Toko faha 26

1 Rehefa tonga any amin'ny tany izay homen'i Yaveh Andriamanitrao ho lovanao ianao, ary rehefa lasanao sy honenanao izany, 2 tsy maintsy alainao ny sasany amin'ny voaloham-bokatra rehetra eo amin'ilay tany izay nitondrana anao teo amin'ny tany izay nomen'i Yaveh Andriamanitrao. Tsy maintsy hataonao ao anaty harona izany ary handeha any amin'ny toerana izay nosafidin'Yaveh Andriamanitrao ho fitoerany masina ianao. 3 Tsy maintsy mandeha any amin'ny mpisorona izay hanompo amin'ireo andro ireo ianao, ary hiteny aminy hoe: 'Miaiky an'i Yaveh Andriamanitrao aho ankehitriny fa izaho dia avy amin'ny tany izay nianianan'i Yaveh tamin'ireo razantsika mba homena antsika.' 4 Tsy maintsy halain'ny mpisorona eo an-tananao ilay harona ary hapetrany manoloan'ny alitaran'i Yaveh Andriamanitrao. 5 Tsy maintsy miteny eo anatrehan'i Yaveh Andriamanitrao ianao hoe: 'Syrianina mienjienjy ny razambeko. Nandeha nidina tany Egypta izy ary nijanona tany, ary vitsy an'isa ireo vahoakany. Tany no nahatonga azy ho lehibe, nahery, ary firenena be mponina. 6 Ratsy fitondrana sy nampahory antsika ireo Egyptiana. Nampanaoviny ny asan'ireo andevo isika. 7 Nitaraina tamin'i Yaveh, Ilay Andriamanitr'ireo razantsika isika, ary henony ny feontsika ary hitany ny fahoriantsika, ny asantsika, ary ny fijaliantsika. 8 Nentin'i Yaveh nivoaka avy tany Egypta tamin'ny tanana mahery isika, tamin'ny faninjirana sandry, sy tamin'ny fampitahorana lehibe, tamin'ny famantarana, ary tamin'ny fahagagana; 9 ary Izy nitondra antsika tamin'ity toerana ity sy nanome antsika ity tany ity, dia tany izay tondra-dronono sy tantely. 10 Indro ankehitriny, mitondra ny voaloham-bokatry ny tany izay nomenao, Yaveh, ahy aho. 'Tsy maintsy hapetrakao eo ambany manoloana an'i Yaveh Andriamanitrao izany ary manaova fanompoam-pivavahana eo anoloany; 11 ary ianao dia tsy maintsy miravoravo amin'izay zava-tsoa rehetra nataon'i Yaveh Andriamanitrao taminao, tamin'ny ankohonanao—ianao, sy ny Levita, ary ireo mpivahiny eo aminao 12 Rehefa avy manolotra ny ampahafolon'ny vokatrao rehetra tamin'ny taona fahatelo ianao, izay, taonan'ny ampahafolon-karena, dia tsy maintsy homenao ho an'ny Levita izany, ho an'ny vahiny, ho an'ny kamboty, sy ho an'ny mpitondratena, mba hahafahan'izy ireo mihinana ao anatin'ny vavahadin'ny tanànanao ka ho voky. 13 Tsy maintsy milaza eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrao ianao hoe: 'Nentiko nivoaka ny tranoko ireo zavatra izay an'i Yaveh, ary nomeko ny Levita, ny mpivahiny, ny tsy manan-dray, sy ny mpitondra tena, araka ny didinao rehetra izay nomenao ahy.Tsy nisy nodikaiko ireo didinao, na nohadinoiko ireo. 14 Tsy nihinana tamin'izany aho nandritry ny fisaonako, na nataoko teny ho eny tamin'ny andron'ny fahalotoko, na nomeko ho fahan-kanina hanajana ny maty. Nihaino ny feon'i Yaveh Andriamanitro aho; nankatoaviko avokoa izay rehetra nandidianao ahy mba hataoko. 15 Mijere ambany avy eny amin'ny toerana masina izay hitoeranao, avy eny an-danitra, ary tahio ireo Israely vahoakanao, sy ilay tany izay nomenao anay, araka izay nianiananao tamin'ireo razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely.' 16 Anio Yaveh Andriamanitrao dia mandidy anao mba hankato ireo lalàna sy didy ireo; noho izany dia hitandrina azy ireo ianao ary hanaraka izany amin'ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo. 17 Nanao fanambarana ianao androany fa Yaveh dia Andriamanitrao, ka handeha amin'ny lalany ianao ary hitandrina ireo fitsipiny, ireo didiny, sy ireo lalàny, ary hiaino ny feony ianao. 18 Anio Yaveh dia manao fanambarana fa ianao dia vahoaka izay Azy manokana, araka izay nampanantenainy anao, ary ianao dia natao hitandrina ireo didiny rehetra, 19 ary ho hataony ho ambony noho ireo firenena hafa rehetra izay nataony ianao, ary ianao dia hahazo dera, laza, ary voninahitra. Ho vahoaka voatokana ho an'i Yaveh Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy."