Toko faha 11

1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Dariosy Mediana, dia izaho mihitsy no tonga hanohana sy hiaro an'i Mikaela. 2 Ho lazaiko aminao ny marina izao. Hisy mpanjaka telo hitsangana any Persia, ary ny fahefatra dia ho mpanefoefo lavitra noho ireo hafa rehetra. Rehefa nahazo hery tamin'ny hareny izy, dia hamporisika ny olon-drehetra hanohitra ny fanjakan'i Gresy. 3 Hisy mpanjaka mahery hitsangana izay hanapaka fanjakana lehibe tokoa, ary hanao araka izay iriany izy. 4 Rehefa tafatsangana izy, dia ho rava ny fanjakany ary hizara amin'ny rivotra efatry ny lanitra, fa tsy amin'ny taranany manokana, ary tsy amin'ny fahefany fony nanapahany. Fa ny fanjakany dia ho fongotra ho an'ny hafa ankoatra ireo taranany. 5 Ny mpanjakan'ny Atsimo dia ho lasa matanjaka, saingy ny iray amin'ireo mpifehiny dia hanjary hatanjaka lavitra noho izy ary hanapaka ny fanjakany amin'ny hery lehibe. 6 Taona vitsy aorian'izany, rehefa mety ny fotoana, dia hanao fihavanana izy ireo. Ny zanaka vavin'ny mpanjakan'ny Atsimo ho avy any amin'ny mpanjakan'ny Avaratra hanamafy ny fifanekena. Saingy tsy hahatana ny herin'ny ny sandriny izy, na koa hotafajanona ralehilahy, na ny sandriny. Hafoy izy—izy sy ireo izay nitondra azy, ary ny rainy, sy izay nanohana azy tamin'izany fotoana izany. [Fanamarihana: Raha tokony ho "ny sandriny" , izay ao amin'ny lahatsoratra Hebreo, maro amin'ireo dika-teny sasany taloha sy ankehitriny no mivaky toy izao: "ny voany", izany hoe: "ireo zanany."] 7 Fa hisy rantsana avy amin'ireo fakany hitsangana handimby ny toerany. Hanafika ny tafika izy ary hiditra ao amin'ny fiarovana mafin'ny mpanjakan'ny Avaratra. Hiady amin'izy ireo izy, ka haharesy azy. 8 Hoentiny any Egypta ireo andriamaniny mbamin'ireo sary voasokitra vy ary ireo lovia volafotsy sy volamena sarobidin'izy ireo. Hijanona lavitra ny mpanjakan'ny Avaratra mandritra ny taona maromaro izy. 9 Hananika ny fanjakan'ny mpanjakan'ny Atsimo ny mpanjakan'ny Avaratra, saingy hiala ho any amin'ny taniny izy. 10 Hivonona ary hanangona tafika lehibe ireo zanany lahy. Hiavy hatrany hatrany izany ary hanafotra ny zava-drehetra; handalo avy eo amin'ny lalana rehetra ho eo amin'ny fiarovany mafy izany. 11 Hanjary ho tezitra mafy ny mpanjakan'ny Atsimo; handeha ary hiady amin'ny mpanjakan'ny Avaratra izy. Hanangana tafika goavana ny mpanjakan'ny Avaratra, saingy hatolotra eo an-tanany ny tafika. 12 Ho lasa ny tafika, ary ny fon'ny mpanjakan'ny Atsimo hisandratra, ary handavo an'alinalina izy, saingy tsy ho mpandresy. 13 Hanangana tafika hafa ny mpanjakan'ny Avaratra, goavana noho ilay tamin'ny voalohany. Taona maro aty aoriana, dia ho avy tokoa ny mpanjakan'ny Avaratra miaraka amin'ny tafika goavana voavatsy fitaovana betsaka. 14 Amin'izany fotoana izany dia maro no hitsangana hanohitra ny mpanjakan'ny Atsimo. Zanaka mpisetrasetra maro eo amin'ny vahoakanao no hametraka ny tenan'izy ireo hahatanteraka fahitana iray, saingy ho tafintohina izy ireo. 15 Ho avy ny mpanjakan'ny Avaratra, handraraka tany hanaovana tovon-tany, ary hambabo tanàna amin'ny fiarovana mafy. Tsy ho afa-mijoro ny tafiky ny Atsimo, na dia ireo miaramila mahery indrindra aza. Tsy hisy hery ho tafajoro. 16 Fa kosa, izay ho avy no hanao izay iriany hanoherana azy; tsy hisy ho tafatsangana eo amin'ny lalany. Hitsangana eo amin'ny tanin'ny fahatsarana izy, ary ho eo an-tanany ny fandringanana. 17 Hanomana ny tavany ho avy miaraka amin'ny herin'ny fanjakany rehetra ny mpanjakan'ny Avaratra, ary hisy fifanarahana izay hataony miaraka amin'ny mpanjakan'ny Atsimo hiaraka aminy. Hanome zanaka vavy avy amin'ny vehivavy hampakarina izy mba hamotehana ny fanjakan'ny Atsimo. Fa tsy hahomby na hanampy azy ilay tetika. 18 Aorian'izany, dia ho liana amin'ny sisin-tany ny mpanjakan'ny Avaratra ary hambabo ny maro amin'izy ireo. Saingy hisy mpifehy hanapitra ny avonavony ary hahatonga ny fireharehany hivadika ho any aminy ihany. 19 Dia ho liana amin'ny fiarovana mafin'ny taniny ihany izy, saingy ho tafintohina izy ka ho lavo; ary tsy ho hita. 20 Dia hisy olona hitsangana handimby ny toerany izay hampandalo mpamory hetra iray noho ny amin'ny famirapiratan'ny fanjakana. Fa amin'ny andro manaraka eo dia ho torotoro izy, fa tsy amin'ny hatezerana na amin'ny ady. 21 Olona notsinontsinoavina izay tsy mba homen'ny olona ny voninahitry ny fahefan'ny mpanjaka no handimby ny toerany; ho avy tampoka izy ary haka ny fanjakana an-kafetsena. 22 Hisy tafika iray ho voafaoka tahaka ny safo-drano eo anoloany. Samy ho ringana avokoa izany tafika izany sy ny mpitarika ny fanekena. 23 Amin'ny fotoana izay hanaovana fifanarahana miaraka aminy, dia hamitapitaka izy; vahoaka vitsy an'isa fotsiny no hahatonga azy hatanjaka. 24 Ho avy any amin'ny faritany manan-karena indrindra tsy hampitandrina akory izy, ary tsy hanao izay nataon'ny rainy na ny raibeny izy. Hampiely ireo voasambotra, ireo babo, ary ireo harena eo amin'ireo mpanaradia azy izy. Hitetika ny fanonganana ny fiarovana mafy izy, fa vetivety ihany. 25 Hamoha ny heriny izy ary ny fony hanohitra ny mpanjakan'ny Atsimo amin'ny tafika goavana. Hanangana ady amin'ny tafika lehibe, tena mahery ny mpanjakan'ny Atsimo, saingy tsy hiangana izy satria hikononkonona hanohitra azy ny hafa. 26 Na izay mihinana ny hanim-piny aza dia hitady hamotika azy. Ho voafaoka tahaka ny safo-drano ny tafiny, ary maro amin'izy ireo no ho lavo voavono. 27 Samy hipetraka eo amin'ny latabatra iray ihany ireo mpanjaka ireo, amin'ny fon'izy ireo mikasa hifanao ratsy, hifandainga ao amin'izy ireo,saingy tsy hisy dikany izany. Fa ho avy ny farany amin'ny fotoana izay efa voatondro. 28 Hiverina any amin'ny taniny miaraka amin'ny harem-be ny mpanjakan'ny Avaratra, miaraka amin'ny fony manohitra ny fanekena masina. Hiasa izy ary hody any amin'ny taniny ihany avy eo. 29 Amin'ny fotoana voatondro dia hiverina izy ary ho avy hanohitra ny Atsimo indray. Fa amin'ity indray mandeha ity dia tsy ho tahaka ny teo aloha. 30 Fa ho avy hanohitra azy ireo sambon'i Kitima, ary hanjary hatahotra ka hiemotra izy. Ho sosotra amin'ilay fanekena masina izy, ary haneho sitraka amin'ireo izay mahafoy ny fanekena masina. 31 Hitsangana ny heriny ka hanota-fady ny fiarovana mafin'ny fitoerana masina. Halain'izy ireo ny fanatitra dorana mahazatra, ary hapetrak'izy ireo ny fahavetavetana izay mahatonga faharavana. 32 Ny amin'ireo izay ratsy fanahy tamin'ny fifanekena, dia ho fitahiny ireny ka ho simba toetra. Saingy ireo olona izay mahalala ny Andriamanitr'izy ireo dia hahery ary hiasa. 33 Ireo izay hendry eo amin'ny olona no hampahalala ny maro. Fa ho lavon-tsabatra sy ny lela afo izy ireo; ho lavo any amin'ny fahababoana sy ny fandrobana mandritra ny andro maro izy ireo. 34 Amin'ny fahalavoan'izy ireo, dia ho vonjena amin'ny famonjena kely sy bitika izy ireo. Hikambana amin'izy ireo am-pihatsarambelatsihy ny maro. 35 Ho lavo ny sasany amin'ireo hendry hany ka ho avy amin'izy ireo ny fandiovana, ny fanasana, ary fanadiovana, ambara-pahatongan'ny fotoana ny farany. Fa mbola ho avy ihany ny fotoana voatondro. 36 Hanao araka izay iriany ny mpanjaka. Hanandra-tena izy ka hanao ny tenany ho lehibe ambonin'ny andriamanitra rehetra. Hilaza zavatra manohina hanohitra ny Andriamanitry ny andriamanitra izy, fa hahomby ambara-pahatanterahan'ny fahavinirana izy. Fa ho atao izay efa nodidiana. 37 Tsy mba hiraharaha ireo andriamanitry ny razany izy na ilay andriamanitra tsiriritin'ny vehivavy. Ary tsy hiraharaha izay mety ho andriamanitra rehetra izy. Fa hanao ny tenany ho ambonin'ny olon-drehetra izy. 38 Hankalaza ny andriamanitry ny fiarovana mafy izy fa tsy ireo. Andriamanitra izay tsy neken'ireo razany no homena haja amin'ny volamena sy volafotsy, amin'ny vato soa sy fanomezana sarobidy izany. 39 Hanafika ireo fiarovana mafy indrindra izy amin'ny fanampian'ny andriamani-kafa. Izay rehetra manaiky azy, dia homeny voninahitra be. Hataony mpanapaka eo amin'ny olona maro ireo, ary hozarainy ho valisoa ny tany. [Raha tokony hoe "Hanafika ireo fiarovana mafy indrindra izy", ny dikan-teny vaovao sasany dia misy hoe: "Hiaro ny fiarovana mafiny izy."] 40 Amin'ny fotoan'ny farany no hanafika ny mpanjakan'ny Atsimo. "Hamely azy amin'ny kalesy sy mpitaingin-tsoavaly, ary sambo maro ny mpanjakan'ny Avaratra. Ho avy hanohitra ireo tany izy, hanenika azy ireo, ary hamakivaky izany. 41 Handeha any amin'ny tanin'ny fahatsarana izy, ary Israelita an'alinalina no ho lavo. Fa ireto no ho tafandositra amin'ny tanany: Edoma, Moaba, ary ireo sisa tamin'ny vahoakan'i Amona. 42 Hanitatra ny tanany amin'ireo tany izy; ary tsy havotana ny tany Egypta. 43 Hifehy ny rakitra volamena sy volafotsy izy, ary ny haren'ny Egypta rehetra; ho eo an-tongony ireo Lybiana sy ireo Etiopiana. 44 Fa hampihorohoro azy ny vaovao avy any atsinanana sy avaratra, ka handeha hivoaka amin'ny fahavinirana lehibe izy mba handravarava tanteraka ary hanokana ny maro ho ringanina. 45 Hametraka ny lain'ny fonenan'ny mpanjakany eo anelanelan'ny ranomasina sy ny tendrombohitry ny fahatsaran'ny fahamasinana izy. Ho tonga amin'ny fiafarany izy, ary tsy hisy hamonjy azy.