1 Laha apetrako aminareo le i Foibe anabavintsika, mpanompo gny fiangona Kenkrea, 2 mba andrambesanareo azy amin'i Tompo ao. Ataovo amin'ny fomba soa zay le nareo mpino reo, ka mba ampio i amin'ny fasahira mety hahazo azy. Fa i koa mba lasa manampy olo, miaraky amiko koa. 3 taovo veloma ry Prisila sy Akoila, mpiara miasa amiko amin'i Kristy Jesosy, 4 nanome gny ainy ho ahy. Misaotry andreo aho, tsy zaho raiky avao koa, fa fiangonan'ny jentilisa reo koa. 5 Manaova veloma gny fiangona an-tranondreo ao koa. Ataovo veloma koa i Epaineto, vohaloha gny vokatr'i Asia hamea an'i Kristy. 6 Ataovo veloma Maria, niasa mare ho anareo. 7 Ataovo veloma i Androniko sy Jonia, longoko mariniky, niaraky nigadra tamiko. Malaza tamin'ny apostoly reo, taloako niaraky tamin'i Kristy. 8 Ataovo veloma koa Ampliato. 9 Ataovo veloma i Orbano, mpiara-miasa amintsika amin'iKristy ao, sy Staky. 10 Ataovo nahoa Apela, raiky enkea amin'i Kristy ao. Ataovo nahoa ze antranon'i Aristobolo ao. 11 Ataovo veloma i Herodiona, longoko. Ataovo veloma iaby ze antranon'i Narkisa ao, raiky amin'ny Tompo ao. 12 Ataovo veloma i Tryfena sy Tryfosa, miasa mare amin'ny Tompo ao. Ataovo nahoa Perysa, niasa mare tamin'ny Tompo tao. 13 Ataovo veloma Rofosy, raiky voafily tamin'ny Tompo tao, miaraky amin'ny neniny sy neniko. 14 Ataovo veloma Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, miaraky amin'ny rahalahy miaraky amindreo. 15 Ataovo veloma Filologia sy Jolia, Nerea sy gny anabaviny, sy Olimpa, miaraky amin'ny mpinondreo ao. 16 Mifanaova veloma amin'ny orokoroky masy. Fiangonan'ny Kristy iaby laha manao veloma anareo koa. 17 Enaniky zao, mamporisiky anareo zaho, rahalahiko, mba hieritreritry momba gny mahavy ngy fizarazara sy fanaova raty olo. Reo laha mioatry lavitry gny fampianara namea anareo. Mialaha lavitry andreo. 18 Tsy mpanompon'i Kristy Tompontsika reny, fa mpanompo gny kibony avao olo manahaka anireny. Manao teny soa malemilemy olo manao anireny hamitaha gny olo marina. 19 Fa gny fanohara atao nareo amin'ny fanaran-tsafa, laha avy amin'olo raiky raiky aby. Baka amin'izay, faly zaho, fa tiako ho hendry amin'ny raha soa nareo, ka tsy hisy tsiny amin'ny raty. 20 Ndragnahary gny fiadana hametaky an'i Satana ambany gny tombokinareo tsy ho ela. Ho aminareo le gny fasoavan'i Tompontsika Jesosy Kristy. 21 nao veloma anareo Timoty, mpiaraky miasa amiko, sy Losio, Jasona ndraiky Sosipatro, longoko. 22 Zaho, Tertio, nanoratry epistily ty, manao veloma anareo amin'ny anaran'i Tompo. 23 Gaio, raiky nanome trano ahy sy gny fiangona iaby, laha manao veloma anareo. Erasto, mpitanjaky vola an-tana ao, manao veloma anareo miaraky amin'i Koarto rahalahy. 24 Ho aminareo le gny fasoava gny Tompontsika Jesosy Kristy. Amena. 25 Ka gny voninahitry laha ho Azy navita napitsanga anareo tamin'ny filazantsarako sy gny fitoria an'i Jesosy kristy, araky gny fagnambara gny mistery notazomy ho tsiambaratelo ela be taloa tany, 26 laha nambara enaniky izao, ka tamin'ny bokin'ny faminaniha ro nampahafantary tamin'ny firene iaby, baka amin'ny lily Ndragnahary tsisy fiafara, ho fanara gny finoa. 27 Ho an-Dragnahary raiky avao gny fahendreha , ngy voninahitry tsisy fiafara, baka amin'i Jesosy Kristy, Amena.