1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Kyrosy mpanjakan'i Persia, dia nisy hafatra nambara tamin'i Daniela, izay nantsoina ihany koa hoe Beltesazara. Marina izany hafatra izany. Izany dia momban'ny ady lehibe. Nahatakatra ilay hafatra i Daniela rehefa nahazo faharanitan-tsaina avy amin'ny fahitana izy. 2 Tamin'izany andro izany, izaho Daniela, dia nisaona nandritra ny telo herinandro. 3 Tsy nihinana hanim-py aho, tsy nihinana hena mihitsy, tsy nisotro divay mihitsy, ary tsy mba nanosotra diloilo tamin'ny tavako mandra-pahavitan'ny telo herinandro manontolo. 4 Tamin'ny andro fahefatra amby roapolon'ny tamin'ny voalohan'ny volana, raha teo akaikin'ny ony lehibe aho (izany hoe, Hedekela), 5 niandrandra aho ary nahita lehilahy nitafy lamban-drongony, miaraka amin'ny fehikibo vita amin'ny volamena tsy mifangaro avy any Ofaza manodidina ny valahany. 6 Ny vatany dia toy ny topaza, ary ny tarehiny toy ny hazavana. Ireo masony tahaka ny fanilo mirehatra, ary ireo sandriny sy ny tongony toy ny varahina manganohano. Ny feony toy ny feon'olona maro be. 7 Izaho, Daniela, irery no nahita fahitana, fa ny olona izay teo amiko dia tsy nahita ny fahitana. Na izany aza, tonga teo amin'izy ireo ny horohoro lehibe, ary nandositra nanafina ny tenany izy ireo. 8 Koa izaho irery no sisa teo ary nahita ilay fahitana lehibe. Tsisy hery nitoetra tao amiko; nihasimba nivaloarika ny endriko namiratra, ary tsisy hery nitoetra tao amiko. 9 Dia naheno ireo teniny aho—ary raha naheno azy ireo aho, latsaka tanaty torimaso lalina aho ary ny tarehiko teo amin'ny tany. 10 Nisy tanana nikasika ahy, ary nampangovitra ny lohaliko sy ny felan'ny tanako. 11 Niteny tamiko ny anjely hoe: "Ry Daniela, lehilahy nohindrahindraina fatratra, fantaro ireo teny izay lazaiko aminao. Mijoroa mahitsy, satria nirahina ho aty aminao aho." Rehefa avy niteny izany hafatra izany tamiko izy, dia nijoro am-pangovitana aho. 12 Dia hoy izy tamiko: "Aza matahotra, ry Daniela. Nanomboka tamin'ny andro voalohany nahafantaranao izany tao an-tsainao ary nanetrenao tena teo alohan'ny Andriamanitrao, dia efa re ny teninao, ary tonga aho noho ny teninao. 13 Ny andriandahy ao amin'ny fanjakan'i Persia nanohitra ahy, ary niandry ny mpanjakan'ny Persia aho nandritran'ny iraika amby roapolo andro. Fa i Mikaela, anankiray amin'ireo andriana lehibe, no tonga nanampy ahy. [Fanamarihana: Raha tokony hoe "mpanjakan'i Persia", misy amin'ireo dikan-teny taloha nanao hoe: "Andriandahin'ny mpanjakan'i Persia".] 14 Ankehitriny tonga aho hanampy anao hahatakatra izay hanjo ny vahoakanao amin'ny andro farany. Fa ny fahitana dia ho an'ireo andro mbola ho avy." 15 Rehefa nilaza tamiko tamin'ny fampiasana ireo teny ireo izy, natodiko tamin'ny tany ny tavako ary tsy afaka niteny aho. 16 Nikasika ny molotro ny olona iray izay tahaka ny zanak'olona, ary nanokatra ny vavako aho ka niteny taminy nitsangana teo anoloako hoe: "Ry Tompoko, nohon'ny fahitana dia ao anaty fahoriana aho; tsy misy hery tavela ato amiko. 17 Mpanomponao aho. Ahoana no hahafahako miresaka amin'ny tompoko? Fa ankehitriny tsy manan-kery aho, ary tsy misy fofon'aina tavela ato anatiko." 18 Nikasika ahy indray ilay naka endrik'olona ary nankahery ahy. 19 Hoy izy hoe: "Aza matahotra, ry lehilahy nahindrahindra fatratra. Fiadanana anie ho anao! Matanjaha izao, matanjaha!" Raha mbola niresaka tamiko izy, dia nahery aho. Hoy aho hoe: "Aoka ny tompoko no hiteny, fa nankahery ahy ianao." 20 Dia hoy izy hoe: "Fantatrao ve nahoana aho no tonga eto aminao? Mbola hiverina hiady amin'ny andriandahin'i Persia aho. Rehefa mandeha aho, dia ho avy koa ny andriandahin'i Grisia. 21 Nefa ho lazaiko aminao izay voasoratra ao amin'Ny Bokin'ny Marina. Tsy misy olona mampiseho ny tanjaky ny tenany amiko mba hanohitra azy ireo, afa-tsy Mikaela andriandahinareo.