1 Gny fa tena atisy i Davida Pazaka dra nirakofan'ereo taminigny bodofosy izy, kanefa sy nety nahazo hafana. 2 Dra hoy reo panopony taminazy: "Aoka isika hitalia tovovavy viriziny ho anigny pazaka toposika. Aoka izy hanopo gny pazaka vo hikarakara anazy. Aoky izy hahare eo asandriny ba hagnafana gny pazaka toposika." 3 Dra nitalia zaza apela soa tarehy eranigny fari-tanin'Israely ereo. Nahita an'i Abisaga Sonemita ereo dra ninday anazy tagny aminigny pazaka. 4 Tena soa tarehy vatany gny zaza apela igny. Nanopo gny pazaka vo nikarakara anazy izy, nefa sy niaraky ara-nofo taminazy gny pazaka. 5 Tamizay fotoa zay, i Adonia zanadahin'i Hagita dra nanadrasy gny vatany, nanao anizahoky ho: "Zaho gny ho pazaka." dra nagnoma kalesy vo pitikisy sovala nindray taminigny dimapolo lahy ba handeha hialoha lalan'anazy izy. 6 Gny rany dra sy bo nagnakorota-say anazy, nanao anizahoky ho: "Nagnino hanao gny nanao anizao?" I Adonia dra lelahy tena soa tarehy, teraky nagnarakaraky an'i Absoloma. 7 Nifapizaka tamin'i Joaba zanak'i Zeroia vo tamin'i Abiatara pisoro izy. Nagnaraky an'i Adonia ereo dra nagnapy anazy. 8 Fa Zadoka pisoro, vo Benaia zanak'i Joiada, vo Natana pamonany, Simey, rey, dra gny lelahy mahery ze an'i Davida koa dra sy ba nagnaraky an'i Adonia. 9 Dra Adonia nanao soron'agnondry aman'osy, agnomby dra zanak'agnomby mifahy teo agnilanigny vaton'i Zoheleta, ze eo agnilan'i En-rogela. Nasainy avokoa gny rahalahiny aby, reo zanadahinigny pazaka, dra gny lelahin'i Joda aby, vo reo panoponigny pazaka. 10 Saiky sy nanasa an'i Natana paminany, vo Benaia dra reo lehilahy mahery, na i Solomona rahalahiny izy. 11 Dra Natana nizaka tamin'i Batseba renin'i Solomona, nanao anizahoky ho: "Bo sy renao ra fa lasa pazaka i Adonia zanadahin'i Hagita, dra sy mahafatasy anizay i Davida toposika? 12 Noho izay dra angao zaho hanoro hevisy anao amizao, ba hamozenao gny ainao vo gny ain'i Solomona zanadahinao. 13 Mandehana magnagny amin'i Davida pazaka; zakao aminazy ho: 'Ry pazaka topoko, moa ra hanao sy niania tamigny panoponao, nanao anizahoky ho: "Azo atoky vatany fa i Solomona zanadahinao gny hazaka handimby anahy, dra hipetraky eo amigny seza fiandrianako izy?" 14 Raha bo mizaka amigny pazaka egny hanao, dra ho avy ao afaranao zaho dra hagnamafy reo zakanao." 15 Dra nagnao amigny rfitragnonigny pazaka i Betseba. Fa tena atisy gny pazaka, dra Abisaga Sonemita gny nanopo gny pazaka. 16 Nagnondriky gny vatany vo nagnondriky teo agnatrehanigny pazaka i Betseba. Dra hoy gny pazaka ho: "Ino gny irinao?" 17 Dra hoy izy taminazy: "Ry Topoko, hanao niania tamigny panoponao tamigny alalan'i Yaveh zagnaharinao, nizaka ho: 'Azo atoky vatany fa i Solomona zanadahinao gny hazaka handimby anahy, dra hipetraky eto amigny seza fiandrianako izy.' 18 Amizao, ingo, Adonia gny pazaka, dra hanao, ry pazaka topoko, dra sy mahafatasy anizay. 19 Nanao soro agnomby, zanak'agnomby mifahy, vo agnondry aman'osy maro be zay, dra nanasa reo zanadahinigny pazaka aby, Abiatara pisoro, dra Joaba kapiteninigny tafiky, kanefa sy nanasa an'i Solomona panoponao izy. 20 Fa raha gny aminao, ry pazaka topoko, gny masonigny Israely aby dra eo aminao, mandigny anao ba hizaka amin'ereo ho iza gny hipetraky eo amigny seza fiandriana handimby anao, ry topoko. 21 Fa raha sy izay, dra hihery hanahaky gny panao meloky izaho vo Solomona zanako, gny fa homaty miaraky amireo razany gny pazaka topoko." 22 Dra raha bo nizaka tamigny pazaka izy, dra nilisy i Natana paminany. 23 Reo panopo nizaka tamigny pazaka ho: "Io i Natana paminany." Gny fa nandroso teo anoloanigny pazaka izy, dra napekohoky gny vatany teo agnatrehanigny pazaka vo meraky nihohoky tamigny tany gny tavany. 24 Hoy i Natana: "Ry pazaka topoko, nizaka ra hanao ho: 'I Adonia gny hagnaza handimby anahy, dra hipetraky eo amigny seza fiandrianako izy?' 25 Akory nandeha nizoso izy androany dra nanao soro agnomby, vo zanak'agnomby mifahy, dra agnondry aman'osy maro be, vo nanasa gny zanaky gny pazaka aby, reo kapiteninigny tafiky, dra Abiatara pisoro. Mihina vo mino eo anoloany ereo, dra mizaka ho: "Ho ela velon'anie i Adonia pazaka!" 26 Fa izaho, panoponao, vo Zadoka pisoro, Benaia zanadahin'i Joiada, dra Solomona panoponao, dra sy nasany izahay. 27 Dra nanao anizay dra sy nizaka taminay, panoponao, ze tokony hipetraky eo amigny seza fiandriana handimby anazy ra gny pazaka topoko?" 28 Dra namaly i Davida pazaka dra nanao anizahoky ho: "Tokavo hiherin'eto aminahy i Betseba." Dra nilisy teo agnatrehanigny pazaka izy dra nisanga teo anoloanigny pazaka. 29 Nanao voady gny pazaka dra nanao anizahoky ho: "Raha bo velo koa i Yaveh, ze nagnafaky anahy tamigny olon'aby, 30 manahaky gny nanovako voady taminao tamigny alalan'i Yaveh, gny Zagnaharin'Israely, manao anizahoky ho: "Hazaka handimby anahy i Solomona zanakao, dra hipetraky eo amigny seza fiandrianako eo amigny toerako izy,' dra hataoko zay androany." 31 Dra nagnondriky gny tavany tamigny tany i Betseba, dra napekohoky gny vatany teo anoloanigny pazaka nanao anizahoky ho: "Ho velo mandrakizay anie Davida pazaka topoko!" 32 Hoy i Davida pazaka ho: "Tokavo hagnaminahy atiky i Zadoka pisoro, vo Natana paminany, dra Benaia zanak'i Joiada." Dra nagneo agnatrehanigny pazaka ereo: "Andeso miaraky amindrareo gny panoponigny topondrareo, dra apitikiro gny apondrako i Solomona zanadahiko dra andeso mizoso agny Gihona izy. 34 Aoky i Zadoka pisoro vo Natana paminany hagnososy anazy ho pazaka eo amigny Israely dra hisioky gny tropetra dra nanao anizahoky ho: "Ho ela velon'anie i Solomona pazaka!" 35 Dra hiakasy hagnaraky anazy handrareo, dra hilisy vo hipetraky eo amigny seza fiandrianako izy; akory ho pazaka eo amigny toerako izy. Izaho fa nanendry anazy ho pitondra eo amigny Isrealy vo Joda." 36 Dra namaly gny pazaka ho: "Hotateraky anie izay! ho hamafisin'Yaveh, Zagnahariny gny pazaka topoko, anie izay. 37 Manahaky gny nomban'i Yaveh pazaka topoko anie, gny hagnombany an'i Solomona koa, dra hataony lahibe noho gny seza fiandrianan'i Davida pazaka topoko gny seza fiandrianany." 38 Ko lasa nizoso niaraky tamin'i Solomona nitikisy gny apondran'i Davida pazaka i Zadoka pisoro, Natana paminany, Benaia zanak'i Joiada, vo reo Keretita, dra reo Peletita, nandesin'ereo nizoso tagny Gihona izy. 39 Nangalaky gny tandroky misy menaky boak'ao amigny lay i Zadoka pisoro dra nagnososy an'i Solomona. DRa nisofin'ereo gny tropetra, dra hoy gny olon'aby ho: "Ho ela velo anie Solomona pazaka!" 40 Boak'eo dra niakasy nagnaraky anazy gny vahoaky aby, dra nisioky sodina gny vahoaky dra niravoravo tamigny fifalia lahibe, dra nihozongozo nohonigny feon'ereo gny tany. 41 Dra i Adonia vo reo vahiny aby ze niaraky taminazy nahare anizay gny fa avy nihinanan'anereo. Gny fa nahare gny feonigny tropetra i Joaba, dra hoy izy ho: "Magnino gny misy tabataba eto amigny tana?" 42 Raha bo nizaka izy, dra avy i Jonatana zanak'i Abiatara pisoro. Hoy i Adonia ho: "Mandrosoa, fa lelahy mendriky hanao dra mandesa vaovao mahafaly." 43 Dra namaly i Jonatana dra nizaka tamin'i Adonia ho: "Davida pazaka toposika fa nanao an'i Solomona ho pazaka, 44 dra gny pazaka fa nagniraky an'i Zadoka pisoro, Natana paminany, vo Benaia zanak'i Joiada, dra reo Keretita vo reo Peletita. Fa napitikirin'ereo gny apondranigny pazaka i Solomona. 45 Zadoka pisoro vo Natana paminany dra fa nagnososy anazy ho pazaka tagny Gihona, dra niakasy tami-pifalia boak'agny, hany ka agnaty tabataba gny tana. Izay gny tabataba renao. 46 Dra mipetraky eo amigny seza fiandriananigny fazaka avo koa i Solomona. 47 Fagnapin'izay, dra avy nisondrano an'i Davida pazaka toposika gny panoponigny pazaka, nanao anizahoky ho: "Hataon'Agnaharinao soa noho gny agnaranao anie gny agnaran'i Solomona, dra hataony lahibe noho gny seza fiandriananao anie gny seza fiandrianany.' Dra niakohoky teo am-pandria gny pazaka. 48 Dra hoy koa gny pazaka ho: "Deraina anie Yaveh, gny Zagnahariny gny Israely, ze nagnome olo raiky hipetraky eo amigny seza fiandrianako amizao androa izao, dra afaky mahita anizay gny masoko."' 49 Dra raiki-tahosy reo vahinin'i Adonia aby. Dra nisanga ereo dra samby nandeha tamigny lalany aby. 50 Dra i Adonia dra natahosy an'i Solomona dra nisanga, nandeha, dra nifahasy gny tandrokigny alitara. 51 Boak'eo dra nitalily tamin'i Solomona zay, nanao anizahoky ho : "Ingo, matahosy an'i Solomo pazaka i Adonia, akory nifahasy reo tandroky gny alitara izy, nanao anizahoky ho, 'Aoky i Solomona pazaka hiania aminahy meloha fa sy hamono gny panopony amigny sabany izy."' 52 Dra hoy i Solomona: "Raha haneho gny vatany ho lelahy mendriky izy, na dre singam-bolony raiky aza sy ho lasaky amigny tany, fa raha faharasia koa gny hita ao aminazy, dra ho maty izy." 53 Dra nagniraky olo i Solomona pazaka, ze ninday an'i Adonia nizoso boak'eo amigny alitara. Dra avy izy dra nandohaliky teo amin'i Solomona pazaka, dra hoy i Solomono taminazy: "Mandehana agny atragnonao."