ity no ràn'ny fanekem-pihavanana izay nataon'i Yaveh taminareo amin'ny fanomezana izao fampanantenana miaraka amin'izao teny rehetra izao." 9 Dia niakatra ny tendrombohitra i Mosesy, Arona, Nadaba, Abiho, ary fito-polo tamin'ireo loholon'ny israely. 10 Nahita an'Andriamanitr'Israely izy ireo. Teo ambany tongony nisy rarivato vita avy amin'ny vato safira, ary nazava toy ny lanitra mihitsy izany. 11 Andriamanitra tsy naninjitra tanana tamim-pahatezerana tamin'ireo mpitarika ny Israelita. Nahita an'Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nitsotro. 12 Hoy Yaveh tamin'i Mosesy hoe: "Miakara eto amiko eto amin'ny tendrombohitra ka mitoera eto. Homeko anao ireo vato fisaka sy ny lalàna ary ireo didy izay efa nosoratako, mba hampianarinao azy ireo." 13 Ary Mosesy niainga niaraka tamin'i Josoa mpanampiny ary niakatra tany an-tendrombohitr'Andriamanitra. 14 Niteny tamin'ireo loholona Mosesy hoe: "Mijanòna eto ary miandrasa anay mandra-piverinay eto aminareo. Arona sy Hora dia miaraka aminareo. Raha misy olona manana fifandirana, avelao izy handeha any amin'izy ireo." 15 Dia nandeha niakatra an-tendrombohitra i Mosesy, ary ny rahona nanarona izany. 16 Ny voninahitr'i Yaveh nitoetra tamin'ny tendrombohitra Sinay, ary nanarona izany henemana ny rahona. Tamin'ny andro fahafito dia niantso an'i Mosesy avy tao anaty rahona Izy. 17 Ny fahitana ny voninahitr'i Yaveh dia toy ny afo mandevona ny tampon'ny tendrombohitra teo imason'ireo Israelita. 18 Niditra tao anatin'ny rahona i Mosesy ka niakatra tany an-tendrombohitra. Teny an-tendrombohitra nanditry ny efa-polo andro sy efa-polo alina izy.