1 Tafaranigny nahafatesan'i Ahaba dra nikomy hanohisy an'Israely i Moaba. 2 Dra nikarapoky teo amigny makarakara tao amigny efitragnony ambony tao Samaria i Ahazia, dra narasy. Dra nalefany reo pitondra gny hafany dra hoy izy tamin'ereo ho: "Mandehana, magnotania an'i Bala-zeboba, Zagnaharin'i Ekrona, raha ho sitrany amity atrako tihoky zaho." 3 Fa gny ajelin'i Yaveh nizaka tamin'i Elia Tisbita ho: "Mandeha, mekara hihaona amireo pinday gny hafany gny pazakan'i Samaria, dra agnotanio amin'ereo ho: 'Satria ra sy misy Zagnahary ao Israely gny handeha hangalaky hevisy agny amin'i Bala-zeboba, zagnaharin'i Ekrona hanao? 4 Noho zay dra hoy i Yaveh ho: "Sy hizisoboak'eo amigny fandrianao ze fa nekaranao hanao; fa koa, ho maty vatany hanao."" Boak'eo dra lasa i Elia. 5 Gny fa nihery tagny amin'i Ahazia reo pinday hafasy, dra hoy izy tamin'ereo ho: "Fa nagnino handrareo gny nihery?" 6 Hoy ereo taminazy: "Nisy lelahy raiky nihaona taminay nizaka ho: 'Miheregna agny aminigny pazaka ze nandefa andrareo, dra zakao anazy ho: "Zao gny zakan'i Yaveh: 'Akory ra sy misy Zagnahary gnam'i Israely ao gny nadefa gny olo hangalaky hevisy agny amin'i Bala-zeboba, zagnaharin'i Ekrona hanao? Dra noho zay dra fa hizoso boak'eo amigny fandrinao ze fa niakaranao hanao; fa koa, ho maty vatany hanao.""' 7 Ahazia nizaka tamireo pandefa gny hafany ho: "Lelahy manahaky gny aniza, ze olo nihaona tamindrareo dra nizaka reo zaka reo zay?" 8 Izy reo namaly anazy ho: "Nekazo vita amigny volo izy dra fehi-troky hodisy teo amigny andilany." Dra gny pazaka namaly ho: "Elia Tisbita zay." 9 Dra nandefa kapiteny miarak'amigny maramila dimapolo ho agny amin'i Elia gny pazaka. Niakasy tagny amin'i Elia ze nitoby tagny atapo-kavoa gny kapiteny. Hoy gny kapiteny taminazy ho: "Ino, ry lelahin'Agnahary , nizaka gny pazaka ho: 'Mizosoa."' 10 Elia namaly dra nizaka taminigny kapiteny ho: "Raha lelahin'Agnahary zaho, aoky hilasaky boak'egny amigny lagnisy gny afo dra handevon'anao vo reo dimapolo lahinao." Dra nilasaky boak'egny amigny lagnisy gny afo dra nandevon'anazy vo reo dimapolo lahiny. 11 Nandefa kapiteny hafa ndraiky nindray tamireo maramila dimapolo ho agny amin'i Elia i Ahazia pazaka. Hoy koa ze kapiteny zay tamin'i Elia ho: "Hanao, ry lelahin'Agnahary, nizaka gny pazaka ho: 'Mizosoa malaky."' 12 Elia namaly dra nizaka tamin'ereo ho: "Raha lelahin'Agnahary zaho, aoky hilasaky boak'egny amigny lagnisy gny afo dra handevon'anao vo reo dimapolo lahinao." Dra nilasaky boak'egny amigny lagnisy ndraiky gny afon'Agnahary dra nandevon'anazy vo reo dimapolo lahiny. 13 Bo nandefa vondro pialy dimapolo fagnitelony ndraiky gny pazaka. Niakas'io kapiteny io, nandohaliky teo anoloan'i Elia izy, dra nengavy anazy vo nizaka taminazy ho: "Hanao, ry lelahin'Agnahary, mangataky aminao zaho, aoky ho sarobily eo amasonao gny aiko vo gny ainigny panoponao dimapolo tahoky. 14 Eh vatany, nilasaky boak'egny amigny lagnisy gny afo dra nandevy reo kapiteny rolahy volohany mbamin'ireo lelahiny, fa amizao aoky ho sarobily eo amasonao gny aiko." 15 Dra gny azelin'i Yaveh nizaka tamin'i Elia ho: "Mizosoa mindray aminazy. Ka matahosy anazy." Dra nisanga Elia dra nizoso nindray taminazy ho agny amigny pazaka. 16 tafara kelin'izay dra hoy Elia tamin'i Ahazia ho: "Zao gny nizakan'i Yaveh: 'fa nandefa pinday hafasy hangalaky hevisy tagny amin'i Bala-zeboba, zagnaharin'i Ekrona hanao. Akory ra sy misy Zagnahary ao am'Israely ze afaky angatahinao fapahafatara? Ko amizao, sy hizoso boak'eo amigny fandria ze nekaranao hanao; fa ho maty vatany hanao."' 17 Dra maty araky gny zakan'i Yaveh ze nizakan'i Elia i Ahazia pazaka. Jorama gny nanomboky nazaka teo amigny toerany, tamigny taona faharo nazakan'i Jehorama zanak'i Josafata pazakan'i Joda, akory sy nanagnanaky i Ahazia. 18 Dra gny amireo raharaha hafa mahakasiky an'i Ahazia, moa sy fa voasorasy ao amigny bokinigny tatanany pazakan'Israely ra zay?