1 Tafaran'gne nahafatesan'i Josoa, nagnontany an'i Yaveh gne vahoakan'Israely, nagnano hoe: ''Ia gne hanafiky voalohany gne Kananita ho anay, mba hiady amindreo?'' 2 Da hoy Yaveh: ''Hanafiky i Joda. Indro, efa nomeko andreo gne fifeheza ity tany ity.'' 3 Ireo lehilahin'i Joda nizaka tamin'gne lehilahin'i Simeona, rahalahandreo hoe: "Miakara miaraky aminay agny ame faritaninay izay voatendry ho anay fa isika mitambatry gne afaka miady amin'gne Kananita. Handeha hiaraky aminareo akô izany agny ame faritany izay voatendry ho anareo iahay." Ka nagnaraka andreo gne fokon'i Simeona. 4 Nanafiky gne lehilahin'i Joda, ary nomen'i Yaveh andreo gne fandrese an'gne Kananita sy gne Perizita. Namono lehilahy ray aly tamindreo tagny Bezeka indreo. 5 Nahita an'i Adonia Bezeka tagny Bezeka indreo, ary niady tamindreo ka nandresy gne Kananita sy gne Perizita. 6 Fa nilefa i Adonia Bezeka, ary nihagnindreo izy ka tratriny, ary notapahinndreo gne tondroben-tagnany sy gne tondroben-tongony. 7 Da hoy i Adoni-bezeka: ''Mpanjaka fitopolo, izay tapaky gne tondroben-tagnany sy gne tondroben-tongotrindreo, gne nandagno gne hanindreo tao ambanin'gne latabatriko. Mitovy izay efa naniko, da akô izany evao koa gne nanìn'Andriamanitra taminaha.'' Nindesindreo tagny Jerosalema izy, ary maty tagny. 8 Niady tame tanàn'i Jerosalema gne lehilahin'i Joda ary nangala izany. Nanafiky izany tame lela-tsabatry indreo ary nandoro gne tanà. 9 Taorian'izany, nidigny hiady amin'gne Kananita izay nitoetra tagny ame tany agnabo, tagny Negeva, sy tagny andrefan'gne tendrombohitry nitandava gne lehilahin'i Joda. 10 Nandroso nanohitry gne Kananita izay nipetraky tagny Hebrona i Joda (gne agnaran'i Hebrona taloha da i Kiriata Arba), ary nandresy an'i Sesay, Ahimana, ary Talmay indreo. 11 Avy tegny no nagnato nanohitra gne mponin'gne Debira gne lehilahin'i Joda (gne agnaran'i Debira taloha da i Kiriata Sefera). 12 Hoy i Kaleba: ''Ndre ia ndre ia manafiky an'i Kiriata-sefera ary mangala izany, da homeko azy i Aksa, zanako viavy, mba ho vadiny.'' 13 Otniela, zanaka lahin'i Kenaza (zandry lahin'i Kaleba) nisambotry an'i Debira, ka da nomen'i Kaleba azy i Aksa, zanany viavy, mba ho vadiny. 14 Tsy ela da tonga tagny amin'i Otniela i Aksa, ary nandrisiky anazy hangataky ame rainy mba hagnome tanimboly raiky anazy izy. Raha niala tame ampondrany izy, da nagnontany anazy Kaleba hoe: ''Ino gne azoko anÿ anao?'' 15 Ary hoy izy taminazy: ''Omeo tso-drano aho. Satria efa nomenao anahy gne tany Negeva, da omeo loharano evao koa aho.'' Ka da nomen'i Kaleba anazy gne loharano ambony sy gne loharano ambany. 16 Gne taranaky gne rafozan-dahin'i Mosesy ilay Kenita da niakatry avy tany ame Tanàn-drofia niaraky tame vahoakan'i Joda, nandeha agn'efitr'i Joda, izay tagny Negeva, mba hiaigny miaraky ame vahoakan'i Joda akaikin'i Arada. 17 Gne lehilahin'i Joda nandeha niaraky tamin'gne lehilahin'i Simeona rahalahindreo ary nanafiky gne Kananita izay nipetraky tagny Zefata indreo ary noravandreo agnaby izany. Gne agnaran'gne tanà da nangiha hoe Horma. 18 Nosamborin'gne vahoakan'i Joda evao koa i Gaza sy gne tany magnodidy anazy, Askelona sy gne tany magnodidy anazy, ary Ekrona sy gne tany magnodidy anazy. 19 Niaraky tamin'gne vahoakan'i Joda i Yaveh ary nangala gne tany akaboa indreo, nefa tsy afaky nandroaky gne mponin'gne tany lemaky nohon'gne fagnanandreo kalesy vy. 20 Nome an'i Kaleba i Hebrona (araky gne efa nozakain'i Mosesy), ary noroahiny tao gne zanaky telo lahin'i Anaka. 21 Nefa tsy nandroaky gne Jebosita izay mponin'i Jerosalema gne vahoakan'i Benjamina. Ka da nipetraky niaraky tame vahoakan'i Benjamina tao Jerosalema gne Jebosita mandrak'androany. 22 Gne ankohonan'i Josefa da nivonogny hanafiky an'i Betela, ary nomba andreo Yaveh. 23 Nagniraky lehilahy hitsikilo an'i Betela indreo (gne tanà izay nangiha hoe Lozy teo aloha). 24 Nahita lehilahy nivoaky gne tanà gne mpitsikilo, da hoy indreo taminazy: ''Mba aboahy anay rô, gne fomba hidira ao ame tanà, da ho tsara fagnahy aminareo izahay.'' 25 Da naboakiny anazy gne lala miditry ame tanà, ka da nanafiky gne tanà tame lelan-tsabatry indreo, nefa napetrandreo nandeha ilay lehilahy sy ny fianakaviany. 26 Avy eo da nandeha ame tanin'gne Hetita gne lehilahy ka nambôtry tanà ary nangihany hoe Lozy izany, izay agnarany mandrak'androany. 27 Tsy noroahin'gne vahoakan'gne Manase gne vahoaky nipetraky tagny ame tanàn'i Beti-sana sy gne zana-bohitriny, na Tanaka sy gne zana-bohitriny, na gne izay nipetraky tagny Dora sy gne zana-bohitriny, na gne izay nipetraky tao Ibleama sy gne zana-bohitriny, na gne izay nipetraky tany Megido sy gne zana-bohitriny, satria efa tapa-kevitry gne hidoboky amin'izany tany izany gne Kananita. 28 Refa lasa natanjaka i Israely, da noterendreo hanompo andreo tame asa mafy gne Kananita, nefa tsy mbola noroasindreo agnaby indreo. 29 Tsy noroahin'i Efraima gne Kananita izay nipetraky tagny Gazera, ka da nipetraky tagny Gazera teo amindreo fezay gne Kananita. 30 Tsy noroahin'i Zebolona gne vahoaka nipetraky tagny Kitrona, na gne vahoaky nipetraky tagny Nahalola, ary da nipetraky tamindreo fezay gne Kananita, nefa noteren'i Zebolona hanompo andreo tame asa mafy gne Kananita. 31 Tsy noroahin'i Asera gne vahoaky nipetraky tagny Ako, na gne vahoaky nipetraky tagny Sidona, na gne izay nipetraky tagny Alaba, Akziba, Helba, Afika, na Rehoba. 32 Ka da nipetraky teo amin'gne Kananita gne fokon'i Asera (ireo izay efa nidoboky tao amin'gne tany), satria tsy nandrôky andreo indreo. 33 Tsy noroahin'gne fokon'i Naftaly gne izay nipetraky tagny Beti-semesy, na gne izay nipetraky tagny Beta-anata. Ka da nidoboky teo amin'gne Kananita gne fokon'i Naftaly (gne vahoaky izay efa nipetraky tamin'izany tany izany). Ndre izany aza, naletry tagnatin'gne asa mafy ho an'i Naftaly gne mponin'i Beti-semesy sy Bet-anata. 34 Naletrin'gne Amorita hipetraky agny ame tany akabo gne fokon'i Dana, ary tsy napetrany nidigny tagny ame lemaky indreo. 35 Ka da nipetraky tao an-tendrombohitr'i Heresa, tagny Aialona, ary tagny Salbima gne Amorita, nefa gne miaramila maherin'gne ankohonan'i Josefa nandresy andreo, ary da naletrindreo hanompo anazy ame asa mafy indreo. 36 Nihitatry avy tagny ame havoan'i Akrabima agny Sela niakatry tonga ame tany akaboa gne sisin-tanin'gne Amorita.