1 Fa ny zava-drehetra dia efa voatondro amin'ny fotoany, ary ny vanim-potoana ho amin'ny tanjona tsirairay ambany lanitra. 2 Misy fotoana ahaterahana ary fotoana ahafatesana, fotoana hambolena ary fotoana hamokarana, 3 fotoana hamonoana ary fotoana hanasitranana, fotoana handravana ary fotoana hananganana. 4 Misy fotoana hitomaniana ary fotoana hihomehezana, fotoana hisaonana ary fotoana handihizana, 5 fotoana hanariam-bato ary fotoana hanangonam-bato, fotoana hamihinana olon-kafa, ary fotoana handrarana ny famihinana. 6 Misy fotoana hitadiavan-javatra ary fotoana hitsaharana mitady, fotoana hifikirana amin-javatra ary fotoana hanariana izany, 7 fotoana handrovitana ary fotoana hanjairana, fotoana hanginana ary fotoana hitenenana. 8 Misy fotoana hitiavana ary fotoana hankahalana, fotoana hiadiana ary fotoana hihavanana. 9 Inona no tombony azon'ny mpiasa amin'ny asany? 10 Efa hitako ny asa izay nomen'Andriamanitra ho tanterahan'ny olombelona. 11 Efa nanao ny zava-drehetra hifanaraka amin'ny fotoany Andriamanitra. Efa nampitoetra ny mandrakizay tao am-pon'ireo ihany koa Izy. Nefa tsy afaka hahatakatra ny asa lehibe izay nataon'Andriamanitra ny olombelona, hatramin'ny fiatombohany ka hatramin'ny fiafarany. 12 Fantatro fa tsy misy zavatra tsara ho an'ny olona noho ny mifaly sy manao zava-tsoa hatrany raha mbola velona koa izy— 13 ary ny olon-drehetra dia tokony hihinana sy hisotro, ary tokony hahay hifaly amin'ny tsara izay avy amin'ny asany rehetra. Fanomezana avy amin'Andriamanitra izany. 14 Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia maharitra mandrakizay. Tsy afaka ampiana izany na analana, satria Andriamanitra no efa nanao izany mba anatonan'ny olona Azy amin'ny voninahitra. 15 Izay rehetra misy dia efa nisy, izay rehetra hisy dia efa nisy. Andriamanitra dia nanao ny olombelona hitady ireo zava-miafina. [Fanamarihana: Raha tokony hoe: "Andriamanitra dia nanao ny olombelona hitady ireo zava-miafina", ireo dikan-teny vaovao hafa mandika io an-dalana io amin'ny fomba maro samihafa.] 16 Efa nahita ny faharatsiana izay ety ambany masoandro aho, izay tokony hisy ny rariny, ary eo amin'ny toeran'ny fahamarinana, dia ny faharatsiana no tao. 17 Hoy aho anakampo hoe: "Ho tsarain'Andriamanitra amin'ny fotoany ny olo-marina sy ny ratsy fanahy ny amin'ny raharaha sy ny asany rehetra." 18 Hoy aho anakampo hoe: "Mizaha toetra ny olombelona Andriamanitra mba hanehoana azy ireo fa tahaka ny biby izy ireo." 19 Fa amin'izy ireo dia sahala ny manjo ny zanak'olombelona sy ny manjo ny biby. Ny fahafatesan'ny iray dia tahaka ny fahafatesan'ny iray hafa. Mitovy ny fofon'ain'izy rehetra. Tsy misy tombony ho an'ny olombelona eo amin'ny biby. Fa moa ve tsy fofon'aina fotsiny ihany ny zava-drehetra? 20 Ny zava-drehetra dia samy mizotra amin'ny toerana iray. Ny zava-drehetra dia avy amin'ny vovoka, ary ny zava-drehetra dia hody vovoka. 21 Iza no mahalala na miakatra any ambony ny fanahin'ny olombelona ary midina any amin'ny tany ny fanahin'ny biby? [Fanamarihana: Ireo dikan-teny sasany vaovao manao hoe: "Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, izay miakatra any ambony, ary ny fanahin'ny biby, izay midina any amin'ny tany?"] 22 Ka dia tsapako indray fa tsy misy zavatra tsara ho an'ny olona noho ny mifaly amin'ny asany, fa izany no asa nanendrena azy. Iza no afaka hitondra azy miverina mba hijery izay mitranga aoriany?