Marka 14

1 Roa andro meloan'ny Paska sy ny finanana ny mofo simise masimasina de niaragna fomba anamborana an'i Jesosy ny loan'ny mpisorona sy ny mpitondra faanjakana mba amonona Anaze. 2 De oy izareo: "Aleo siaman'ny andro fete mba mba siampitabataba ny olona. 3 Raa takagne Betania Jesosy niinana raanina tako andragnon'i Simona boka, de nagnatogna an'Aze ny viave reka nitondra tavoange mise menaka magnetra lafo vide indrindra. Novakiane ilae lavoange mise menaka magnetra de naosone tio amin'ny loan'i Jesosy. 4 Naavignitra olona laligna anefa izane. Nifampikorana rizaro ka nagnano oe: inona dikan'izao fandanianiapogna izô? 5 Menaka magnitra tokone amide miotra ny vola telon-jato ary omena ny malahele. De vignitra mafy mafe tamin'ilae vevave zaro. 6 Nefa oy Jesosy tamanjaro: "Aveleo ize magnino anaro magnano zegne mampalaelo ananje? Zavasoa no nanine tamanaa. 7 Ny sairana, oeo aminaro mandraka-riva ary afaka magnano asa soa oananje anarô fa izao kosa sy itoetra aketo aminarô isan'andro. Nagnano zegne azone nanine ize. 8 Nagnosotra ny tegnako agnanôvana anaa amin'ny fandevegnana ize. 9 Lazeko aminarô marina fa na akaza na akaza aketo ambonin'ny tane no itorina ny filazansara de olazena ny natôn'ity raviavy ity mba ofaserovan anaze." 10 Ary Jodasy Iskariota, reka tamanize roambin'ny folo lae de lasa ninga akagne amin'ny loan'ny mpisorona aafaane amadika an'i Jesosy. 11 Rehefa naregne any zane zarô loan'ny mpisorona de fale de fale ka nampanantena vola anaze. De nanomboka niaragna fotôna sara amadiana an'Azy ize. 12 Tamin'ny andro vôlognane finanana ny mofo simise masirasira, refa namono ny ondry ny paska ry zarô de oy ireo mpianane tamin'i Jesosy. ''Aiza no tianô andeanane ikarakarana raanina mba inananô ny paska?" 13 De nagniraka ny mpianatra roe Ize ka nizaka taminjarô oe: "Mandeana agne anatanàna fa ise lilae mitondra siô feno rano iaro amanarô. Magnaraa anaze. 14 Nakaza ny trano nidirane, de magnaraa aze ary zakiô ny tompon'ny tragno oe: ''oavy ny mpampinatra.'' Akaza ny efitragno aafaako miaraka omana ny mpasika aminarô mpianatra anaa?" 15 Agnatoro anarô efitragno leibe amboniriana efa nomagnina sara ize. "Ao anarô no magnano ny fagnomagnana reetra." 16 De ninga ny mpianatra nagnatogna ny tanàna. Itanjarô avokoa izay efa nozakena tamanaze, de nagnomana ny sakafon'ny paska ry zarô. 17 Reefa ariva ny andro, tonga niaraka tamanjarô roeambinifolo lae Ize. 18 Reefa niaraka nisakafo zarô de oy Jesosy: ''Lazeko aminarô marina fa ny reka amanarô, zegny miaraka omana amanaa aketo, no amadika anaa''. 19 Nalaeko mafy izireetra, ka nizaka ny sirekareka zarô taminaze oe: ''Sizao zane.'' 20 Jesosy namaly ka nizaka aminjarô: ''Ny reka aminarô roeambinifolo, zegne miaramagnasoboka mofo amanaa agnaty kôpy.'' 21 Ny etogna ny zanakolona de mande amanazegne efa vôlazan'ny soratra Masina io Anaze. Fa loza oanizegne amadika ny zanakolona. Sara ho anaze kokoa ny siteraka. 22 Roa mbola tiô ampiinanana ry zarô, nalôny Jesosy ny mofo, natône ny fisôna de novakine. Natolone anjarô izane aty oy Izy: ''Reso ity no tegnako". 23 De nandre kapôke Ize, natône ny fisôrana, de natolone anjarô ka nisotro tamin'izane zarô reetra. 24 De oy ize taminjarô ity ny rako amin'ny fanekempevanana, zae alasaka ho an'ny maro. 25 Lazeko aminarô marina, simba isotro ny vokatry ny Vôloboka insony ao raa siaman'ny fanjakan'Andriamanitra. 26 Reefa ave niira fiderana izarô, de nianga akagne antaviran'olona. 27 De hoy jesosy taminjarô: ''Iemotra daôlo anarô no ny amanaa, fa viasotra oe amango ny mpiambina ondry ao de iparitaka ny ondry. 28 Raa isangana amana'ny mate aho de ingaloanarô ary Glilia. 29 De oy Petera tanminaze: ''Na de iemotra daholo aza ny maro, aho simba iembotra. 30 Ary oy Jesosy taminy: ''Lazaiko amanô marina fa iniane ariva, roa simagnino indoe akore ny akoho, de efa mandà Anaa intelo saade anô. 31 Fa oy ndeky Petera: ''Simense miaraka maty aminô aza ao, simba andà anô se ao.'' De samy nagnekenizane abe ize reetra. 32 Ary tonga tegne amin'ny toerana atoa oe Getsemania izarô, de oy Jesosy taminy mpianany: ''Mibidia aketo anarô mandrapivavako Anaa.'' 33 Denitondra an'i Petera sy Jakoba sy Jaona Ize, ary nanomboka nalaelo sady kive indrindra. 34 De oy Izy taminjarô : ''Mizale mafy ny fagnaiko ka raa efa ofate mibodia eto anarô ka membena'' 35 Reefa nagnalavitra kelikely Jesosy de nandoalika tamina tane Ize, de nivavaka mba elanizane ora izane tamine, raa azo ataô. 36 Ary oy Ize: ''Dada, Reiko ô, raa reetra enô atô: Ale amanaa ety kapoô ety, nefa sinisitrapoko no tanteraka fa ny Anô. 37 Noo nierigna Ize de naita anjarô mandre, ka oy Ize taman'i Petera: ''Simona, mandrè va anô? simaaritra miaritra torimaso na de adiny reka aby ve 38 anô mavandria toromaso de mivavaa mbarase sidiranarô amin'ny fakampagnae. Ny fagnae mariska mi fa ny nofo sy matanjaka. 39 De ningandreka Izy de niataka bitabitaka mba hivavaka, ary de nangnerigna niteny nataony teo aloa mi Ize. 40 Noo nioeina ndreka Ize de naita andrareo mandre mavesatra ny torimaso ny masony, ary siitanjarô zegne olazene an'i Jesosy. 41 Nagnatona anjarô fagnotelony Ize ka nizaka oe: ''Mbola mandre sy maka egna fôgna va anarô? Oka izegne, efa tonga ny fotôna. Antegno! Ny zanak'olana nofitaine atolone akeô antagnan'ny mpanota. 42 Misangana andô, isena efa marivo lae amadika Anaa. 43 Ary raa mbola tiô ampizakana Ize, de tonga i Jodasy, reka amanjarô rombinifolo lae, niaraka tamana olona laligne zay nitondra fediana sy ramarangitra, nasen'ny loan'ny mpisorona sy ny mpitondra fanjakana ary ny loolona. 44 Ary laimpamadika efa nagnome aze famantarana oe: ''Izae fagnoroako no Ize, sambore Ize de andose ka aza alefa.'' 45 Reefa tonga Jodasy de nagnantogna an'i Jesosy malade ize sade nizaka oe: ''Raby ô, sade nagnoroka an'Aze. 46 De nagnatona an'Aze ireo olona ka namatotra ny tagnane. 47 Nireka amanjarô nisangana teô maivorivo de namôka fedina ka naafaka ny tadignilae mpiasan'ny mpisorona be. 48 De oy Jesosy tamanjarô: ''Tonga anambotra Anaa anarô kara olona anambotra dalo, miaraka amana fediana sy raa marangitra. 49 Tiô aminarô isan'andro Ao, nampianatra takiô antokontan'ny tempole, sinosamborinarô. Fa izô no tonga de mba atanteraka ny Soratra Masina. 50 Ary ireo reetra niaraka tamin'i Jesosy de niala tamananze ary nivone. 51 Ary nisy tovolae raike nagnaraka Anaze sinisikina afasy lamba fose; nosamborin'olona ize 52 fa navelane tiô ny lambany de nilefa niboridana izy. 53 Ary nitondra an'i Jesosy takegne aman'ny mpisorombe zarô. Niaraka tiô ale ny mpisorona manontolo sy ny loolona ary ny mpitondra fanjakana. 54 Ary Petera nagaraka Ananje tegne lavidavitra tegne, atramin'ny tokotanin'ny mpisorombe. Niaraka nibodika tiiô aman'ny mpiambina ize namindra tiô aman'ny afo. 55 Ary ny loan'ny mpisorogna sy ny Synedriona de niarana vavolombelona mba iampangana afate an'i Jesosy. Nefa sinaita zarô na de fagnameloana reka aza. 56 Fa laligna ny vavolombelona mamese, nefa ny fanameloana aza sinifagnaraka abe. 57 Are nise olona sasagne nisangana ka nagnampanga fese Ananje, de nizaka oe: 58 "Regnine Ize nizaka oe: "Oraveko ity tempole namboarin'ny tagnan'olombelona ity afaka telo andro ao de anagnana reka afa sinamboarin-tagnana." 59 Fa mbola sy nifagnaraka iane ny filazan-jarô tamananje. 60 Aryy ny mpisorombe nisangana tiô ampovoan-jarô de nagnadina an'i Jesosy ize nagnao oe: "simanagna avale akore ve anô? Ino no ifosan'ireto olona ireto anô?" 61 Fa nangigna Jesosy sade sinamale ananje akore. De pola nagnadina ananje ndreka ny mpisorombe ka nagnano oe: "Anô ve ny Kristy, Zanak'Andriamanitra feno fitiavana?" 62 De oy Jesosy: "Izao no Ize. Oitanarô ny Zanak'olona mibodika akiô ankavanan'ny herin'Andriamanitra sade ave aman'ny raon'ny lagnitra." 63 Ary ny mpisorombe nandriatra ny fitafiana sade nagnano oe: "Pola mila vavolombelona my ve isena? 64 Efa regnarô ny fizakan-drase nanine, ino no evitranarô? De same nagnameloka Ananje izy reetra no nangeke oe: "Sara amananje no ofate." 65 Ny sasane nanomboka nandora Aze, nanampinany tareine sade namango sobagna Ananje ka nagnano oe: "Maminagnia!" Ary reo manam-boninaitra nandrotra Ananje sade nandraboka Ananje koa. 66 Are raa nibodika tiô ambane tiô i Petera, de nagnatogna Ananje reka aman'ny zamadinika viavin"ny mpisorombe. 67 Naita an'i Petera namindro tiô ize, de nofantarine akeke. De oy ize tamananje: "Anô koa niaraka taman'i Jesossy avekagne Nazareta." 68 Faize nandà ka nagnano oe: "Sifantako sade siazoko zegne zakenô." De lasa nandia ankianja Ize. 69 Fa ilae zazaviave naita aze ndreka, de nizaka taman'olona nisangana magnodidignaoe: "Io lilae io, tegna naman'izy regne." 70 Fa mbola nandà ndreka ize. Bitabitaka avekiô pola oy reo tiô marivon'i Petera oe: "Naman'iregne tokoatra anô satria anô Galiliana." 71 De nanomboka niozogna sade nifanta nagnano oe: "Sifantako zany lilae zakenarô zany." 72 Are niaraka taman'izane de nagnino fanondroene ny akoo. De nasaro ny zakan'i Jesosy taman'i Petera nagnano oe: "Raa simbola magnino fagnondroene ny akoo, de andà Anaa intelo anô." de nalaelo ize sade nitomagne.