1 Nanamboatra sarivongana volamena i Nebokadnezara mpanjaka izay enimpolo hakiho ny halavany ary enina hakiho ny sakany. Napetrany tao amin'ny Lemak'i Dora ao amin'ny faritanin'i Babylona izany. 2 Dia nandefa hafatra i Nebokadnezara mba hampivory miaraka ireo governoram-paritany, ireo governoram-paritra, ary ireo governora teo an-toerana, mbamin'ireo mpanolo-tsaina, ireo mpitam-bola, ireo mpitsara, ireo mpahay lalàna, ireo manam-boninahitry ny faritany ambony rehetra mba ho tonga amin'ny fitokanana ny sarivongana izay efa natsangany. 3 Dia niara-nivory ireo governoram-paritany, ireo governoram-paritra, sy ireo governora teo an-toerana, niaraka tamin'ireo mpanolo-tsaina, ireo mpitam-bola, ireo mpitsara, ireo mpahay lalàna, ireo manam-boninahitry ny faritany ambony rehetra mba ho tonga amin'ny fitokanana ny sarivongana izay efa natsangan'i Nebokadnezara. Nijoro teo anoloan'izany izy ireo. 4 Dia nisy mpikabary nihiaka mafy hoe: "Didiana ianareo, ry vahoaka, ry firenena, sy ireo fiteny samihafa, 5 fa amin'ny fotoana handrenesanareo ny feon'ny anjomara, sodina, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karazan-java-maneno rehetra, dia tsy maintsy miondrika ary miankohoka eo amin'ny sarivongana volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka ianareo. 6 Na iza na iza tsy miondrika ka manompo, amin'izany fotoana izany mihitsy, dia hatsipy ao anaty lafaoro midedadeda." 7 Koa rehefa nandre ny feon'ny anjomara, sodina, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karazan-java-maneno rehetra ny vahoaka manontolo, ireo firenena, sy fiteny dia niondrika ary niankohoka teo amin'ny sarivongana volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka. 8 Ary tamin'io fotoana io dia nisy Kaldeana tonga ary nitondra fiampangana hanohitra ireo Jiosy. 9 Hoy izy ireo tamin'i Nebokadnezara mpanjaka: "Ry mpanjaka! Ho velona mandrakizay anie ianao! 10 Ianao, ry mpanjaka, dia efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny feon'ny anjomara, sodina, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karazan-java-maneno rehetra, dia tsy maintsy miondrika ary miankohoka eo amin'ny sarivongana volamena. 11 Na iza na iza tsy miondrika sy manompo dia tsy maintsy atsipy ao anaty lafaoro midedadeda. 12 Ary misy ireo Jiosy izay notendrenao amin'ireo raharaham-paritanin'i Babylona; ny anaran'izy ireo dia Sadraka, Mesaka, ary Abednego. Ireo lehilahy ireo, ry mpanjaka, dia tsy nihaino anao. Tsy hivavaka na hanompo ireo andriamanitrao izy ireo, na hiankohoka eo anoloan'ny sarivongana volamena izay efa natsanganao." 13 Ary Nebokadnezara, feno fahatezerana sy fahavinirana, dia nandidy ny hitondrana an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ho eo aminy. Koa nentin'izy ireo teo anoloan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo. 14 Hoy Nebokadnezara tamin'izy ireo: "Efa nandefa fisainanareo ve ianareo ry Sadraka, Mesaka, ary Abednego, fa tsy hanompo ireo andriamanitro ka hiankohoka eo anoloan'ny sarivongana volamena izay efa natsangako? 15 Ary raha vonona ianareo— rehefa mandre ny feon'ny anjomara, sodina, sitara, lokanga, harpa ary farara, sy ny karazan-java-maneno rehetra— ny hiondrika ary hiankohoka eo amin'ny sarivongana volamena izay efa namboariko, dia hilamina ny zava-drehetra. Fa raha tsy manompo ianareo, dia hatsipy avy hatrany ao anaty lafaoro midedadeda. Iza no andriamanitra afaka mamonjy anareo eo an-tanako?" 16 Namaly ny mpanjaka i Sadraka, Mesaka, ary Abednego hoe: "Ry Nebokadnezara, tsy mila mamaly anao amin'izany raharaha izany izahay. 17 Raha misy valiny, dia ny Andriamanitray izay tompoinay no afaka miaro anay amin'ny lafaoro midedadeda, ary hamonjy anay tsy ho eo an-tananao Izy, ry mpanjaka. 18 Fa na tsy izany aza, dia aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa tsy hanompo ireo andriamanitrao izahay, ary tsy hiankohoka amin'ny sarivongana volamena izay efa natsanganao." 19 Dia feno fahatezerana i Nebokadnezara; niova tamin'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ny endriny. Nodidiany fa tokony hafanaina im-pito mahamay kokoa noho ny hafanany mahazatra ny lafaoro. 20 Dia nandidy lehilahy matanjaka maro tao amin'ny tafiny izy mba hamatotra an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ka hanipy azy ireo ao anaty lafaoro midedadeda. 21 Nofatorana mbola tamim-piakanjoana ireo akanjolavany, ireo kapaotiny, ireo satrony, sy fitafiana hafa izy ireo, ka natsipy tao anaty lafaoro midedadeda. 22 Satria hentitra ny fanarahana ny baikon'ny mpanjaka ary nahamay be ny lafaoro, dia namono ireo lehilahy izay nampiakatra an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego ny lelafo. 23 Ireo lehilahy telo ireo, izay Sadraka, Mesaka, ary Abednego, dia nianjera tao anatin'ny lafaoro midedadeda izy ireo sady nifatotra. 24 Dia gaga Nebokadnezara mpanjaka ka nitsangana faingana. Nanontany ireo mpanolotsainy izy hoe: "Moa ve tsy natsipintsika nifatotra tao anaty afo izy telolahy?" Dia namaly ny mpanjaka izy ireo hoe: "Eny tokoa, ry mpanjaka." 25 Hoy izy: "Nefa aho mahita lehilahy efatra tsy mifatotra mandehandeha ao anaty afo, ary tsy maninona izy ireo. Ny fanjelatry ny fahefatra dia tahaka ny zanak'ireo andriamanitra.'' 26 Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro midedadeda i Nebokadnezara ka niantso mafy hoe: "Ry Sadraka, Mesaka, ary Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha! Mankanesa aty!" Dia nivoaka avy tao amin'ny afo i Sadraka, Mesaka, ary Abednego. 27 Ireo governoram-paritany, ireo governoram-paritra, ireo governora hafa, ary ireo mpanolo-tsain'ny mpanjaka izay niara-niangona dia nahita ireo lehilahy ireo. Tsy nampaninona ny vatan'izy ireo ny afo; tsy may ny volon-dohan'izy ireo; tsy simba ny fitafian'izy ireo; ary tsy nisy fofon'afo taminy. 28 Hoy Nebokadnezara: "Ndeha isika hidera ny Andriamanitr'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego, izay nandefa ny irany ary nanome izao hafany izao ho an'ireo mpanompony. Natoky Azy izy ireo raha nandà ny baikoko, ary nahafoy ny vatany izy ireo toy izay hanompo sy hiankohoka amin'izay andriamanitra afa-tsy ny Andriamanitr'izy ireo. 29 Koa manao lalàna aho fa izay vahoaka, firenena, na fiteny izay milaza zavatra hanohitra ny Andriamanitr'i Sadraka, Mesaka, sy Abednego dia tsy maintsy ravana, ary ny tranon'izy ireo dia tsy maintsy atao ho fako mivangongo satria tsy misy andriamani-kafa afaka manavotra tahaka izao." 30 Dia nampisondrotra an'i Sadraka, Mesaka, ary Abednego tao amin'ny faritanin'i Babylona ny mpanjaka.