Toko faha 27

1 Mosesy sy ireo loholon'Israely nandidy ny vahoaka ary niteny hoe: "Tandremo ireo didy rehetra izay andidiako anareo androany. 2 Rehefa hiampita an'i Jordana ianareo indray andro any ho any amin'ny tany izay omen'i Yaveh Andriamanitrao anao, dia tsy maintsy hametraka vato lehibe maromaro ianao ary handalotra ireo amin'ny sokay. 3 Tsy maintsy soratanao ao amin'ireo ny teny rehetra amin'ity lalàna ity rehefa tafita ianao, mba hiditra ao amin'ilay tany izay omen'i Yaveh anao ianao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka ny efa nampanantenain'i Yaveh, ilay Andriamanitr'ireo razambenao. 4 Rehefa tafita ny Jordana ianareo, dia hatsangano ireo vato izay handidiako anareo androany, ao an-tendrombohitra Ebala, ary lalory sokay ireo. 5 Ao no tsy maintsy hanorenanao alitara ho an'i Yaveh Andriamanitrao, alitara vita amin'ny vato; kanefa aza mampiasa fitaovana vy hiasana ireo vato. 6 Vato tsy voapaika no tsy maintsy hanamboaranao ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrao; tsy maintsy hanao fanatitra dorana ho an'i Yaveh Andriamanitrao eo amin'io ianao, 7 ary hanao sorona fanati-pihavanana ianao ka hihinana ao. Hiravoravo eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ianao. 8 Ho soratanao feno eo amin'ireo vato ireo ny teny rehetra amin'ity lalàna ity." 9 Mosesy sy ireo mpisorona, ary ireo Levita, niresaka tamin'ireo Israely rehetra, nanao hoe: "Mangina, ary mihainoa, ry Israely: Androany dia efa tonga vahoakan'i Yaveh Andriamanitrao ianao. 10 Noho izany dia tsy maintsy mankatò ny feon'i Yaveh Andriamanitrao ianao, ary mankatò ireo didiny sy ny lalàny izay handidiako anao androany." 11 Tamin'io andro io ihany dia nandidy ny olona i Mosesy ary niteny hoe: 12 "Ireto foko ireto no tsy maintsy hitsangana eo an-tendrombohitra Gerizima mba hitso-drano ny olona rehefa tafita an'i Jordana ianareo: Simeona, Levy, Joda, Isakara, Josefa, ary Benjamina. 13 Ireto foko ireto no tsy maintsy hitsangana eo amin'ny Tendrombohitra Ebala mba hanonona ozona: Robena ,Gada, Asera, Zebolona, Dana, ary Naftaly. 14 Hamaly ireo Levita ary hiteny amin'ireo lehilahin'Israely rehetra amin'ny feo avo hoe: 15 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an'idina, izay fahavetavetana amin'i Yaveh, ny asan'ny tanan'ny mpanao asa tanana, sy izay manangana izany mangingina.' Ary ny vahoaka rehetra hamaly ary hilaza hoe: 'Amena.' 16 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 17 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay mamindra ny mari-tanin'ny mpiray vodirindrina aminy.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 18 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay mamery lalana ny jamba.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 19 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay mampiasa hery mba hahazoana ny rariny izay tokony ho an'ny vahiny, ny kamboty, na ny mpitondratena.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 20 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay miara-mandry amin'ny vadin'ny rainy, satria nangalatra ny zon'ny rainy izy.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 21 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay miara-mandry amin'izay mety ho karazam-bibidia.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 22 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay miara-mandry amin'ny anabaviny, ny zanaka vavin'ny rainy, na ny zanaka vavin'ny reniny.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 23 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay miara-mandry amin'ny rafozam-baviny.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 24 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay mamono mangingina ny mpiray vodirindrina aminy.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 25 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay mandray kolikoly mba hamonoana ny olon-tsy meloka.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.' 26 'Ho voaozona anie ny lehilahy izay tsy manamafy ireo tenin'ity lalàna ity, fa hankatò azy ireo izy.' Ary ny vahoaka rehetra hiteny hoe: 'Amena.'