Toko faha 28

1 Raha mihaino tsara ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao ary mitandrina ireo didiny rehetra izay handidiako anao androany, dia hametraka anao ambonin'ny firenena hafa rehetra eto an-tany Yaveh Andriamanitrao. 2 Ireo fitahiana rehetra ireo dia ho tonga aminao ary hahatratra anao, raha mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao. 3 Ho tahiana ianao ao an-tanàna, ary ho tahiana ianao any an-tsaha. 4 Ho tahiana izay naterakao, sy ny vokatry ny taninao, ary ny zanak'ireo bibinao, ny fitomboan'ny biby fiompinao, ary ny zanaky ny ondry aman'osinao. 5 Ho tahiana ny haronao sy ny lovia fanaova-mofonao. 6 Ho tahiana ianao raha miditra, ary ho tahiana ianao raha mivoaka. 7 Hahatonga ireo fahavalonao izay mitsangana manohitra anao ho resy eo anoloanao Yaveh; hivoaka hanohitra anao amin'ny lalana iray izy ireo nefa handositra eo anoloanao amin'ny lalana fito. 8 Handidy ny fitahiana ho tonga aminao ao amin'ireo sompitrao sy amin'izay rehetra kasihin'ny tananao Yaveh; hitahy anao any amin'ny tany izay omeny anao Izy. 9 Hanorina anao tahaka ny vahoaka izay voatokana ho Azy Yaveh, tahaka ny efa nianianany taminao, raha mitandrina ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary mandeha amin'ny lalany. 10 Ireo vahoaka rehetra eto an-tany hahita fa ianao dia nantsoina tamin'ny anaran'i Yaveh, ary hatahotra anao izy ireo. 11 Hanao anao ho mpanan-karem-be amin'ny zanakao, amin'ny vokatry ny biby fiompinao, ary amin'ny vokatry ny taninao, amin'ny tany izay nianianany tamin'ireo razanao homena anao Yaveh. 12 Hanokatra ho anao ny trano fitehirizany any an-danitra mba hanome orana ho an'ny taninao amin'ny fotoany, sy mba hitahy ny asan'ny tananao rehetra i Yaveh; hampisambotra ny firenena maro ianao, fa tsy hisambotra. 13 Hanao anao ho lohany, ary tsy ho rambony i Yaveh; ho ambony ihany ianao, fa tsy ho ambany mihitsy, raha mihaino ireo didin'i Yaveh Andriamanitrao izay handidiako anareo androany, ary mitandrina sy manao ireo, 14 ary raha tsy mivily amin'ny iray amin'ireo teny izay handidiako anao androany ireo ianao, amin'ny havanana na amin'ny havia, ary manaraka ireo andriamani-kafa mba hanompo azy ireo. 15 Fa raha tsy mihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary mitandrina ireo didiny sy ireo lalàny rehetra izay handidiako anao androany, dia ho tonga aminao ireo ozona rehetra ireo ary hahatratra anao. 16 Hozonina ianao ao an-tanàna, ary hozonina ianao any an-tsaha. 17 Hozonina ny ao amin'ny haronao sy ny lovia fanaova-mofonao. 18 Hozonina izay naterakao, ny vokatry ny taninao, ny fitomboan'ny biby fiompinao, ary ny zanaky ny ondry aman'osinao. 19 Hozonina ianao raha miditra, ary hozonina ianao raha mivoaka. 20 Yaveh handefa aminao ireo ozona, fisafotofotoana, ary ireo fitenenana mafy amin'izay rehetra kasihin'ny tananao, mandra-paharinganao, ary mandra-pahafatinao haingana noho ireo asa ratsinao izay hahafoizanao Ahy. 21 Hampifikitra ny areti-mandringana aminao mandra-pandringanany anao amin'ny tany izay ho azonao i Yaveh. 22 Hamely anao amin'ireo areti-mifindra, amin'ny tazo, amin'ny fanaintainana, ary amin'ny hafanana main-tany sy mandoro, ary amin'ny rivotra mahamay sy maty fotsy i Yaveh. Hanenjika anao mandra-pahafatinao ireo. 23 Ny lanitrao izay ambonin'ny lohanao dia ho varahina, ary ny tany izay ambaninao dia ho vy. 24 Hanao ny oran'ny taninao ho fasika sy vovoka i Yaveh; avy any an-danitra no hidinan'izany aminao, mandra-paharinganao. 25 Hahatonga anao ho resy eo anoloan'ireo fahavalonao i Yaveh; hivoaka amin'ny lalana iray hanohitra azy ireo ianao nefa handositra eo anoloan'izy ireo amin'ny lalana fito. Hisamboaravoara etsy sy eroa ao amin'ireo fanjakan'ny tany rehetra ianao. 26 Ny fatinao dia ho sakafon'ireo vorona avy eny an-anitra rehetra sy ho an'ireo bibin'ny tany; tsy hisy na iza na iza hampitahotra ireo. 27 Yaveh hamely anao amin'ireo vain'i Egypta sy amin'ireo fery, fahabokana, ary hidihidy, ary tsy ho sitrana amin'izany ianao. 28 Yaveh hamely anao amin'ny fahaverezan-tsaina, amin'ny fahajambana, ary amin'ny fikorotanan-tsaina. 29 Hitsapatsapa amin'ny atoandro toy ny jamba mitsapatsapa anaty aizina ianao, ary tsy hambinina amin'ireo lalanao ianao; hampahoriana sy ho robaina foana ianao, ary tsy hisy na iza na iza hamonjy anao. 30 Ho lasa mpifamofo amin'ny vehivavy ianao, nefa ny lehilahy hafa hisambotra azy ary hanolana azy. Hanamboatra trano ianao nefa tsy hipetraka ao amin'izany; hanao tanim-boaloka ianao nefa tsy hisitraka ny vokatr'izany. 31 Ho vonoina eo anoloan'ny masonao ny ombinao, nefa tsy hihinana ny henan'izany ianao; halaina an-keriny eo anoloan'ny masonao ny borikinao ary tsy haverina aminao. Homena ireo fahavalonao ny ondrinao, ary tsy hanana na iza na iza hanampy anao ianao. 32 Ireo zanakao lahy sy ireo zanakao vavy dia homena ireo olon-kafa; hitady azy ireo tontolo andro ireo masonao, nefa tsy hahavita miandry azy ireo. Tsy hisy hery eo an-tananao. 33 Ny vokatry ny taninao sy ny asanao rehetra— firenena izay tsy fantatrao no hihinana izany; hampahoriana sy ho potehina mandrakariva ianao, 34 mba hahatonga anao ho very saina noho izay zava-mitranga hitanao. 35 Yaveh hamely anao amin'ny vay mahery eo amin'ny lohalika sy tongotra ary tsy ho sitrana amin'izany ianao, hatrany amin'ny faladianao ka hatrany amin'ny tampon-dohanao. 36 Yaveh hitondra anao sy ny mpanjaka izay hapetrakao ho an'ny tenanao ho any amin'ny firenena izay tsy fantatrao, na ianao na ireo razanao; hanompo ireo andriamanin-kafa hazo sy vato ao ianao. 37 Ho lasa loharanon'ny horohoro, ohabolana, ary oha-pitenenenana, eo amin'ireo vahoaka rehetra izay handroahan'i Yaveh anao ianao. 38 Hamboly voa betsaka eo an-tsaha ianao, kanefa voa kely no ho hangoninao ao, satria ireo valala dia handany izany. 39 Hanao tanim-boaloboka ianao ary hamboly amin'ireo, nefa tsy mba hisotro amin'ny divay, na hanangona ireo voaloboka akory, satria ireo kankana no hihinana ireo. 40 Hanana hazon'oliva ao anatin'ny faritaninao rehetra ianao, nefa tsy hanosotra ny menaka amin'ny tenanao, satria ireo hazon'olivanao hanintsana ireo voany. 41 Hanan-janaka lahy sy zanaka vavy ianao, nefa tsy hijanona ho anao izy ireo, fa ho lasa any amin'ny fahababoana. 42 Ireo hazonao rehetra ary ny vokatry ny taninao— ireo valala no handany izany. 43 Ny vahiny izay eo aminao dia hisandratra avo dia avo amboninao; ianao tenanao dia hidina ambany dia ambany. 44 Hampisambotra anao izy, nefa ianao tsy hampisambotra azy; ho lohany izy, fa ianao kosa ho rambony. 45 Ireo ozona rehetra ireo dia ho tonga aminao sy hanenjika ary hahatratra anao mandra-paharingana anao. Hitranga izany satria tsy nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary tsy nitandrina ireo didiny sy ireo fitsipiny izay nandidiany anao. 46 Ireo ozona ireo ho aminao ho famantarana sy fahagagana, ary ho amin'ny taranakao mandrakizay. 47 Satria ianao tsy nanompo an'i Yaveh Andriamanitrao tamim-kafaliana sy fifalian'ny fo rehefa tao anatin'ny fanambinana ianao, 48 noho izany dia hanompo an'ireo fahavalo izay halefan'Andriamanitra hanohitra anao ianao; hanompo azy ireo amin'ny hanoanana, amin'ny hetaheta, amim-pitanjahana, ary amim-pahantrana ianao. Hametraka zioga vy eo am-bozonao mandra-pandringanany anao izy. 49 Yaveh dia hitondra firenena hanohitra anao avy lavitra, avy any amin'ny faran'ny tany, tahaka ny voromahery manidina ho amin'ny hazany, firenena izay tsy azonao ny fiteniny; 50 firenena masiaka endrika izay tsy manaja ny zokiolona ary tsy maneho sitraka an'ireo tanora. 51 Hihinana ny zanaky ny biby fiompinao sy ny vokatry ny taninao mandra-paharingana anao izy ireo. Tsy hamela voa ho anareo , divay vaovao, na diloilo, ny zanaky ny biby fiompinao na ny an'ny ondry aman'osinao izy ireo, mandra-pahafatiny anao. 52 Hanao fahirano anao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao rehetra izy ireo, mandra-pianjeran'ireo rindrinao avo sy mafy rehetra ao an-tanànanao, ireo rindrina izay nitokisanao. Hanao fahirano anao ao amin'ny vavahadin'ny tanànanao rehetra manerana ny tany rehetra izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao anao izy ireo. 53 Hihinana ny vokatry ny vatanao ihany, ny nofon'ireo zanakao lahy sy ny an'ireo zanakao vavy, izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao anao ianao, eo amin'ny fahirano sy eo amin'ny fahoriana izay ho ataon'ireo fahavalonao eo aminao. 54 Ny lehilahy izay marefo sy tena malefaka eo aminareo—dia hialona ny rahalahiny sy ny vady malalany, ary ireo zanaka rehetra nilaozany izy. 55 Ka tsy hanome na amin'ny iray amin'izy ireo ny nofon'ny zanany izay ho haniny izy, satria tsy hanana na inona na inona tavela ho an'ny tenany amin'ny fahirano sy amin'ny fahoriana izay hataon'ireo fahavalonao aminao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao rehetra izy. 56 Ny vehivavy marefo sy malefaka eo aminao, izay tsy sahy mametraka ny faladian-tongony amin'ny tany nohon'ny faharefoana sy fahalefahana— dia hialona ny vady malalany ihany izy, ny zanany lahy, sy ny zanany vavy, 57 ary ny zanany vao teraka izay mivoaka avy ao anelanelan'ny tongony, sy ireo zanaka izay haterany. Hihinana azy ireo mangingina izy nohon'ny tsy fisian-javatra hafa, mandritra ny fahirano sy ny fahoriana izay hataon'ireo fahavalonao aminao ao amin'ireo vavahadin'ny tanànanao. 58 Raha tsy mitandrina ny teny rehetra amin'izao lalàna izay voasoratra ao amin'ity boky ity izao ianao, ary tsy manaja ity anarana be voninahitra sy mampahatahotra ity, Yaveh Andriamanitrao, 59 dia ho ataon'i Yaveh mahatsiravina ny areti-mandringanao, sy ny an'ireo taranakao; ho areti-mandoza ireo, izay maharitra ela, ary aretina mahery, maharitra ela. 60 Ho entiny aminao indray ireo aretin'i Egypta rehetra izay natahoranao; hifikitra aminao ireo. 61 Ny aretina sy ny areti-mandringana rehetra izay tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ity lalàna ity ihany koa, ireo ihany koa dia ho entin'i Yaveh aminao mandra-paharingana anao. 62 Avela ho kely an'isa ianareo, na dia tahaka ireo kintan'ny lanitra aza ny isanareo, satria tsy nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitrareo ianareo. 63 Tahaka ny nifalian'i Yaveh taminareo tany taloha tamin'ny fanaovana ny tsara ho anareo, sy tamin'ny fampitomboana anareo, no hifaliany aminareo amin'ny famonoana anareo sy amin'ny fandringanana anareo. Hongotana amin'ny tany izay andehananao mba hatao fananana ianareo. 64 Yaveh dia hampiely anao eo amin'ireo vahoaka rehetra eny amin'ny faran'ny tany iray ka hatrany amin'ny farany hafan'ny tany; any ianao dia hanompo ireo andriamani-kafa izay tsy fantatrao, na ianao na ireo razanao, ireo andriamanitra hazo sy vato. 65 Any amin'ireo firenena ireo dia tsy hahita fitoniana ianao, ary tsy hisy fitsaharana ho an'ireo faladian-tongotrao; fa kosa, homen'i Yaveh fo tora-kovitra, maso mitanondrika, ary fanahy izay malahelo ianao any. 66 Hihantona amin'ny ahiahy eo anatrehanao ny fiainanao; hatahotra isan-kalina sy isan'andro ianao ary tsy hahazo antoka ny fiainanao akory. 67 Amin'ny maraina dia hiteny ianao hoe: 'Iriko mba ho hariva izao!' ary amin'ny hariva dia hiteny ianao hoe: 'Iriko mba ho maraina izao!' nohon'ny tahotra ao am-ponao sy ireo zavatra izay ho hitan'ireo masonao. 68 Yaveh hitondra anao indray any Egypta amin'ny sambo, amin'ny lalana izay nolazaiko taminao hoe: 'Tsy hahita an'i Egypta intsony ianao.' Hanolotra ny tenanareo ho varotra any amin'ireo fahavalonareo toy ny mpanompo lahy sy vavy ianareo, nefa tsy hisy na iza na iza hividy anareo.''