1 Aoka hataonao amin'ny lamba folo vita amin'ny rongony fotsy madinika sy manga, volomparasy, ary volon'ondry jaky miaraka amin'ireo soratry ny kerobima ny tabernakely. Izany dia ho asan'ny mpanao asa tanana tena mahay. 2 Ny halavan'ny lamba tsirairay dia tsy maintsy roa ambin'ny folo hakiho, ny sakany efatra hakiho. Ny lamba rehetra dia tsy maintsy mitovy habe. 3 Tsy maintsy havitrana ny lamba dimy, ary ny lamba dimy hafa ihany koa dia tsy maintsy avitrana. 4 Manaova tadivavarana manga manaraka ny sisiny ivelan'ny rambon'ny lamba navitrana iray ianao. Toy izany koa, no tsy maintsy anaovanao mitovy manaraka ny sisiny ivelan'ny moron'ny lamba amin'ny vitrana faharoa. 5 Aoka hanao tadivavarana dimampolo eo amin'ny lamba voalohany ianao, ary manaova tadivavarana dimampolo eo amin'ny moron'ny lamba amin'ny vitrana faharoa. Ataovy izany mba hifanatrika ireo tadivavarana. 6 Manaova farango volamena dimampolo ianao ary akambano ireo lamba miaraka amin'ireo mba ho lasa iray ny tabernakely. 7 Aoka hanao lamba volon'osy ho lay manerana ny tabernakely ianao. Manaova iraika ambin'ny folo amin'ireo lamba ireo ianao. 8 Ny halavan'ny lamba tsirairay dia tsy maintsy telopolo hakiho, ary ny sakan'ny lamba tsirairay dia tsy maintsy efatra hakiho. Ny tsirairay amin'ireo lamba iraika ambin'ny folo dia tsy maintsy mitovy habe. 9 Manakambàna lamba dimy sy lamba enina hafa miaraka. Aforetonao ny lamba enina manoloana ny lay. 10 Manaova tadivavarana dimampolo eo amin'ny faran'ny lamba amin'ny vitrana iray, ary tadivavarana dimampolo eo amin'ny sisin'ny faran'ny lamba izay mikambana amin'ny vitrana faharoa. 11 Manaova farango varahina dimampolo ianao ary apetrahonao anatin'ny tadivavarana ireo. Dia anakambana ny lay miaraka ianao mba ho iray ihany izany. 12 Ny ambin'ny antsasaky ny lamba, izany hoe, ny ambin'ny ampahiny mihoatra amin'ireo lamban'ny lay, dia tsy maintsy ahantona ao an-damosin'ny tabernakely. 13 Tsy maintsy misy iray hakiho amin'ny lamba eo amin'ny andaniny, ary iray hakiho amin'ny lamba eo amin'ny ankilany—izay ambin'ny halavan'ny lain'ny lamba dia tsy maintsy ahantona amin'ireo lafin'ny tabernakely amin'ny andaniny sy amin'ny ankilany, mba handrakotra izany. 14 Manaova fandrakofana vita amin'ny hoditr'ondrilahy nolokoina mena ho an'ny tabernakely, ary fandrakofana iray hafa vita amin'ny hoditra tsara mba ho eo ambonin'izany. 15 Manaova zana-kazo mahitsy amin'ny hazo akasia ho an'ny tabernakely. 16 Ny halavan'ny zana-kazo tsirairay dia tsy maintsy folo hakiho, ary ny sakan'izany dia tsy maintsy iray sy sasany hakiho. 17 Tsy maintsy misy fihantonana hazo roa amin'ny zana-kazo tsirairay hanakambanana ireo zana-kazo. Hanao ireo zana-kazon'ny tabernakely rehetra toy izany ianao. 18 Rehefa manao ireo zana-kazo ho an'ny tabernakely ianao, dia manaova zana-kazo roapolo ho an'ny lafiny atsimo. 19 Manaova faladiany volafotsy efapolo ao ambanin'ireo zanakazo roapolo ianao. Tsy maintsy misy faladiany roa ambanin'ny zana-kazo voalohany mba ho faladia roan'izany, ary faladiany roa ihany koa ambanin'ireo zanakazo hafa tsirairay avy ho faladia roan'ireo. 20 Ho an'ny lafiny faharoan'ny tabernakely, ao amin'ny lafiny avaratra, manaova zana-kazo roapolo 21 sy ny faladia volafotsin'ireo efapolo ianao. Tsy maintsy misy faladiany roa ambanin'ny zana-kazo voalohany, faladiany roa ambanin'ny zana-kazo manaraka, ary dia toy izany hatrany. 22 Ho an'ny lafiny ambadiky ny tabernakely ao amin'ny lafiny andrefana, manaova zana-kazo enina ianao. 23 Manaova zana-kazo roa ho an'ny zoro an-damosin'ny tabernakely. 24 Ireo zana-kazo ireo dia tsy maintsy sarahina any amin'ny ambany, fa akambana any amin'ny tampony eo amin'ny mason-drojo iray ihany. Tsy maintsy toy izany ho an'ireo zoro roa ao an-damosina. 25 Tsy maintsy misy zana-kazo valo, miaraka amin'ireo faladiany volafotsy. Tsy maintsy misy fototra enina ambin'ny folo ny fitambarany, faladiany roa ambanin'ny zana-kazo voalohany, faladiany roa ambanin'ny zana-kazo manaraka, ary toy izany hatrany. 26 Manaova bara hazo Akasia ianao—dimy ho an'ireo zana-kazo amin'ny andanin'ny tabernakely, 27 bara dimy ho an'ireo zanakazo amin'ny ankilan'ny tabernakely, ary bara dimy ho an'ireo zana-kazo amin'ny lafiny an-damosin'ny tabernakely eo andrefana. 28 Ny bara eo afovoan'ireo zana-kazo, izay, antenantenany ambony, dia tsy maintsy mahatratra ny farany avy. 29 Rakofanao amin'ny volamena ireo zana-kazo. Ataonao ho volamena ny mason-drojon'ireo, mba hampiasaina ho fihazonana ny bara ireo, ary rakofanao amin'ny volamena ireo bara. 30 Manangana ny tabernakely amin'ny fanarahana ny drafitra naseho anao teny an-tendrombohitra. 31 Manaova lamba manga, volomparasy, ary volon'ondry jaky, sy rongony fotsy madinika, miaraka amin'ny soratra Kerobima, asan'ny mpiasa tena mahay. 32 Ahantony eo amin'ireo andry hazo akasia efatra voarakotra volamena izany. Ireo andry ireo dia tsy maintsy manana fihantonana volamena voapetaka eo amin'ireo faladiany volafotsy efatra. 33 Ahantony ambanin'ny farango ny lamba, ary ampidironao ao ny fiaran'ny vavolombelona. Ny lamba dia natao hanasaraka ny toerana masina amin'ny toerana masina indrindra. 34 Apetrahonao eo amin'ny fiaran'ny vavolombelona ny sarom-panavotana, izay ao amin'ny toerana masina indrindra. 35 Apetrahonao ivelan'ny lamba ny latabatra. Apetrahonao tandrifin'ny latabatra eo amin'ny lafiny atsimon'ny tabernakely ny fanaovan-jiro. Ny latabatra dia tsy maintsy ao amin'ny lafiny avaratra. 36 Manaova fefy lamba ho fidirana amin'ny lay ianao. Ataonao amin'ny manga, volomparasy, sy mena ary rongony fotsy madinika voatenona izany, izay asan'ny mpanao peta-kofehy. 37 Ho an'ny fefy lamba, manaova andry akasia dimy ary mandrakofa ireo amin'ny volamena. Ny farangon'ireo dia tsy maintsy volamena, mandrendreha faladiany varahina dimy ho an'ireo ianao.