1 Nandefa izao didy izao ho an'ireo vahoaka, ireo firenena, ary ireo fiteny rehetra izay nonina tety ambonin'ny tany i Nebokadnezara mpanjaka hoe: "Hampitomboina aminareo anie ny fiadanana. 2 Toa tsara amiko ny milaza aminareo ireo famantarana sy zava-mahagaga izay nataon'ny Avo Indrindra tamiko. 3 Lehibe loatra ireo famantarany, ary mahery loatra ireo zava-mahagagany! Fanjakana tsy manam-pahataperana ny fanjakany, ary maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby ny fanapahany. 4 Izaho, Nebokadnezara, dia nonina tamin-kafaliana tao an-tranoko, ary nankafy fahombiazana aho tao amin'ny lapako. 5 Saingy nampatahotra ahy ny nofiko iray. Raha nandry iny aho, dia nampikorontana ahy ireo kisarisary sy ireo fahitàna izay tato an-tsaiko. 6 Koa dia nanome didy aho ny hitondràna teo amiko ireo lehilahin'i Babylona rehetra izay nanam-pahendrena raha afaka ny handika ny nofy ho ahy izy ireo. 7 Ary dia tonga ireo ombiasy, ireo izay milaza fa miresaka amin'ny maty, ireo olon-kendry, ary ireo mpanandro. Nanambara ilay nofiko tamin'izy ireo aho, fa tsy afaka ny handika izany tamiko izy ireo. 8 Nefa niditra i Daniela nony farany_ ilay iray izay nantsoina hoe Beltesazara araka ny anaran'andriamanitro, misy fanahin'ireo andriamanitra koa ao anatiny_ ary nilaza taminy ilay nofiko aho. 9 "Ry Beltesazara, ombiasibe, fantatro fa ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra masina ary tsy misy zava-miafina izay sarotra aminao ihany koa. Lazao ahy izay hitako tao anaty nofiko ary inona ny dikan'izany. 10 Ireto avy ireo fahitana izay hitako tao an-tsaiko raha nandry tao am-pandriako aho: nandinika aho, ary nisy hazo iray teo afovoan'ny tany, ary lehibe tokoa ny haavon'izany. 11 Nihanitombo ilay hazo ka tonga nahery. Nananika ny lanitra ny tendrony, ary afaka mahita izany hatrany amin'ireo vazan-tany manontolo. 12 Tsara tarehy ny raviny, marobe aok'izany ny voany, ary nisy sakafo ho an'ny rehetra teo amboniny. Nahita fialofana tao ambaniny ny bibidia, ary ny voron'ny habakabaka nonina teo amin'ireo rantsany. Voafahana avy tamin'izany avokoa ireo zava-manan'aina rehetra. 13 Nahita tao an-tsaiko aho tamin'izaho nandry teo am-pandriako, ary nisy iraka masina iray nidina avy teny amin'ny habakabaka. 14 Nihiaka mafy izy ka nanao hoe: 'Kapao ilay hazo ary tapaho ireo ratsany, esory ireo raviny, ary aparitaho ny voany. Aoka ireo biby handositra avy eo ambanin'izany ary ireo vorona hanidina lavitr'ireo rantsany. 15 Avelao ny fototry ny fakany ho ao anaty tany, fatory amin'ny fehim-by sy varahina, eo afovoan'ny ahitry ny saha. Aoka izany ho kotsan'ny andon'ny habakabaka. Aoka izany hivelona miaraka amin'ireo biby eo amin'ireo voninkazo eny amin'ny tany. 16 Aoka ny fisainany hiova fisainan'olona, ary aoka ny fisainam-biby no homena azy hatramin'ny fahalasan'ny fito taona. 17 Izany fanapahan-kevitra izany dia avy tamin'ny didy notaterin'ilay iraka. Izany fanapahan-kevitra izany no nataon'ireo masina mba ahafahan'ireo velona mahafantatra fa manapaka manerana ireo fanjakanan'ny vahoaka ny Avo Indrindra ary manome azy ireo ho an'ny olona izay tiany hapetraka eo amin'izy ireo, na dia ny lehilahy faran'izay manetry tena aza.' 18 Izaho, Nebokadnezara, no nanana izany nofy izany. Ankehitriny ianao, ry Beltesazara, Lazao ahy ny dikany, satria tsy misy amin'ireo lehilahy hendrin'ny fanjakako afaka ny handika izany ho ahy. Fa ianao no afaka manao izany, satria ao aminao ny fanahin'ireo andriamanitra masina." 19 Ary Daniela, izay natsoina ihany koa hoe Beltesazara, dia tohina mafy nandritra ny fotoana vitsy, ka nanaitra azy ny fisainany. Dia hoy ny mpanjaka hoe: "Ry Beltesazara, aza avela hanaitra anao akory ny nofy na ny dikan'izany." Namaly Beltesazara hoe: "Ry Tompoko, aoka ho amin'ireo izay mankahala anao anie ny nofy; ho an'ireo fahavalonao anie ny dikan'izany. 20 Ilay hazo izay hitanao—izay nitombo ka tonga nahery, ary izay nipaka tany an-danitra ny tendrony, ka azo nojerena tany amin'ny ireo faran'ny tany rehetra— 21 izay tsara tarehy tokoa ireo raviny, ary maro dia maro tokoa ny voany, mba hisian'ny sakafo ho an'ny rehetra ao amin'izany, ary ao ambaniny no ahitan'ireo bibin'ny saha fialofana, ary nonenan'ireo voron'ny habakabaka tao aminy— 22 izany hazo izany dia ianao, ry mpanjaka, ianao izay nitombo ho tena mahery. Nihanitombo ny fahalehibeazanao ka nanakatra ny lanitra,ary ny fanapahanao nipaka tany amin'ireo faran'ny tany. 23 Ianao, ry mpanjaka, no nahita ny iraka masina nidina avy tany an-danitra ka niteny hoe: "Kapaho ilay hazo ary poteho izany, nefa avelao ny fakan'izany ho ao amin'ny tany, fatory amin'ny fehim-by sy varahina, eo afovoan'ny ahitra malemin'ny saha. Avelao ho kotsan'ny ando avy any an-danitra izany. Aoka izany hivelona hiaraka amin'ireo bibidia eny amin'ireo saha mandra-paha lasan'ny fito taona.' 24 Izany no dikany, ry mpanjaka. Izany no didin'ny Avo Indrindra izay nipaka taminao, ry tompoko mpanjaka. 25 Hesorina amin'ny olona ianao, ary hitoetra miaraka amin'ireo bibidia any amin'ireo saha. Hampihinanana ahitra tahaka ny omby ianao, ary ho kotsan'ny ando avy any an-danitra, ka fito taona no handalo mandra-pihaikinao fa ny Avo Indrindra no manapaka eo amin'ireo fanjakan'olona ary Izy no manome azy ireo ho amin'ny olona izay iriany. 26 Araka ny nandidiana ny hamelàna ny fakan'ny hazo, dia amin'izany fomba izany no hamerenana ny fanjakanao ho aminao amin'ny fotoana hahalalanao fa manjaka ny lanitra. 27 Noho izany, ry mpanjaka, aoka ny torohevitro ho azo ekena aminao. Ajanony ny fanotàna ka manaova izay marina. Mivilia amin'ireo helokao amin'ny fanehoana famindram-po amin'ireo nampahoriana, ary izany dia mba ho afaka hihitatra ny fahombiazanao." 28- 29 Nitranga tamin'ny mpanjaka Nebokadnezara ireny zavatra rehetra ireny. Roa ambin'ny folo volana taty aoriana dia nandeha teo amin'ny tafon'ny lapan'ny mpanjaka tany Babylona izy, 30 ary hoy izy hoe: "Tsy ity ve ilay Babylona lehibe, izay natsangako ho an'ny toeram-ponenam-panjakako, ho amin'ny voninahitry ny fahalehibeazako?" 31 Raha mbola teo am-bavan'ny mpanjaka ireo teny, dia nisy feo avy any an-danitra hoe: "Ry Nebokadnezara mpanjaka, nambara taminao fa efa nesorina taminao izao fanjakana izao. 32 Ho roahina tsy ho eo amin'ny vahoaka ianao, ary ny toeram-ponenanao dia hiaraka amin'ireo bibidia eny amin'ireo saha. Hampihinanana ahitra tahaka ny omby ianao. Fito taona no handalo mandra-pahatonga anao hiaiky fa ny Avo Indrindra no manapaka eran'ireo fanjakan'ny olona ary Izy no manome azy ireo ho an'ny olona iriany." 33 Izany didy nanohitra an'i Nebokadnezara izany dia notanterahina tsy nisy atak'andro. Noroahina tsy ho eo amin'ny vahoaka izy. Nihinana ahitra tahaka ny omby izy, ary kotsan'ny andon'ny lanitra ny vatany. Nihalava tahaka ny volon'ny rain'ny voromahery ny volony, ary tonga tahaka ny an'ny vorona ireo hohony. 34 Tamin'ny fiafaran'ny andro, izaho, Nebokadnezara, nanandratra ny masoko any amin'ny lanitra, ary naverina tamiko indray ny adalàko. "Midera ny Avo Indrindra aho, ary manome voninahitra an'ilay Iray izay mitoetra mandrakizay aho. Fa tsy manam-pahataperana ny fanapahany, ary maharitra hatramin'ny taranaka fara-mandimby ny fanjakany. 35 Tsinotsinona taminy ny mponin'ny tany rehetra; manao izay rehetra mety amin'ny sitra-pony amin'ny tafiky ny lanitra sy ny mponin'ny tany Izy. Tsy misy afaka hampijanona Azy na hifaninana aminy. Tsy misy afaka ny hiteny Azy hoe: 'Nahoana no nanao izao Ianao?'" 36 Tamin'io fotoana niverenan'ny adalako tamiko io ihany, dia niverina tamiko ny voninahitro sy ny fahalehibeazako ho an'ny voninahitry ny fanjakako. Nahita ny sitrako ireo mpanolotsaiko sy ireo lehilahiko mendri-kaja. Nentina niverina teo amin'ny seza fiandrianako indray aho, ary ambonin'izany dia nomena fahalehibeazana bebe kokoa aho. 37 Izaho, Nebokadnezara, dia midera, manandratra, ary manome voninahitra ilay Mpanjakan'ny lanitra ankehitriny, fa marina ireo asany, ary mahitsy ny lalany. Afaka mampietry ireo izay mandeha amin'ny fiavonavonany Izy.