Toko faha 4

1 Nandinika indray mandeha momban'ny fahoriana rehetra izay vita teo ambany masoandro aho. Ary indro, ny ranomason'ny olona nampahoriana, ary izy ireo dia tsy nanana na iza na iza mba hampionona azy! Teo an-tanan'ny mpampahory azy ireo ny hery, ary tsy nisy na iray aza hampionona azy ireo! 2 Noho izany dia miarahaba ny olona maty aho, ireo izay efa maty, fa tsy ny miaina, ireo izay mbola velona. 3 Kanefa, sambatra noho izy roa tonta ny olona izay tsy mbola nohariana, izay tsy mbola nahita ny asa ratsy rehetra izay vita teo ambany masoandro. 4 Ary itako fa ny asa tsirairay sy ny fahaiza-manao tsirairay dia lasa fitsiriritan'ny mpiara-monina hafa. Izany ihany koa dia entona sy fikasana hanohitra ny rivotra. 5 Ny adala mamoritra ny tanany ary tsy miasa, ka dia ny nofony ihany no sakafony. 6 Fa tsara kokoa ny tombony iray tanana amin'ny asa mangina noho ny roa tanana amin'ny asa izay miezaka ny manohitra rivotra. 7 Avy eo dia nandinika momban'ny zava-poana maro indray aho, fifanjavoana zavona maro teo ambany masoandro. 8 Misy ny karazan-dehilahy izay mitoetra irery. Tsy manana na iza na iza izy, na zanaka lahy na rahalahy. Tsy misy fiafarana ny asany, ary ny masony tsy mba afa-po amin'ny harena azo. Nanontany tena izy hoe: "Ho amin'iza no hiasako mafy ary handàvan'ny tenako ny fifaliana?" Zava-poana ihany koa izany, toe-javatra ratsy. 9 Tsara kokoa ny olona roa miasa noho ny iray; raha miaraka izy ireo dia afaka mahazo karama tsara ho an'ny asany. 10 Fa raha lavo ny iray, dia afaka manarina ny namany ilay iray hafa. Kanefa, ny alahelo dia manaraka ilay iray izay irery rehefa lavo izy ka tsy misy na iray aza manarina azy. 11 Raha roa no miara-mandry, dia mety hafana izy ireo, saingy ahoana no hampafana irery ny iray? 12 Ny lehilahy irery no mety resy, fa ny roa mety afaka manohitra fanafihana, ary ny kofehy telo tsy ho mora tapahina. 13 Tsara kokoa ny mahantra fa tanora hendry toy izay mpanjaka antitra adala izay tsy mahafantatra intsony ny fomba ihainoana fampitandremana. 14 Marina izany na dia lasa mpanjaka aza ny tovolahy iray avy any am-ponja, na dia mbola nateraka hahantra ao amin'ny fanjakany aza izy. 15 Kanefa, izaho dia nahita ny olona rehetra izay velona sy mandeha ambanin'ny masoandro mandefa ny tenan'izy ireo mankany amin'ny tovolahy hafa izay nitsangana tahaka ny mpanjaka. 16 Tsy misy fiafarana ho an'ny olona rehetra izay maniry ny hankatò ny mpanjaka vaovao, fa aoriana kely dia maro amin'izy ireo no tsy hidera azy intsony. Entona tokoa izany toe-javatra izany ary fikasana hanohitra ny rivotra.