1 Hoy aho anakampo hoe: "Manatòna izao, hitsapa anao amin'ny hafaliana aho. Ka tiava fahafinaretana." 2 Fa indro, tsio-drivotra mandalo ihany izany. Hoy aho tamin'ny fihomehezana hoe: "Fahadalana izany," ary tamin'ny fahafinaretana hoe: "Inona no ilàna izany?" 3 Nizaha ny tao am-poko aho hoe ahoana no hahitako fahafinaretana amin'ny divay. Avelako tarihin'ny saiko amin'ny fahendrena aho na dia mbola voatazona tamin'ny hadalana ihany aza aho. Te hahita izay tsara ho an'ny olona mba hatao ety ambanin'ny lanitra aho mandritr'ireo andro hiainany. 4 Nanatanteraka zavatra lehibe aho. Nanangana trano ho ahy aho ary namboly teo amin'ireo tanim-boaloboka. 5 Nanangana zaridaina sy saha ho an'ny tenako aho; namboly ireo karazan-kazo rehetra fihinam-boa teo amin'izany aho. 6 Namorona farihin-drano mba hamatsiana rano ireo ala izay nitomboan'ireo hazo aho. 7 Novidiko ireo andevo lahy sy ireo andevo vavy; nanana andevo teraka tao an-dapako aho. Nanana omby maro sy ondry aman'osy ho biby fiompy ihany koa aho, betsaka mihoatra noho ny an'ireo mpanjaka izay nanapaka teo alohako tao Jerosalema. 8 Nanangona volafotsy sy volamena, ny haren'ireo mpanjaka sy ireo faritany ho an'ny tenako ihany koa aho. Nanana mpihira lahy sy vavy ho an'ny tenako manokana aho— ireo fahafinaretan'ny zanak'olombelona—ary vaditsindrano maro. [Fanamarihana: Ireo dikan-teny taty aoriana nandika ny tapany farany amin'ity andininy ity tamin'ny fomba samihafa: "ireo zavatra rehetra izay tian'ny olona." "ireo vaditsindrano sy ireo izay rehetra nahafinaritra ireo lehilahy". sns] 9 Dia lasa lehibe sy mpanakarena mihoatra noho ireo rehetra izay teo alohako tao Jerosalema aho, ary ny fahendreko nitoetra tamiko. 10 Na inona na inona nirian'ny masoko, dia tsy nohazoniko tamin'izy ireo. Tsy nihazona ny foko tamin'ny fahafinaretana rehetra ny aho, satria ny foko dia nifaly tamin'ny asako rehetra ary ny fahafinaretana no valisoako tamin'ny asako rehetra. 11 Dia nijery ireo asa rehetra vitan'ny tanako aho, sy ireo fisasarana izay nataoko, fa ny zava-drehetra dia entona sy fikasana hanohitra ny rivotra indray. Tsy nisy tombon-tsoa tamin'izany tety ambanin'ny masoandro. 12 Avy eo dia nitodika aho mba hihevitra ny fahendrena, ary koa ny fahaverezan-tsaina sy ny fahadalana. Fa inona no azon'ny mpanjaka ho avy handimby ny mpanjaka atao, izay tsy mbola tanteraka? 13 Dia nanomboka nihanazava ny saiko fa ny fahendrena dia ahazoana tombony kokoa noho ny fahadalana, tahaka ny fahazavana tsara kokoa noho ny aizina. 14 Ny olon-kendry dia mampiasa ny masony eo amin'ny lohany mba hijerena ny lalan-kalehany, fa ny adala dia mandeha amin'ny maizina, na dia fantatro aza fa lahatra mitovy ihany no ho an'ny olon-drehetra. 15 Dia hoy aho tao am-poko hoe: "Izay manjo ny adala, dia hanjo ahy ihany koa. Koa inona no maha-samihafa izany raha ho tena hendry aho?" Dia nofeheziko tao am-poko hoe: "Ity koa dia entona fotsiny ihany." 16 Fa ny olon-kendry, tahaka ny adala, dia tsy ho tsaroina ela akory. Ho avy ny andro izay hanadinoina ny zava-drehetra. Ny olon-kendry dia maty tahaka ny mahafaty ny adala. 17 Ka dia nankahala ny fiainana aho satria ireo asa rehetra izay vita teo ambany masoandro dia ratsy tamiko. Izany dia satria ny zava-drehetra dia entona sy fikasana hanohitra ny rivotra. 18 Halako avokoa ireo fisasarako rehetra izay niasako teny ambany masoandro satria dia tsy maintsy mamela ireny any aoriana ho an'izay lehilahy ho avy manaraka ahy aho. 19 Fa iza no mahalala na ho olo-kendry izy na ho adala? Nefa izy dia ho tompo eran'ny zava-drehetra ambany masoandro izay natsangan'ny fisasarako sy ny fahendreko. Entona ihany koa izany. 20 Noho izany dia nanomboka namoy fo tamin'ireo asa rehetra izay nataoko teo ambany masoandro aho. 21 Fa mety misy ny olona izay misasatra amin'ny fahendrena, amin'ny fahalalana, ary amin'ny fahaiza-manao, fa havelany ho an'ny lehilahy izay tsy nanao na iray tamin'ireo aza ny zava-drehetra hananany. Izany koa dia entona sy loza lehibe. 22 Fa inona no tombon-tsoa azon'ny olona izay miasa mafy sy miezaka manao amin'ny fony ireo asany eo ambany masoandro? 23 Isan'andro dia maharary sady mampiady saina ny asany, ka dia tsy mahita fitsaharana ny fanahiny amin'ny alina. Izany koa dia entona. 24 Tsy misy zavatra tsara amin'ny olona mihoatran'ny hoe mihinana sy misotro fotsiny ary afa-po amin'izay tsara amin'ny asany. Dia nahita aho fa avy amin'ny tanan'Andriamanitra izany marina izany. 25 Fa iza no afaka hihinana na iza no afaka hanana fahafinaretana isan-karazany ankoatry ny avy amin'Andriamanitra? 26 Fa izay mahafaly Azy, dia homen'Andriamanitra fahendrena sy fahalalana ary fifaliana. Kanefa, ny mpanota dia omeny ny asa fanangonana sy fitehirizana mba hahafahany manome izany ho an'ny olona izay mahafaly an'Andriamanitra. Izany koa dia anisan'ny entona sy fikasana hanohitra ny rivotra.