Toko faha 10

1 Toy ireo fatin-dalitra izay mahamaimbo ny zava-manitra, dia toy izany koa no ahafahan'ny fahadalana kely mandresy ny fahendrena sy ny fankatoavana. 2 Ny fon'ny olon-kendry dia mirona miankavanana, fa ny fon'ny adala mirona miankavia. 3 Rehefa mandeha midina eny an-dalana ny adala, dia tsy ampy saina izy, manamarina amin'ny olona rehetra fa adala izy. 4 Raha miakatra manohitra anao ny fihetseham-pon'ny mpanapaka, aza mandao ny asanao. Ny fitoniana dia afaka mampangina fahatezerana lehibe. 5 Fa misy ny ratsy izay hitako teo ambany masoandro, karazana hadisoana avy amin'ny mpanapaka: 6 Ireo adala dia nomena toeram-pitarihana, raha ireo olona mahomby nomena toerana ambany. 7 Nahita andevo nitaingin-tsovaly aho, ary ireo olona mahomby nandeha an-tongotra teny amin'ny tany tahaka ny andevo. 8 Izay rehetra mihady lavaka dia mety hianjera ao amin'izany, ary na oviana na oviana misy olona mandrodana manda dia mety ho kaikerin'ny bibilava izy. 9 Izay rehetra manapaka vato dia mety ho voaratran'izany, ary ny olona izay manapaka hazo dia tandindonin'izany izy. 10 Raha dombo ny lelan'ny vy, ary ny olona tsy mandranitra izany, dia tsy maintsy mampiasa ny heriny bebe kokoa izy, fa ny fahendrena dia manome tombony ho amin'ny fahombiazana. 11 Raha manaikitra mialohan'ny nanasina ody ny bibilava, dia tsy misy tombony ho an'ny mpanao ody. 12 Ireo tenin'ny vavan'ny olon-kendry dia hatsaram-panahy, fa ny molotry ny adala dia mitelina azy ihany. 13 Tahaka ny teny manomboka mikoriana avy eo am-bavan'ny adala, no hivoahan'ny fahadalana, ary amin'ny farany ny vavany dia hikoriana fahaverezan-tsaina ratsy. 14 Ny adala mampitombo teny, fa tsy misy mahafantatra izay ho avy. Iza no mahalala izay tamy avy ao aoriany? 15 Ny fisasaran'ny adala dia manavesatra azy ireo, ka tsy fantany akory na dia ny lalana makany an-tanan-dehibe aza. 16 Loza ho anao, ry tany, raha tovolahy no mpanjakanao, ary raha manomboka manao firavoravoana amin'ny maraina ireo mpitarika anao! 17 Fa sambatra ianao, ry tany, raha ny zanaka lahin'ireo mendri-kaja no mpanjakanao, ary mihinana amin'ny fotoany ireo mpitarika anao, ho tanjaka, fa tsy ho amin'ny hamamoana! 18 Fa nohon'ny hakamoana no mampilatsaka ny tafo, ary nohon'ny fahalainan'ny tanana no mampitete ny trano. 19 Manomana sakafo ho amin'ny fihomehezana ny olona, ny divay mitondra fankafizana fiainana, ary ny vola mameno ny filan-javatra rehetra. 20 Aza manozona ny mpanjaka, na dia ao an-tsainao aza, ary aza manozona ny olona manan-karena ao amin'ny efitra fandrianao. Fa ny voron'ny lanitra mety hitondra ireo teninao; izay rehetra manan'elatra dia afaka manaparitaka ny raharaha.