Toko faha 12

1 Tsarovy ihany koa ny Mpahary anao amin'ny andron'ny fahatanoranao, mialohan'ny hiavian'ny andro sarotra, ary mialohan'ny hiavian'ny taona izay hitenenanao hoe: "tsy manana fankasitrahana ho azy ireo aho," 2 ataovy izany dieny mbola tsy hody aizina ny hazavan'ny masoandro sy ny volana ary ireo kintana, ary dieny mbola tsy miverina ny raho-mainty aorian'ny orana. 3 Amin'izany fotoana izany dia mangovitra ny mpiambina ny lapa, sy manjoko ny lehilahy mahery, ary mitsahatra ny vehivavy izay mitoto satria vitsy izy ireo, ary ireo izay mitazana eo am-baravaran-kely dia tsy mahita tsara intsony. 4 Amin'izany fotoana izany dia mirindrina ny varavaram-be eny amin'ny lalana, ary mijanona ny feon'ny fikosoham-bary, ho taitran'ny feom-borona ny lehilahy, ary malazo ny fihiran'ny feon'ny tovovavy. 5 Amin'izany fotoana izany dia manomboka matahotra ny hahavo sy ireo loza eny an-dalana ny lehilahy, ary mamelana ny hazo amygdala, sy miaraka mifampitarika ireo valala, ary tsy mandaitra ireo faniriana voajanahary. Mandeha any amin'ny tranony mandrakizay ny lehilahy ary midina an-dalambe ireo mpisaona. 6 Tsarovy ny Mpahary anao mialohan'ny hahatapahan'ny kofehy volafotsy, na hahavaky ny lovia volamena, na hahatorotoro ny siny amin'ny lohataona, na hahatapaka ny kodian-drano eo amin'ny lava-drano, 7 dieny mbola tsy miverina amin'ny tany izay nihaviany ny vovoka, ary ny fanahy miverina amin'Andiamanitra izay nanome izany. 8 "Ny enton-javona," hoy ny Mpitoriteny: "zava-poana dia zava-poana ny zavatra rehetra." 9 Ny Mpitoriteny dia hendry ary nampianatra fahalalana ny olona izy. Nianatra sy nandinika ary nandrindra ohabolana maro izy. 10 Ny Mpitoriteny dia nitady ny hanoratra fampiasana mazava tsara, teny mahitsin'ny fahamarinana. 11 Ireo tenin'ny olon-kendry dia tahaka ny tsindrona. Tahaka ireo fantsika tsara lentika ireo tenin'ireo tompo ao amin'ny fanangonan' ohabolan'izy ireo, izay nampianarin'ny mpiandry ondry iray. 12 Anaka, mahafantara zavatra bebe kokoa: ny fanamboarana boky maro, izay tsy misy fiafarany ary ny fianarana be dia mitondra faharerahana ho an'ny vatana. 13 Efa re ny fiafaran'ny raharaha aorian'ny zava-drehetra, dia tsy maintsy matahotra an'Andriamanitra ianao ary mitandrina ireo didiny, fa izany no andraikitra manontolon'ny olombelona. 14 Fa Andriamanitra hitondra ny asa rehetra ho amin'ny fitsarana, hatramin'ny zava-miafina rehetra, na tsara izany na ratsy.