1 Ireto ny teny izay nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ho lazaina amin'ny vahoakan'Israely tany amin'ny tany Moaba, teny izay nanampiana ny fanekena izay nataony tamin'izy ireo tao Horeba. 2 Nantsoin'i Mosesy ny vahoakan'Israely rehetra ka hoy izy tamin'izy ireo: ''Efa hitanareo izay rehetra nataon'i Yaveh tamin'i Farao teo anoloan'ny masonao tany amin'ny tany Egypta, dia tamin'ireo mpanompony rahetra, sy tamin'ny taniny rehetra— 3 ireo fahoriana lehibe izay hitan'ny masonao, ireo famantarana, ary ireo fahagagana lehibe. 4 Fa hatramin'ny anio dia tsy nanome fo hahafantarana, maso hahitana, sofina handrenesana ho anareo Yaveh. 5 Efapolo taona no nitondrako anareo tany an'efitra, tsy niala taminareo ny akanjonareo, ary tsy niala teo an-tongotrao ny kapanao. 6 Tsy nihinana mofo ianareo, tsy nisotro divay na zava-pisotro mahamamo hafa, mba hahafantaranareo fa Izaho no Yaveh Andriamanitrareo. 7 Raha tonga tamin'ity toerana ity ianareo, dia nivoaka mba hiady amintsika, i Sihona, ilay mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, ilay mpanjakan'i Basana, dia lavontsika izy ireo. 8 Nalaintsika ireo taniny ary nomentsika ho lovan'ireo Robenita, sy Gadita, ary ho an'ny an-tsasaky ny fokon'i Manase izany. 9 Noho izany tandremo ireo tenin'ity fanekena ity ary ataovy izany, mba ho hambinina amin'izay rehetra hataonareo anie ianareo. 10 Mijoro ianareo androany, ianareo rehetra, eo anoloan'i Yaveh Andriamanitrareo; ireo lehibenareo, ireo fokonareo, ireo loholonareo, ary ireo manam-boninahitrareo—ireo lehilahin'i Israely rehetra, 11 ireo zaza madinikareo, ireo vadinareo, ary ny vahiny izay ao aminao ao amin'ny tobinao, na izay manapaka ny hazonao hatramin'izay mantsaka ny ranonao. 12 Tonga eto ianao mba hiditra amin'ny faneken'i Yaveh Andriamanitrao sy amin'ny fianianana izay hataon'i Yaveh Andriamanitrao aminao anio , 13 ka hahatonga anao ho vahoakany Izy, ary Izy ho Andriamanitrao, arak'izay nolazainy taminao, sy arak'izay nianianany tamin'ny razanao, tamin'i Abrahama, tamin'i Isaka, ary tamin'i Jakoba. 14 Fa tsy aminareo ihany no hanaovako izao fanekena sy fianianana izao— 15 dia amin'izay rehetra mitsangana eo anoloan'i Yaveh Andriamanitsika miaraka amintsika eto anio—fa amin'ireo izay tsy miaraka amitsika eto anio ihany koa . 16 Fantatrareo ny fomba niainantsika tany amin'ny tany Egypta, ary ny fomba namakivakisantsika ireo firenena izay nolalovanareo. 17 Efa hitananareo ireo zava-maharikorikon'izy ireo: dia ireo sampy hazo sy ireo sampy vatony, volafotsy sy volamena, izay teo amin'izy ireo. 18 Aoka tsy hisy eo aminareo na lehilahy, na vehivavy, na fianakaviana, na foko izay mivily miala amin'i Yaveh Andriamanitsika ny fony anio, ka handeha hanompo ny andriamanitr'ireo firenena ireo. Aoka tsy hisy faka mamokatra zava-mangidy sy zava-mahafaty eo aminareo. 19 Koa raha ren'izany olona izany ireo tenin'ity fanozonana ity, dia hitso-drano ny tenany ao am-pony izy ka hanao hoe: 'Hanam-piadanana aho, na dia mandeha araka ny ditran'ny foko aza.' Izany dia haharingana ny lena miaraka amin'ny maina. 20 Ary tsy hamela azy Yaveh, fa kosa, hirehitra amin'izany lehilahy izany ny fahatezeran'i Yaveh sy ny hasarotam-piarony, ary ho tonga aminy ny ozona rehetra izay voasoratra anatin'ity boky ity, ary ho fafan'i Yaveh tsy ho eo ambany lanitra ny anarany. 21 Ary hatokan'i Yaveh ho eny ivelan'ny fokon' Israely rehetra amin'ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin'ny fanekena izay vaosoratra anatin'ity bokin'ny lalàna ity. 22 Ny taranaka ho avy, dia ireo zanaka izay handimby anareo, ary ny vahiny izay avy amin'ny tany lavitra, dia hiteny rehefa hitan'izy ireo ny areti-mandringana amin'ity tany ity sy ireo aretina izay nampahararian'i Yaveh izany— 23 Ary rehefa hitan'izy ireo fa tonga solifara sy sira mirehitra ny tany manontolo, izay tsy namafazana na inona na inona na namoha voa, izay tsy misy zava-maniry, tahaka ny naharava an'i Sodoma sy Gomoro, Adma sy Jeboima, izay noravan'i Yaveh tamin'ny fahavinirany sy fahatezerany— 24 dia hiara-hilaza amin'ny firenen-kafa rehetra izy ireo hoe: "Nahoana no nanao izao tamin'ity tany ity i Yaveh? Inona no hevitr'izao firehetan'ny fahatezerana lehibe izao?' 25 Ary hiteny ireo vahoaka hoe: ''Izao no izy satria tsy nanaraka ny faneken'i Yaveh, Andriamanitr'ireo razambeny izy ireo, izay nataony tamin'izy ireo tamin'ny nitondrany azy ireo nivoaka ny tany Egypta, 26 ary satria izy ireo nandeha nanompo andriamani-kafa sady niankohoka tamin'izany izy ireo, dia ireo andriamanitra izay tsy fantatr'izy ireo ary tsy nomeny ho azy ireo akory. 27 Noho izany ny fahatezeran'Andriamanitra dia narehitra tamin'ity tany ity, ka tonga teo aminy ireo ozona rehetra izay voasoratra tamin'ity boky ity. 28 Ary nofongoran'i Yaveh tamin'ny fahatezerana, tamin'ny fahavinirana, ary tamin'ny fahasosorana lehibe, tsy ho amin'ny taniny izy ireo, ary nariany tany amin'ny tany hafa, mandrak'androany." 29 Ireo zava-miafina dia an'i Yaveh Andriamanitsika irery ihany; fa ny zavatra ambara kosa dia natao ho antsika sy ireo taranatsika mandrakizay, mba hahafahantsika manatanteraka ny teny rehetran'ity lalàna ity.