Toko faha 8

1 Iza no olon-kendry? Iza no mahalala ny dikan'ireo zava-miseho eo amin'ny fiainana? Ny fahendrena eo amin'ny olona dia mahatonga ny tavany ho miramirana, ary miova ny hamafin'ny tavany. 2 Manoro hevitra anao aho mba hankatò ny didin'ny mpanjaka nohon'ny fianianan'Andriamanitra hiaro azy. 3 Aza malaina amin'ny fanatrehana azy, ary aza mifikitra amin'ny fanaovan-dratsy, satria ny mpanjaka manao izay rehetra iriany. 4 Manjaka ny tenin'ny mpanjaka, ka iza no hiteny aminy hoe: "Inona ity ataonao?" 5 Na iza na iza mitandrina ireo didin'ny mpanjaka dia misoroka hatezerana. Ny fon'olon-kendry dia manaiky ny lalana iombonana sy ny fotoanan'ny fihetsehana. 6 Misy valiny marina sy fotoana hamaliana ny zavatra rehetra, satria lehibe ireo olan'ny olona. 7 Tsy misy mahalala izay ho avy manaraka. Iza no afaka hilaza aminy izay ho avy? 8 Tsy misy mpanapaka amin'ny fofon'ainy ka hampijanona ny fofon'aina, [Fanamarihana: Ny dikan-teny sasany manao hoe: Tsy misy mpanapaka amin'ny rivotra ka hampijanona rivotra.] ary tsy misy manan-kery amin'ny andron'ny fahafatesany. Tsy misy afaka amin'ny tafika mandritry ny ady, ary ny faharatsiana dia tsy hamonjy ireo izay andevon'izany. 9 Nahafantatra izany rehetra izany aho; nampihatra ny foko tamin'ny asa tsara rehetra izay natao tety ambany masoandro aho. Misy ny fotoana izay ampahorian'ny olona ny hafa amin'ny ratran'izany olona izany. [Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taty aoriana manao hoe: "Ho an'ny ratrany ihany". Ny andalan-teny Hebreo dia azo adika amin'ireo roa ireo.] 10 Ka hitako ny ratsy fanahy nalevina am-pahibemaso. Nalaina tamin'ny faritra masina izy ireo ka nalevina ary noderain'ireo mponina tao amin'ny tanàna izay nanaovan'izy ireo ny asa ratsiny. Izany koa dia tsy misy dikany. [Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany taty aoriana dia manana fandikana hafa koa amin'io andininy sarotra io: "Nahita ny olona ratsy fanahy tonga sy lasa ho eo amin'ny fitoerana masina aho. Niteny tamim-pireharehana teo amin'ny tanàna momba ireo zavatra efa nataony izy ireo, izany ihany koa dia tsy misy dikany." Ireo dikan-teny hafa manao hoe: "Nahita ireo olona ratsy fanahy tonga sy lasa ho eo amin'ny toerana masina aho. Noderaina teo an-tanàna izy ireo tamin'ireo zavatra vitany. Izany ihany koa dia tsy misy dikany.] 11 Raha tsy tanteraka faingana ny didim-pitsarana hanohitra ny heloka bevava ratsy, dia mitaona ireo fon'olombelona hanao ratsy izany. 12 Na dia manao ratsy in-jato aza ny mpanota ary mbola velona mandritry ny fotoana maharitra, dia fantatro fa tsara ho an'ireo izay manaja an'Andriamanitra, izay manome voninahitra ny fanatrehany miaraka amin'izy ireo izany. 13 Fa tsy ho tsara ho an'ny olona ratsy fanahy izany; tsy haharitra ny fiainany. Ireo androny dia toy ny aloka mihelina satria tsy manome voninahitra an'Andriamanitra izy. 14 Mbola misy zava-poana hafa—zavatra hafa vita tety ambonin'ny tany. Ireo zavatra mitranga amin'ny olo-marina dia tahaka ny fitrangan'ireo amin'ny olona ratsy fanahy, ary tahaka ny itrangan'ireo zavatra amin'ny ratsy fanahy no itrangan'izany amin'ny olo-marina. Hoy aho hoe zava-poana ihany koa izany. 15 Koa mitaky ny hafaliana aho, satria tsy misy zavatra tsara azon'ny olona eny ambany masoandro noho ny mihinana sy misotro ary mifaly. Dia ny hafaliana no hanaraka azy any amin'ny asany amin'ny androm-piainany rehetra izay nomen'Andriamanitra azy ambany masoandro. 16 Raha nanefy ny foko hahalala ny fahendrena aho sy hahafantatra ny asa izay atao eto ambonin'ny tany, dia vita tsy amin-torimaso amin'ny alina na amin'ny atoandro matetika ny asa, 17 dia nandinika ireo asan'Andriamanitra rehetra aho, ary ny olona dia tsy afaka ny hahatakatra ny asa izay vita teto ambanin'ny masoandro. Na ahoana na ahoana ny hamaroan'ny asan'ny olona mba hahita ireo valiny, dia tsy hahita izany izy ireo. Na izany aza ny olon-kendry dia mety hino fa mahalala izy, nefa tsy dia tena mahalala akory.