Toko faha 5

1 Tandremo ny fitondran-tenanao rehefa mankany an-tranon'Andriamanitra ianao. Mandehana any mba hihaino. Ny mihaino dia tsara noho ny adala manolotra sorona nefa tsy mahalala fa ratsy ny ataon'izy ireo eo amin'ny fiainana. 2 Aza malaky loatra miteny amin'ny vavanao, ary aoka ny fonao tsy halaky loatra hampiakatra izay raharaha rehetra eo anoloan'Andriamanitra. Any an-danitra Andriamanitra, fa ianao ety an-tany, koa aoka ho vitsy ireo teninao. 3 Raha be loatra ny zavatra ataonao sy mampiahiahy anao, dia hanofy ratsy tokoa ianao. Ny habetsak'ireo teny lazainao, no habetsaky ny fahadalana mety ho lazainao. 4 Rehefa mivoady amin'Andriamanitra ianao, dia aza mitaredretra amin'ny fanaovana izany, fa tsy sitrak'Andriamanitra ireo adala. Ataovy izay nanaovanao voady fa ho ataonao. 5 Aleo tsy mivoady toy izay manao voady izay tsy tanterakao akory. 6 Aza avela hampanota ny nofonao ny vavanao. Aza miteny amin'ny iraky ny mpisorona hoe: "Fahadisoana iny voady iny." Nahoana no mampatezitra an'Andriamanitra amin'ny fanaovana voady tsy izy, mihantsy an'Andriamanitra hanimba ny asan'ny tananao? 7 Fa ao amin'ny nofy maro, tahaka ny ao amin'ny teny maro, dia misy entona tsy misy dikany. Koa matahora an'Andriamanitra. 8 Raha hitanao ampahoriana sy robaina amin'ny fitondrana marina sy mahitsy ao amin'ny faritaninao ny mahantra, dia aza gaga raha tsy misy olona mahalala, satria misy olona mahery izay miambina ireo eo ambany fahefan'izy ireo, ary misy olona ambony kokoa aza manapaka azy ireo. 9 Fanampin'izany, an'ny olon-drehetra ny vokatry ny tany, ary ny mpanjaka mihitsy no maka ny vokatra amin'ireo saha. 10 Ny olona rehetra izay tia volafotsy dia tsy ho afa-po amin'ny volafotsy, ary ny olona rehetra izay tia harena dia mitady mihoatra lalandava. Izany, ihany koa, dia entona. 11 Tahaka ny hitomboan'ny fanambinana, dia tahaka izany ihany koa ny olona izay mihinana izany. Inona no tombon-tsoa an'ny tompony amin'ny harena afa-tsy ny mijery izany amin'ny masony? 12 Mamy ny torimason'ny olona miasa, na mihinana kely na betsaka izy, fa ny haren'ny olona mpanan-karena dia tsy mamela azy hatory tsara. 13 Misy ratsy mahory izay efa hitako tety ambany masoandro: dia harena angonin'ny tompony, fa miafara amin'ny fahoriany ihany. 14 Raha very amin'ny vintan-dratsy ny haren'ny olona mpanan-karena, ny zanany lahy, ilay naterany, dia tavela tsy manana na inona na inona eo an-tanany. 15 Tahaka ny olona teraka nitanjaka avy ao an-kibon-dreniny, dia mitanjaka toy izany ihany koa no hialany amin'ity fiainana ity. Tsy afaka hitondra na inona na inona eny an-tanany avy amin'ny asany izy. 16 Ny ratsy mahory hafa dia tahaka ny olona tonga tokoa, koa toy izany koa no tsy maintsy handehanany. Koa inona ny tombony azon'ny olona amin'ny fiasana ho an'ny rivotra? 17 Mandritry ny androny dia mihinana amin'ny aizina izy ary ory fatratra amin'ny aretina sy hatezerana. 18 Indro, izay efa hitako ho tsara sy mety dia ny mihinana sy misotro ary mankafy ny tombony avy amin'ny asantsika rehetra, raha miasa ambanin'ny masoandro mandritry ity androm-piainana izay efa nomen'Andriamanitra antsika ity. Fa izany no anjaran'ny olona. 19 Ny olona izay nomen'Andriamanitra fananana sy harena ary fahaizana mba handray ny anjarany ka hifaly amin'ny asany—fanomezana avy amin'Andriamanitra izany. 20 Fa tsy mahatsiaro matetika ireo androm-piainany izy, satria ataon'Andriamanitra sasatra amin'ireo zavatra izay tiany atao.