Toko faha 2

1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Nebokadnezara, dia nanofy izy. Nihorohoro ny sainy, ary tsy afa-natory izy. 2 Ary nampiantso ireo ombiasy sy ireo izay nilaza ho miresaka amin'ny maty ny mpanjaka. Niantso ireo mpanao ody sy ireo olon-kendry ihany koa izy. Naniry azy ireo hilaza azy ny momba ny nofiny izy. Koa niditra izy ireo ary nijoro teo anolohan'ny mpanjaka. 3 Hoy ny mpanjaka tamin'izy ireo hoe: "Nanofy aho, ary ny saiko dia mitebiteby ny hahafantatra ny dikany ilay nofy." 4 Avy eo dia niresaka tamin'ny mpanjaka tamin'ny teny Aramiana ireo olon-kendry: "Ry mpanjaka,ho velona mandrakizay! Lazao aminay mpanomponao ilay nofy, ary izahay hanambara ny dikany." 5 Namaly an'ireo olon-kendry ny mpanjaka hoe: "Efa nilamina izany raharaha izany. Raha tsy ambaranareo sy hazavainareo ahy ilay nofy, dia ho potikapotika ny vatanareo ary ireo tranonareo hatao korotam-pako. 6 Fa raha lazainareo ahy ny nofy sy ny dikany, dia hahazo fanomezana avy amiko ianareo, valisoa iray, ary voninahitra lehibe. Koa lazao ahy ny nofy sy ny dikany." 7 Dia namaly indray izy ireo hoe: "Aoka ny mpanjaka hilaza aminay mpanompony, ny nofy dia holazainay anao ny dikany." 8 Namaly ny mpanjaka hoe: "Fantatro tsara fa te hahazo fotoana mihoatra ianareo satria hitanareo fa tena entitra ny fanapaha-kevitro momba izany. 9 Fa raha tsy lazainareo amiko ilay nofy, dia iray ihany ny teniko ho anareo. Nanapa-kevitra ny hanomana teny diso sy fitaka izay nifanekenareo ho lazaina amiko ianareo mandra-piova ny hevitro. Koa lazao ahy ary ilay nofy, dia ho fantatro fa afaka mandika izany amiko ianareo. 10 Namaly ireo olon-kendry ilay mpanjaka hoe: "Tsy misy olona eto an-tany afaka hananteraka ny fangatahan'ny mpanjaka. Tsy misy mpanjaka lehibe sy mahery mbola nangataka zavatra toy izany avy amin'ny ombiasy, na avy amin'iza na iza milaza fa miresaka amin'ny maty, na avy amin'ny olon-kendry. 11 Sarotra ny zavatra angatahin'ny mpanjaka, ary tsy misy na iza na iza afaka milaza izany amin'ny mpanjaka afa-tsy ireo andriamanitra, ary tsy miaina eo amin'ny olombelona izy ireo." 12 Nahatezitra sy tena nahavinitra ny mpanjaka izany, ka nanome baiko handringana ireo rehetra any Babylona izay fantatra tamin'ny fahendreny izy. 13 Koa nivoaka ny lalàna fa ireo rehetra izay fantatra tamin'ny fahendren'izy ireo dia hovonoina. Noho io lalàna io, dia nitady an'i Daniela sy ireo namany izy ireo mba hahafahana mamono azy ireo. 14 Ary i Daniela namaly am-pahamalinana sy am-pisainana an'i Arioka mpifehy ny mpiambina ny mpanjaka, izay tonga hamono ireo rehetra tao Babylona izay fantatra tamin'ny fahendren'izy ireo. 15 Nanontany ny mpifehin'ny mpanjaka i Daniela hoe: "Nahoana no dia maika tahaka izany ny lalàn'ny mpanjaka?" Koa nolazain'i Arioka tamin'i Daniela izay niseho. 16 Avy eo Daniela niditra ary nangataka ny hihaona tamin'ny mpanjaka mba hahafahany manao ny fandikana ho an'ny mpanjaka. 17 Avy eo dia nankany an-tranony ary nanazava izay niseho tamin'i Hanania, Misaela, sy Azaria i Daniela. 18 Namporisika azy ireo hitady famindram-po avy amin'ny Andriamanitry ny lanitra izy mahakasika io zava-miafina io mba tsy hamonoana azy sy azy ireo miaraka amin'ireo olona tavela tao Babylona izay fantatra amin'ny fahendren'izy ireo. 19 Tamin'io alina io dia nambara tamin'i Daniela tanaty fahitana ilay zava-miafina. Dia nidera an'ilay Andriamanitry ny lanitra i Daniela 20 ary niteny hoe: "Miderà ny anaran'Andriamanitra mandrakizay doria; fa Azy ny fahendrena sy ny hery. 21 Manova ny fotoana sy ny vanim-potoana Izy; manala sy mametraka ny mpanjaka eo amin'ireo seza fiandrianany Izy. Manome fahendrena ho an'ny hendry Izy ary fahalalana ho an'ireo izay manana fahazavan-tsaina. 22 Mampiseho ny lalina sy ireo zava-miafina Izy satria fantany ny ao anatin'ny fahamaizinana, ary ny hazavana miaina ao aminy. 23 Ry Andriamanitry ny razambeko, misaotra Anao aho ary midera anao noho ny fahendrena izay nomenao ahy. Efa nampahafantarinao ahy ankehitriny izay nangatahanay taminao; nampahafantarinao anay ny zavatra mampitebiteby ny mpanjaka." 24 Avy eo dia niditra i Daniela hijery an'i Arioka (ilay notendren'ny mpanjaka hamono ny olona hendry rehetra tany Babylona). Nandeha izy ary niteny taminy hoe: "Aza mamono ny olon-kendry any Babylona. Ento any amin'ny mpanjaka aho ary dia hasehoko ny mpanjaka ny dikan'ny nofiny." 25 Dia nentin'i Arioka faingana teo anatrehan'ny mpanjaka i Daniela ary niteny hoe: "Nahita lehilahy iray teo amin'ireo olon'i Joda natao sesitany izay hanambara ny dikan'ny nofin'ny mpanjaka aho." 26 Hoy ny mpanjaka tamin'i Daniela (izay atao hoe Beltesazara): "Moa ve ianao afaka ny hilaza amiko ny nofy izay hitako sy ny heviny?" 27 Daniela namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: "Ny zava-miafina izay nanontanian'ny mpanjaka dia tsy azon'ireo izay manana fahendrena aseho, na ireo izay milaza fa miresaka amin'ny maty, na amin'ny alalan'ireo ombiasy, ary tsy amin'ny alalan'ireo mpanandro. 28 Na dia izany aza, misy Andriamanitra izay monina any an-danitra, izay manambara ny zava-miafina, ary efa nampahafantariny anao, ry Nebokadnezara mpanjaka, izay hitranga amin'ny andro ho avy. Ireto ny nofinao sy ireo fahitan'ny sainao raha nandry teo amin'ny fandrianao ianao. 29 Raha ny aminao, ry mpanjaka, ny fisainanao eo am-pandrianao dia momba ireo zavatra ho avy, ary izay manambara ireo zava-miafina dia efa nampahafantatra anao izay hiseho. 30 Raha ny amiko, izany zava-miafina izany dia tsy nambara tamiko nohon'ny fahendrena izay hananako bebe kokoa mihoatra ny olombelona hafa. Nambara tamiko izany zava-miafina izany mba hahatakaranao ny dikany, ry mpanjaka, ary mba hahafahanao mahafantatra ireo eritreritra lalina ao anatinao. 31 Ry mpanjaka, nitraka ianao ary nahita sarivongana lehibe. Io sarivongana io, izay mahery tokoa sy mamirapiratra, dia nijoro teo anatrehanao. Mampihorohoro ny famirapiratany. 32 Ny lohan'ny sarivongana dia natao tamin'ny volamena tsara indrindra. Ny tratrany sy ny sandriny dia vita tamin'ny volafotsy. Ny afovoany sy ny feny dia vita tamin'ny varahina, ary ny ranjon'izany dia natao tamin'ny vy. 33 Ny tongotr'izany dia vita tamin'ny vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany. 34 Nitraka ianao, ary nisy vato tapaka iray, na dia tsy tamin'ny alalan'ny tanan'ny olona aza, ary namely ny sarivongana teo amin'ny tongony vy sy tanimanga izany, ary nandrava azy ireo. 35 Avy eo ny vy, ny tanimanga, ny varahina, ny volafotsy ary ny volamena dia potipotika ka lasa toy ny akofam-bary eo amin'ny famoloana amin'ny fahavaratra. Notsofin'ny rivotra ireo ary tsy nisy soritr'izy ireo tavela. Fa ilay vato izay namely ny sarivongana dia lasa tendromobohitra lehibe ary nameno ny tany rehetra. 36 Izany no nofinao. Ary andeha hilaza ny heviny amin'ny mpanjaka izahay izao. 37 Ianao, ry mpanjaka, no mpanjakan'ireo mpanjaka izay nomen'Andriamanitry ny lanitra ny fanjakana, ny fahefana, ny hery, ary ny voninahitra. 38 Efa nataony teo am-pelatananao ny toerana honenan'ny olombelona. Ary efa nomeny teo am-pelatananao ireo bibin'ny saha sy ny voron'ny lanitra, ary efa nanao anao ho mpanapaka eo amin'ireo rehetra ireo Izy. Ianao no lohan'ny sarivongana volamena. 39 Ao aorianao, dia hisy fanjakana hafa hitsangana izay ambany noho ianao, kanefa ny fanjakana varahina fahatelo dia hanapaka eo amin'ny tany rehetra. 40 Ary hisy fanjakana fahefatra, mafy tahaka ny vy, satria ny vy mamaky ireo zavatra hafa sy manorotoro ny zavatra rehetra. Manorotoro ireo zavatra rehetra ireo izany ary mamotika azy ireo. 41 Araka ny hitanao, ny tongotra sy ireo rantsany dia vita tamin'ny tanimanga nandrahoana sy vy ny ampahany, koa dia ho fanjakana voazara izany; ny sasany amin'ny herin'ny vy dia ho ao amin'izany, araka ny efa nahitanao ny vy nafangaro tamin'ny tanimanga malefaka. 42 Satria ireo rantsan-tongony dia natao tamin'ny vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany, dia ho mafy ny fanjakana amin'ny ampahany ary malemy amin'ny ampahany. 43 Tahaka ny nahitanao ny vy nafangaro tamin'ny tanimanga malefaka, dia hifangaro ireo olona; tsy hiara-hijanona izy ireo, tahaka ny vy tsy mifangaro amin'ny tanimanga. 44 Amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo, dia hametraka ny fanjakana izay tsy ho voarava mihitsy, na ho babon'ny olon-kafa ilay Andriamanitry ny lanitra. Handravarava ireo fanjakana hafa izany ary hampitsahatra azy ireo rehetra, ary dia hitoetra mandrakizay izany. 45 Araka ny efa hitanao, nisy vatolampy iray nanapaka tendrombohitra, fa tsy mba tamin'ny tanan'olombelona. Nanapatapaka ny vy, varahina, tanimanga, volafotsy, ary volamena izany. Efa nampahafantarin'ilay Andrimanitra lehibe anao, ry mpanjaka, izay hiseho aorin'izany. Marina ilay nofy ary azo antoka ity fandikana ity." 46 Nampiankohoka ny tavany teo anatrehan'i Daniela i Nebokadnezara ary nanaja azy; nandidy ny hanaovana fanatitra iray izy ary ditin-kazo manitra hatolotra ho azy. 47 Hoy ilay mpanjaka tamin'i Daniela hoe: "Tena ny Andriamanitrao no Andriamanitr'ireo andriamanitra, ilay Tompon'ireo mpanjaka, ary Ilay manambara ny zava-miafina, satria afaka manambara izany zava-miafina izany ianao." 48 Avy eo nataon'ny mpanjaka nanana ny haja ambony i Daniela ary nomeny fanomezana mahafinaritra. Nanao azy ho mpanapaka teo amin'ny ireo faritanin'ny Babylona rehetra izy. Lasa lehiben'ny governora teo amin'ireo olon-kendry indrindra an'i Babylona i Daniela. 49 Nanao fangatahana iray tamin'ny mpanjaka i Daniela, ary notendren'ny mpanjaka i Sadraka, Mesaka, ary Abednego mba ho mpandrindra eo amin'ireo faritanin'i Babylona. Fa Daniela kosa nitoetra tao amin'ny lapan'ny mpanjaka.