Toko faha 7

1 Ny laza tsara dia tsara kokoa noho ny ranomanitra lafo vidy, ary ny andro hahafatesana dia tsara kokoa noho ny andro hahaterahana. 2 Tsara kokoa ny mandeha any amin'ny trano fisaonana noho ny any amin'ny trano firavoravoana, satria ny fisaonana dia tonga amin'ny olona rehetra amin'ny faran'ny fiainana, ka tokony raisin'ny olona velona am-po izany. 3 Ny alahelo dia tsara kokoa noho ny tsiky, fa aorian'ny endrika malahelo no hiavian'ny hafalian'ny fo. 4 Ny fon'ny hendry dia ao an-trano fisaonana, fa ny fon'ny adala kosa ao an-trano firavoravoana. 5 Tsara kokoa ny mihaino ny teny mafin'ny hendry noho ny mihaino ny hiran'ireo adala. 6 Fa tahaka ny fikarepok'ireo tandroka mirehitra ambany vilany, dia toy izany koa ny fihomehin'ireo adala. Izany, ihany koa, dia zava-poana. 7 Ny fangalana an-keriny dia azo antoka fa mahalasa adala ny hendry, ary ny kolikoly manimba ny fo. 8 Tsara kokoa ny fiafaran'ny raharaha iray noho ny fiandohany; ary ny olona maharitra am-panahy dia tsara kokoa noho ny mirehareha am-panahy. 9 Aza mora tezitra ny fanahinao, satria ny hatezerena dia mitoetra ao am-pon'ireo adala. 10 Aza miteny hoe: "Nahoana ireo andro fahiny no tsara kokoa noho ireto?" Fa izany dia tsy noho ny fahendrena raha manontany io fanontaniana io ianao. 11 Ny fahendrena dia tsara noho ireo zavatra manan-danja izay nolovaintsika avy tamin'ireo razambetsika. Izany dia mitondra tombon-tsoa ho an'ireo izay mahita ny masoandro. 12 Fa ny fahendrena dia mitondra fiarovana toy ny vola izay afaka mitondra fiarovana, saingy ny tombon-tsoan'ny fahalalana dia ny hoe manome fiainana ho an'izay manana azy ny fahendrena. 13 Saino ireo asan'Andriamanitra: Iza no afaka hanitsy ny zavatra rehetra nomelohany? 14 Rehefa tsara ny andro, dia miainà amim-pifaliana amin'izany hatsarana izany, fa rehefa ratsy ny andro, dia saino ny momba ity: Andriamanitra dia efa namela azy roa hiaraka. Noho izany antony izany, dia tsy misy mahita ny zavatra rehetra izay mitranga aoriany. 15 Efa nahita zavatra maro aho nandritr'ireo andro keliko. Misy ireo olo-marina izay levona na dia eo aza ny fahamarinan'izy ireo, ary misy ireo olona ratsy fanahy izay ela velona na dia eo aza ny haratsian'izy ireo. 16 Aza manamarin-tena, hendry eo imasonao. Nahoana no tokony hanimba ny tenanao ianao? 17 Aza dia ratsy fanahy na miadaladala loatra. Nahoana ianao no tokony ho faty mialohan'ny fotoanao? 18 Tsara raha mihazona io fahendrena io ianao, ary tsy tokony hamela ny fahamarinana handeha. Fa ny olona izay matahotra an'Andriamanitra dia hahita ireo adidiny rehetra. [Fanamarihana: Raha tokony hoe "hahita ireo adidiny rehetra", misy amin'ireo dika-teny taty aoriana sasany manana fandikana hafa an'ity andalan-tsoratra sarotra ity.] 19 Mahery ny fahendrena ao amin'ny olo-kendry, mihoatra noho ny mpanapaka folo ao amin'ny tanàna iray. 20 Tsy misy olo-marina manao soa sy tsy mbola nanota izany mihitsy eto an-tany. 21 Aza mihaino ny teny rehetra izay voalaza, satria mety handre ny mpanomponao hanozona anao ianao. 22 Toy izany koa, ianao dia mahafantatra fa efa nanozona matetika ny hafa tao am-ponao manokana ianao. 23 Ireo rehetra ireo dia efa voaporofoko tamin'ny fahendrena. Hoy aho hoe: "Ho hendry aho," saingy nihoatra ny tokony ho izy izany. 24 Ny fahendrena dia lavitra sy lalina. Iza no afaka hahita izany? 25 Nanova ny foko mba hianatra sy handinika ary hitady ny fahendrena sy ireo fanazavana ny zava-misy aho, ary hahatakatra fa adala ny ratsy ary ny hadalana dia fahaverezan-tsaina. 26 Hitako fa mangidy kokoa noho ny fahafatesana ny vehivavy izay feno fandrika sy harato ny fony, ary misy rojo vy ny tanany. Na iza na iza mankasitraka an'Andriamanitra dia ho afaka aminy, fa ireo mpanota kosa ho lasany. 27 "Saino izay efa hitako," hoy ny Mpitoriteny. "Nanampy vokam-pikarohana iray tamin'ny hafa aho mba hahita fanazavana ny zava-misy. 28 Izany no mbola karohiko, saingy tsy hitako izany. Tsy nahita olo-marina iray teo amin'ny arivo aho, ary tsy nahita vehivavy iray teo amin'ireo rehetra ireo aho. 29 Ity ihany no efa hitako: fa Andriamanitra dia namorona ny olombelona ho mahitsy, saingy nandeha nitady fahasahiranana maro izy ireo."