1 "Amin'izany fotoana izany i Mikaela, ilay andriandahy lehibe izay miambina ny vahoakanareo, dia hitsangana. Hisy fotoan'ny fahoriana izay tsy mbola nisy hatramin'ny niandohan'ny firenena hatramin'izany andro izany. Amin'izany fotoana izany ny vahoakanao dia ho voavonjy, dia izay rehetra hita fa voasoratra anarana ao amin'ny boky. 2 Maro amin'izay mandry amin'ny vovoky ny tany no hitsangana, ny sasany ho amin'ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin'ny fahamenarana sy fanamavoana mandrakizay. 3 Ireo izay hendry dia hamirapiratra toy ny hazavan'ny lanitra ambony, ary ireo hamerina ny maro amin'ny fahamarinana, dia toy ireo kintana mandrakizay doria. 4 Fa ianao, ry Daniela, ahorony ireo teny ireo; tehirizo ho voaisy tombokase ny boky mandra-pahatonga ny fotoanan'ny farany. Maro no hihazakazaka etsy sy eroa, ary hitombo ny fahalalana." 5 Ary izaho, Daniela, nijery, ka nisy roa hafa nitsangana. Ny iray nitsangana teto amoron'ny ony, ary ny anankiray tetsy ankilany amoron'ny ony. 6 Ny iray tamin'izy ireo niteny tamin'ilay lehilahy miakanjo rongony fotsy, izay teo ambonin'ny ony hoe: "Mandra-pahoviana no hiafaran'ireto zava-mahagaga ireto?" 7 Reko ilay lehilahy miakanjo rongony fotsy, izay teo ambonin'ny ony—nanandratra ny tanany ankavanana sy ny tanany ankavia tamin'ny lanitra izy ka nihaniana tamin'ilay iray izay velona mandrakizay fa ho fotoana iray, fotoana roa, sy atsasam-potoana izany. Rehefa nopotehina ihany ny herin'ny olona masina, dia ho tanteraka avokoa ireo zavatra rehetra ireo. 8 Nandre aho, fa tsy nahatakatra. Koa nanontany aho hoe: "Ry tompoko, inona no ho vokatra amin'ireto zavatra rehetra ireto?" 9 Hoy izy: "Mandehana amin'ny lalanao, ry Daniela, fa ny teny dia efa voahorona sy voaisy tombokase mandra-pahatongan'ilay fotoana farany. 10 Maro no ho diovina, ho voasasa, ary ho voafotsy, fa ny ratsy fanahy hanao faharatsiana. Tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahatakatra, fa ireo izay hendry no hahatakatra. 11 Hatramin'ny fotoan'ny fampitsaharana ny fanatitra dorana mahazatra sy ny fametrahana ny fahavetavetana izay mitondra ny fandravana tanteraka, dia hisy andro 1 290. 12 Sambatra izay miandry hatramin'ny fiafaran'ny 1.335 andro. 13 Tsy maintsy mandeha amin'ny lalanao hatramin'ny farany ianao, ary hitsahatra ianao. Hitsangana eo amin'ny toerana voatondro ho anao ianao, amin'ireo andro farany."