1 Telo ambiny folo tao gny nanovan'i Solomonagny lapany. 2 Nagnory Lapa tamy Alany Libanona izy .Zato hakiho gny halavan'izay, dimapolo hakiho gny sakany, dra telopolo hakiho gny hahabony.Namboariny tamy andalan'andry sedera efasy gny laoa niaraky tamy andry sedera teo amin'ereo sangam-bato. 3 Nitafoa tamy sedera gny tragno ze napetraky teo amin'ereo andry . Reo andry reo dra nitohagna tamy sangam-bato. 4 Nisy andry dimy amby efapolo teo, dimy ambiny folo amy andala raiky. Nisy andry teo amin'ereo andala telo, dra gny vatrangarakely kirairaiky dra nifanandrify tamy vatrangarakely telo hafa. 5 Gny vatrangara vo gny vatrangarakely aby dra natao ho efa-joro niaraky tamin'ereo andry, dra gny vatrangarakely nifanandrify tamy vatrangarakely telo hafa. 6 Nisy andry maro nifanila zay dimapolo hakiho gny halavany dra telopolo hakiho gny sakany, miaray amy lavarangy eo anoloa vo gny andry dra tafo. 7 Nagnory gny rindriny seza fiandriana zay hisara anazy i Solomona , dra gny efitragnony fahamarigna. Nirakofany tamy sedera isaky gny rihana zay. 8 Gny tragnon'i Solomona zay nonenany, tao amy kiaza hafa misy gny tanin-dapa, dra nivolavolany mitovy. Nagnory tragno manahaky anizay ho agny zanakapelan'i Farao avo koa izy, zay nalany ho valy. 9 Reo tragno reo dra niravahany tamy avto lafo vily voapaiky, voarefy soa dra voatapaky tamy tsofa dra natao nalama tamy lafiny aby.Reo vato reo dra nampiasa ho amy fagnoregna reo vato eo an-tampony, vo tagny ambaliky ka hatramy kiaza lahibe avo koa. 10 Gny fotoa nahory tamy vato lahibe , vo lafo vily valo vo folo hakiho gny halavany. 11 Teo agnabony dra nisy vato lafo vily voapaiky zay voafarisy soa amy habeny, dra andry sedera. 12 Nisy andala vato voatapaky telo vo tapakyu andry sedera raiky gny kiaza lahibe ze nagnodidy gny lapa manahaky gny kiaza ao agnatiny tempolin'i Yaveh dra gny tempoliny lavarangy. 13 Nampangalaky an'i Hirama i Solomona pazaka dra ninday anazy laha tagny Tyro. 14 Hirama dra zanaky gny mpinday vata raiky tao amy fokon'i Naftaly;olon'i Tyro gny rany, zay mpanao asa-tagna amy varahina. Feno fahendre vo fahazava-say dra fahaiza ba hanao asa lahibe amy varahaina i Harama . Nandeha nagnany amin'i Solomona pazaka izy ba hiasa amy varahina ho agny pazaka. 15 Namboasy reo andry ro tamy varahina i Hirama, valo ambiny folo hakiho gny hahabony dra ro ambiny folo hakiho gny magnodidy gny kirairaiky . 16 Nanao kapitaly ro tamy varahina voakosoky izy ba hapetraky eo an-tampon'ereo andry. Dimy hakiho gny hahabony kapitaly kirairaiky. 17 Makarakara mitarehin-dravaky ampiasa ho an'ereo kapitaly gny nandravaky gny tendron'ereo andry fito isaky gny kapitaly. 18 Ka nanao andala ampongamben-dagnisy ro nagnodidy gny tendrony andry kirairaiky i Hirama ba handravaha reo kapitalin'ereo. 19 Reo kapitaly teo an-tendron'ereo andriny lavarangy dra niravahany tamy lilia, efasy hakiho gny hahabony. 20 Tao amireo kapitaly tamireo andry ro reo koa dra nahita,apongabe-dagnisy rozato mitandahasy magnodidy gny topon'izy aby. 21 Nananga reo andry tao an-davaranginigny tepoly izy. Gny andry teo akavana dra natao ho Jakina, dra gny andry teo akavia dra natao ho Boaza. 22 Teo atendron'ireo andry dra nisy reo hengo manahaky gny lilia. Izay gny fomba nandrafeta reo andry. 23 Nanao gny koveta tamigny vy i Hirama, folo hakiho isaky gny sisiny. Dimy hakiho gny hahabony, dra telopolo hakiho gny magnodidy gny koveta. 24 Nisy tagantagna-manga tao ambaninigny sisiny nagnodidy gny koveta, folo isaky gny hakiho, dra nayambany ho raiky niaraky tamigny koveta raha gny koveta mihisy gny natao. 25 Teo amireo agnomby ro ambiny folo gny koveta, telo nagnatriky gny avarasy, telo nagnatriky gny andrefa, telo nagnatriky gny asimo, dra telo nagnatriky gny asignana. Napeyraky teo amigny tapon'ireo gny koveta, dra nifagnila gny farisy gny volin'izy aby. 26 Natevy manahaky gny sakanigny tagnany gny koveta, dra gny sisin'izay dra naory manahaky gny sisinigny finga, manahaky gny famoanigny lilia. Agnomby rano ro arivo bata gny koveta. 27 Nanao tomboky varahy folo i Hirama. Efasy hakiho gny halavanigny tomboky sirairay dra efasy hakiho gny velarany, dra telo hakiho gny hahabony. 28 Manahaky anizay gny fagnavota reo tombony. 29 Nisy takelaky teo agnelagnelan'ireo zana-kazo reo, dra nisy liona, agnomby vo kerobima teo amireo takelaky vo teo amireo zana-kazo. Teo agnabony vo tao ambanin'ireo liona vo reo agnomby dra nisy fehiloha voatefy soa. 30 Nisy kodia varahy efasy vo tagnakodia gny sanganany aby, dra nisy toha tao ambaninigny sisiny efasigny koveta. Nasiany fehiloha gny sisinigny aby reo fanohagna. 31 Boribory manahaky gny faladia gny fisokafa, hakiho raiky vo sasany gny sakany, dra tao agnatinigny satroboninahisy hakiho raiky gny halavany. Voasorasy teo amigny fisikafany, dra gny takelak'ireo dra efa-zoro, fa sy boribory. 32 Tao ambaninigny takelaky reo kodia efasy, dra gny tagna-kodia vo reo pisenazy dra tao amigny sangana. Gny hahabonigny kodia raiky dra hakiho raiky sy sasany. 33 Dra natao manahaky gny kodianigny kalesy reo kodia. Reo pisenazy, reo sisiny, reo tagnamasoandrony, vo reo ivony dra natao vy avokoa. 34 Nisy sorony efasy tamireo sisiny efasy gny sangananigny sirairay, natao tao amigny sangana avo. 35 Teo atepon'ireo sangana dra nisy fehi-barika raiky ze asasaky hakiho gny halaliny, dra eo ataponigny sangana gny namotora reo toha vo reo takelaky. 36 Voasoras'i Hirama kerobima, liona, vo hazo rofia gny velaran'ireo fanohagna vo reo takelaky ze nandrakosy reo toera malalaky, dra voahodidy fehiloha reo. 37 Izay gny fomba nanovany an'ireo sangana folo. Natao tamigny lasisy mitovy avokoa izy aby, dra nana habe, vo endriky mitovy. 38 Nanao koveta varahy folo i Hirama. Gny koveta raiky dra afaky mitahiry rano efapolo bata. Efasy hakiho gny sakanigny koveta sirairay aby dra nisy koveta raiky isaky gny sangana folo. 39 Nanao sangana dimy teo amigny lafiny asimonigny tepoly izy dra dimy teo amigny lafiny avarasy gny tepoly. Nataony teo amigny sisiny asignana gny koveta, magnatriky agny asimonigny tepoly. 40 Nanao gny koveta vo gny lapely dra gny apendra famafaza i Hirama. Dra vitany gny asa aby ze nataony ho an'i Solomona pazaka tao atepolin'i Yaveh: 41 reo andry ro, vo reo lovia manahaky reo kapitaly ze teo atepolin'ireo andry ro, dra reo hengon'arato ro makarakara ba hanarogna gny apondra ro manahaky reo kapitaly ze teo ataponigny reo andry. 42 Nanao reo apongaben-dagnisy efasy izy ho an'ireo hengon'arato ro voavitra: andalan'apongaben-dagnisy ro ho anigny harato sirairay ba hanarogna gny apondra ro manahaky reo kapitaly ze teo amireo andry, 43 sangana folo, vo koveta folo teo amireo sangana. 44 Nataony tao ambaninizay gny koveta vo reo agnomby ro ambiny folo; 45 reo tavy, reo lapely, reo koveta be, dra reo fitova hafa aby avo koa. Nataon'i Hirama tamigny varahy voakosoky reo, ho an'i Solomona pazaka, dra ho anigny tepolin'i Yaveh. 46 Napetraky gny mpazaka tegny amy tany lemak'i Jordana reo, tao amy tanimanga agnelagnelan'i Sokota vo Zaretana. 47 Sy nitarazon'i Solomona reo fanaky aby satria maro loasy raha hotarazony, satria sy afaky nitarazo gny lazany varahina. 48 Nanao gny fanaka aby ze tao an-tempolin'i Yaveh tamy volamena i Solomona:dra gny alitara volomena vo latabasy ze nametraha gny mofony fanatreha. 49 Reo fanova-ziro, dimy eo amy taliaviny ankavana dra dimy eo ankavia, teo alohany efisy agnatiny , dra vita tamy volamena malio, dra reo vonikazo , reo jiro, dra reo lelany dra vita tamy volamena malio. 50 Reo Kapoaky, reo asy, reo koveta, reo sotro, vo reo fagnoroa litin-kazo magnisy dra natao tamy volamena malio avo koa. Reo savilin'ereo vatrangara ao amy efisy agnatiny avo koa , zay toera masy indrindra, vo reo vatrangara gny efisy lahibeny tempoly, dra natao tamy volamena malio izy aby. 51 Tamin'izay fomba zay, gny nahavita reo asa aby ze nataon'i Solomona mpazaka ho agny tragnon'i Yaveh. Koa nandesin'i Solomona tao agnatiny reo raha natokan'i Davida , rany , vo reo volafosy, volamena, vo reo fanaky , dra napetrany tao ay efisy fagnaza tao amy tragnon'i Yaveh reo.