Toko faha 11

1 Alefaso eny ambonin'ny rano ny mofonao, fa ho hitanao indray izany afaka andro maromaro. 2 Zarao amin'ny olona fito izany, na dia olona valo aza, fa tsy fantatrareo izay hahatongavan'ireo loza amin'ny tany. 3 Raha feno ranon'orana ireo rahona, dia manafoana izany eny amin'ny tany ireny, ary raha mianjera mankany atsimo ny hazo iray na mankany avaratra, na aiza na aiza hianjeran'izany, dia eo no hitoeran'izany. 4 Mety tsy hamboly ny olona izay mijery ny rivotra, ary mety tsy hijinja ny olona izay mijery ireo rahona. 5 Toa anao izay tsy mahalala akory ny lalan'ny rivotra, na ny nitomboan'ny taolan'ny zaza tao an-kibon'ny bevohoka, [Fanamarihana: ireo dikan-teny sasany taty aoriana manao hoe: "Toa anao tsy mahalala akory ny lalan'ny fanahy mankany amin'ny taolan'ny zaza ao an-kibon'ny bevohoka"] toy izany koa ianao tsy afaka mahatakatra ny asan'Andriamanitra, izay namorona ny zava-drehetra. 6 Amboleo amin'ny maraina ireo voanao; hatramin'ny hariva, miasà amin'ireo tananao araka izay ilaina, fa tsy fantatrao izay mety hanambina, na maraina na hariva, na ity na iry, na samy ho tsara avokoa ny roa tonta. 7 Mamy tokoa ny mazava, ary zavatra mahafinaritra ny maso ny mahita ny masoandro. 8 Raha misy olona miaina an-taonany maro, aoka izy ho faly amin'ireny rehetra ireny, nefa aoka izy hisaina ny momban'ireo andron'ny aizina ho avy, fa ho maro ireny. Ny zava-drehetra hitranga dia entona manjavona. 9 Mifalia, ry zatovo, amin'ny fahatanoranao, ary aoka ny fonao ho faly amin'ny andron'ny fahatanoranao. Manaraha ny faniriana tsaran'ny fonao, sy izay rehetra eo amin'ny hitan'ny masonao. Kanefa, fantaro fa Andriamanitra hitondra anao eo amin'ny fitsarana ny amin'ireo zavatra rehetra ireo. 10 Alaviro amin'ny fonao ny hatezerana, ary aza miraharaha akory ny fanaintainana eo amin'ny vatanao, satria ny hatanorana sy ny heriny dia zava-poana.