Tôko faha 3

1 Avaizo, ry malala, manôratra ho anaré itô taratasy faharoy itô zaho ho fampatsiahivagna entigna hamporisihagna ny sainaré madio, 2 mbô hahatsiarovanà iré koragna novolagnin'ny mpaminany masina tagny talôha sy ny didin'ny Tompo sy mpamonjy antsika zay namian'irè apostolinaré. 3 Fantaro alôha izô, fô ny mpagniratsira de ho avy amin'ny andro farany. Zaré iré de hagneso ké handeha araka ny filànjaré ré manôkagna. 4 Zaré ré de hivôlagna hoe: ''Eza ny fampanantenagna ny amin'ny fiveregnany? Fô hatrizay nodian'ny razambe mandry, de tsy niôva ny raha jiaby, egny fô hatramin'ny fiantombohan'izô tontôlo izô aza.'' 5 Zaré ré de minia manadino fô ny lagnitra sy ny tany de nisy avy tamin'ny rano ary tamin'ny alalan'ny rano, fotoagna ela fotoagna ela, 6 nohon'ny didin'Andriamanitra, kè tamin'ny alalan'iré raha iré, no nandravàgna ny tontôlo tamin'izégny fotoagna izégny, tamin'ny tondra-drano. 7 Fô avaizo ny lagnitra sy ny tany de natôkagna ho an'ny afo amin'ny alalan'io didy io foagna. Zaré ré de voatôkagna ho amin'ny andron'ny fitsaragna sy ny fandringanagna ny ôlogno ratsy fagnahy. 8 Ôka tsy ho adinoinaré, ry malala, fô ny indraiky andro amin'ny Tompo de karaha ny arivo taogna, kè ny arivo taogna karaha ny indraiky andro. 9 Ny Tompo de tsy ela amin'ny fanatanterahagna iré fampanantenany, karahà zay volagnin'ny sanany ho fahelany. Fô ndraiky, Izy de maharitra aminaré. Tsy tiany hisy ho very anaré, fô mbô ho tônga amin'ny fibebahagna ny jiaby. 10 Na izégny aza, ho avy karahà ny mpangalatra ny andron'ny Tompo: Ny lagnitra de hanjavogna miaraka amin'ny feo mafy. Ny raha jiaby de ho main'ny afo, ké ny tany sy iré asa akô aminanjy de hambara. (Fagnamarihagna: Iré dika-teny sanany de mivaky karaha izô: ''Ny raha jiaby de ho main'ny afo, ké ny tany sy iré asa akô aminanjy de ho doragna avokoà.'') 11 Ké kô ho levogna karaha izô raha jiaby izô, de tôkony ho ôlogno magnano ahoagna anaré? Tôkony hiaigna amin'ny fahamarinagna sy ny fiainagna araka an'Andriamanitra anaré. 12 Tôkony hanantegna kè hanafaingagna ny fiavian'ny andron'Andriamanitra anaré. Amin'izégny andro izégny, ny lagnitra de ho levon'ny afo, ké ny raha jiaby de hiempo amin'ny hafanagna be. 13 Fô araka ny fampanantenagny, de miandry ny lagnitra vôvô sy tany vôvô atsika, zay hipetrahan'ny fahamarinagna. 14 Noho izégny, ry malala, satrià manantegna izégny raha izégny anaré, manaova ny tsara indrindra avy agny aminaré mbô tsy hisy pentigna sy tsy hanan-tsigny aké agnatrehany, am-piadanagna. 15 Ké ndraiky koà, eritrereto ny faharétan'ny Tompontsika amin'ny famonjegna, karaha ny nisoratan'i Paoly rahalahy malalantsika taminaré, araka ny fahendregna zay namiagna ananjy. 16 Paoly de mikoragna izégny raha izégny akô amin'ny taratasiny jiaby, zay misy raha sarotro takarigna. Ôlogna tsisy fahalalagna ké tsy miorigna no magnova iregny raha iregny, karaha ny hagnanaovany iré sôratra masina hafa foagna koà, ké mahatônga fahaverezagna ho an'ny tegnany. 17 Noho izégny, ry malala, satrià fantatraré izégny raha izégny, de tandremo ny tegnanaré mbô tsy ho voafandriky ny fitakin'ny ôlogna ratsy fagnahy ké ho very ny fahamarinagnaré. 18 Fô mitomboà amin'ny fahasoavagna sy ny fahalalagna ny Tompontsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy antsika. Ho ananjy anie ny vôninahitra avaizo ké mandrakizay. Amena!