1 Aza manome tatitra diso na momban'iza na momban'iza. Aza mikambana amin'ny olona ratsy fanahy mba ho vavolombelona tsy marina. 2 Aza manaraka ny maro hanao ratsy, na aza mety hijoro vavolombelona raha manaraka ny maro mba hamadika ny rariny. 3 Aza miangatra amin'ny mahantra any amin'ny fitsarana azy. 4 Raha hitanao mania ny ombin'ny fahavalonao na ny borikiny, haverenonao any aminy izany. 5 Raha hitanao lavo voatsindrin'ny entany amin'ny tany ny borikin'ny olona izay mankahala anao, aza mandao izany olona izany. Aoka hanampy azy amin'izany borikiny izany tokoa ianao. 6 Aza mamadika ny rariny raha tokony ho an'ny olona malahelo any amin'ny adin'ny malahelo izany. 7 Aza mikambana amin'ny fanaovana fiampangana lainga, ary aza mamono ny tsy manan-tsiny na ny olo-marina, fa tsy hanamarina ny ratsy fanahy Aho. 8 Aza mandray kolikoly, fa ny kolikoly mahajamba ireo izay mahiratra, ary mamily ny tenin'ny olo-marina. 9 Aza mampahory ny hafa firenena, satria fantatrao ny fiainan'ny vahiny, fa vahiny ianareo tany amin'ny tany Egypta. 10 Hamafy voa amin'ny tany ary hanangona ny vokatra avy aminy ianao mandritra ny enin-taona. 11 Fa amin'ny taona fahafito dia havelanao tsy hovolena sy hajanonao eo izany, mba hahafahan'ireo mahantra amin'ny vahoakanao hihinana. Ny sisan'izy ireo, dia hohanin'ireo bibidia. Hanao tahaka izany amin'ireo tanim-boalobokao sy ireo tanin'olivanao ianao. 12 Mandritry ny enina andro dia hanao ny asanao ianao, fa amin'ny andro fahafito dia tsy maintsy mitsahatra ianao. Ataovy izany mba hahafahan'ny ombinao sy ny borikinao mitsahatra, ary mba hahafahan'ny zanaka lahin'ny andevo vavinao sy ny vahiny mitsahatra sy maka aina. 13 Tandremo ireo zavatra rehetra izay voalazako anao. Aza manonona anaran'andriamanitra hafa, na hamela ny anaran'izy ireo ho heno avy amin'ny vavanao. 14 Tsy maintsy mandeha intelo isan-taona ianao hanao andro firavoravoana ho ahy. 15 Tandremonao ny andro Firavoravoana ho amin'ny mofo tsy misy masirasira. Araka ny nandidiako anao, hihinana mofo tsy misy masirasira ianao mandritra ny fito andro. Amin'izany fotoana izany, hiseho eo anatrehako ianao amin'ny volana Abiba, izay voatendry ho an'izany tanjona izany. Tamin'izany volana izany no nivoahanao avy tany Egypta. Nefa aza miseho eo anatrehako tanam-polo ianao. 16 Tandremonao ny andro firavoravoan'ny fijinjana, tamin'ny namafazanao voa voalohany tamin'ny tany. Tandremonao ihany koa ny andro firavoravoan'ny fampiakaram-bokatra amin'ny faran'ny taona, rehefa manangona ny vokatrao avy amin'ny tany ianao. 17 Ireo lahinao rehetra dia tsy maintsy miseho eo anatrehan'ny Tompo Yaveh intelo isan-taona 18 Aza manolotra ny rà avy amin'ireo sorona natao ho Ahy miaraka amin'ny mofo misy lalivay ianao. Aza avela hijanona mandritra ny alina hatramin'ny maraina ny jabora avy amin'ireo sorona tamin'ny andro firavoravoako. 19 Ny voaloham-bokatra voafantina indrindra avy amin'ny taninao dia tsy maintsy aterinao ao an-tranoko, dia tranon'i Yaveh Andriamanitrao. Aoka tsy hahandro ny zanak'osy amin'ny rononon-dreniny ianao. 20 Izaho handeha haniraka anjely eo alohanao mba hiaro anao eny an-dalana, ary mba hitondra anao any amin'ny toerana izay nomaniko. 21 Mihainoa azy ary ankatoavy izy. Aza mihantsy azy, fa tsy hamela ireo fahotanao izy. Ny anarako no ao aminy. 22 Raha mankatoa ny feony tokoa ianao ary manao ny zavatra rehetra izay lazaiko aminao, dia ho fahavalon'ireo fahavalonao Aho ary ho mpifanandrina amin'ireo mpifanandrina aminao. 23 Handeha eo alohanao ny anjeliko ary hitondra anao any amin'ireo Amorita, Hetita, Perisita, Kananita, Hivita, ary ireo Jebosita. Handringana azy ireo Aho. 24 Aza miankohoka amin'ny andriamanitr'izy ireo, manompo azy ireo, na manao izay hataon'izy ireo ianao. Fa kosa, tsy maintsy ravanao tanteraka ireo ary torotoroy ireo tsangam-baton'izy ireo. 25 Manompoa an'i Yaveh Andriamanitrao, dia hitahy ny mofonao sy ny ranonao Izy. Hesoriko aminao ny aretina. 26 Tsy hisy vehivavy ho momba na ho afa-jaza any amin'ny taninao. Homeko andro lava hiainana ianao. 27 Handefa ny tahotra ny tenako amin'ireo izay tany alehanao Aho. Hamono ireo olona rehetra izay mifanena aminao Aho. Hampiamboho ireo fahavalonao rehetra amin'ny tahotra Aho. 28 Handefa fanenitra ho eo anoloanao mba handroaka ireo Hivita, Kananita, ary Hetita tsy ho eo alohanao Aho. 29 Tsy handroaka azy ireo eo alohanao anatin'ny taona iray Aho, fandrao ho foana ny tany, ary ho maro loatra aminao ireo bibidia. 30 Fa kosa, horoahiko tsikelikely tsy ho eo anoloanao ireo mandra-pahatonga anao mamokatra ka handova ny tany. 31 Hataoko hatrany amin'ny ranomasina Mena ka hatrany amin'ny ranomasin'ny Filistina ny sisin-taninao, ary hatrany an'efitra ka hatrany amin'ny ony Eofrata. Izaho hanome anao fandresena amin'ny mponin'ny tany. Horoahinao eo anatrehanao izy ireo. 32 Aza manao fanekena amin'izy ireo na amin'ireo andriamaniny ianao. 33 Tsy mahazo mipetraka eo amin'ny taninao izy ireo, raha tsy izany izy ireo dia hampanota anao amiko. Raha manompo ireo andriamanitr'izy ireo ianao, dia hivadika ho fandrika ho anao tokoa izany.'"