Toko faha 9

1 Fa nieritreritra ny momba izany rehetra izany tato an-tsaiko aho mba hahatakarako momban'ny olo-marina sy ny olon-kendry ary ireo asan'izy ireo. Eo am-pelatanan'Andriamanitra avokoa izy rehetra. Tsy misy na iza na iza mahalala na ho fitiavana na ho fankahalana no ho avy amin'ny olona iray. 2 Mitovy ny lahatry ny tsirairay. Mitovy ny lahatra miandry ny olo-marina sy ny olona ratsy fanahy, ny tsara, [Fanamarihana: ireo dikan-teny sasany amin'izao fotoana izao dia mandika ny dikan-teny taloha izay manao hoe "ny tsara sy ny ratsy." Feno tanteraka ny fehezanteny, amin'izany. Ireo mpandika teny dia mety hanapa-kevitra ny haka tahaka ireo.] ny madio sy ny maloto, ary izay manao sorona sy izay tsy manao sorona. Ho faty ny olo-marina, dia ho tahaka izany ihany koa ny mpanota. Ho faty izay mianiana, dia ho tahaka izany ihany koa ny olona izay matahotra manao fianianana. 3 Misy lahatra ratsy ho an'ny zavatra rehetra izay atao eto ambany masoandro, lahatra iray ho an'ny tsirairay. Feno ratsy ny fon'olombelona, ary ao am-pon'izy ireo ny fahadalana raha mbola velona koa izy ireo. Koa aorian'izany dia mankany amin'ny maty izy ireo. 4 Fa na iza na iza miombona amin'ny velona rehetra, dia misy fanantenana, tahaka ny mahatsara kokoa ny amboa velona noho ny liona maty. [Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taty aoriana dia manao hoe: "Fa inona no tsara? Ho an'ny velona rehetra, dia izao no azo antoka: ny amboa velona dia tsara kokoa noho ny liona maty".] 5 Fa ny olombelona dia mahafantatra fa ho faty izy ireo, fa ny maty tsy mahafantatra na inona na inona. Tsy manana valisoa intsony izy ireo, satria efa adino ny fahatsiarovana azy ireo. 6 Ny fitiavana, ny fankahalana, ary ny fanirian'izy ireo dia efa nanjavona hatry ny ela. Tsy hanana toerana amin'ny zavatra rehetra izay atao ety ambany masoandro intsony izy ireo. 7 Mandehana amin'ny lalanao, hano am-pifaliana ny mofonao, ary sotroy amin'ny fo faly ny divainao, satria Andriamanitra dia manaiky ny fankalazana ireo asa tsara. 8 Aoka ho fotsy mandrakariva ny akanjonao ary aoka ho voahosotra amin'ny diloilo ny lohanao. 9 Miainà am-pifaliana miaraka amin'ny vady tianao amin'ny androm-piainanao rehetra mandalo foana, dia ireo andro izay nomen'Andriamanitra anao teny ambany masoandro mandritr'ireo andronao mandalo foana. Izany no valisoanao amin'ny fiainana noho ireo asanao teny ambany masoandro. 10 Na inona na inona hitan'ny tananao atao, dia hiasao amin'ny herinao izany satria tsy misy asa na fanazavana na fahalalana na fahendrena any amin'ny Fiainan-tsy hita, izay handehananao. 11 Efa nahita zavatra sasantsasany mahaliana teo ambany masoandro aho: Ny hazakazaka dia tsy an'ny olona haingam-pandeha. Ny ady dia tsy an'ny olona matanjaka. Ny mofo dia tsy an'ny olon-kendry. Ny harena dia tsy an'ny olon'ny fahazavan-tsaina. Ny sitraka dia tsy an'ny olon'ny fahalalana. Fa kosa, ny fotoana sy ny vintana dia miantraika amin'izy rehetra. 12 Fa tsy misy na iza na iza mahafantatra ny fotoana hahafatesany, tahaka ny hazan-drano izay tratra ao amin'ny haraton'ny fahafatesana, na tahaka ny vorona izay azon'ny fandrika. Tahaka ireo biby, ny olombelona dia gadra ao amin'ny fotoan-dratsy izay tonga tampoka amin'izy ireo. 13 Efa nahita fahendrena teo ambany masoandro ihany koa aho toy ny hoe lehibe tamiko izany. 14 Nisy tanàna kely iray izay vitsy olona tao aminy, ary nisy mpanjaka lehibe tonga nanao fahirano izany ary nanorina toerana fiakarana lehibe teo anilan'izany. 15 Ary nisy mahantra iray, lehilahy hendry hita tao amin'ilay tanàna, izay nanavotra ilay tanàna tamin'ny fahendreny. Nefa taty aoriana kely, dia tsy nisy nahatadidy io lehilahy mahantra io intsony. 16 Ka feheziko amin'ny hoe: "Tsara kokoa ny fahendrena noho ny tanjaka, kanefa natao tsinontsinona ny fahendren'ilay olo-mahantra, ary tsy re ireo teniny." 17 Ny teny malefaky ny hendry dia re tsara kokoa noho ny fitreron'izay mpanapaka eo amin'ny adala. 18 Ny fahendrena dia tsara kokoa noho ireo fitaovam-piadiana amin'ny ady, kanefa ny mpanota iray dia mety handrava tsara maro.