Tôko faha 2

1 Ny mpaminany sandoka de tônga také amin'ny ôlogno, ké ny mpampianatra sandoka foagna koà de ho avy aké aminaré. Hitôndra mangingigna sain-diso mamotika zaré ré, ké handà ny Tompo zay nividy iré. Zaré ré de mitondra fahapotehagna faingagna aminjaré ré. 2 Maro no hagnaraka ny fijejojejoanjaré ré, ké amin'ny alalan'iregny no hivolagnan-dratsy ny lalan'ny fahamarinagna. 3 Amin'ny fieremagna no hagnararaotany anaré miaraka amin'ny koragna mamitaka. Tsy ho ela ny fagnamelohagna ananjy iregny; tsy matory ny fahapotehanjaré regny. 4 Fô Andriamanitra tsy namindra fô iré anjely izé nanota. Fô kosa natôlony ho amin'ny vilagny tagny zaré ré mbô ho voatazogno amin'ny fonjan'ny fahamaizinagna mandra-pihavin'ny fitsaràgna. (Fanamarihagna: Ny dikan-teny talôha sasany de mivaky karaha izô: ''Mbô ho fatôragna akô amin'ny lavaky ny fahamaizinagna mandra-pihavin'ny fitsaràgna.'') 5 Ké ihany koà, tsy naméla izô tontolo izô talôha izy. Fô kosa, namonjy an'i Noah, izé mpitôry ny fahamarinagna, miaraka amin'ny fito hafa, rehéfa nitôndra nyy safo-drano tamin'ny ratsy Fagnahy také amin'izô tontolo izô izy. 6 Andriamanitra ihany koà de nagnano iré tanàgnan'i Sodoma sy Gomora ho lavelogno ké nagnameloko ananjy iré ho amin'ny fahapotehagna, ho karaha ny ôhatra amin'izé hitranga amin'ny ratsy fagnahy. 7 Fô i Lota marigna, zay nampahoriagna tamin'ny fitondran-tegnan'iré ôlogno tsy ara-dalàgna tamin'ny fijejojejoagna, de novonjen'Andriamanitra. 8 Fô izégny lalahy marigna izégny, zay niaigna niaraka taminjaré ré isan'andro, de fadiranôvagna tamin'ny fanahin'ny fahamarignany noho zay hitany sy regny. 9 Fantatry ny Tompo ny fômba hamonjegna iré ôlogno tsara fagnahy amin'iré fitsapagna, sy ny fômba hitazômagna iré ôlogno tsy marigna ho amin'ny famaizagna amin'ny andron'ny fitsaràgna. 10 Marigna kokoà izé ho an'jaré izégny manôhy amin'ny faniriàgna ratsin'ny nôfo sy magnano tsinontsinogna ny fahefagna. Masaky sady mitômpo tégna fatratra zaré ré. Zaré ré de tsy matahotro hivôlanga ratsy iré be vôninahitry. 11 Iré anjely de managna hery sy fahefagna lehibe, fô zaré ré de tsy mitôndra fitsaragna maniratsira manohitra anajy iré amin'ny Tômpo. 12 Fô iré biby tsy manan-tsaigna iré de natao ho sambôrina sy potehigna. Tsy fantatra-jaré ré zay tsiratsirain-jaré ré. Ho potika zaré ré. 13 Handray ny valisoan'ny raha ratsy nataony zarè ré. Mieritreritra zaré ré fô ny tsy fiafiàgna mandritry ny andro de fahafinaretagna. Zaré de be pentipentigna sy tsigny. Mahafinaritra ananjy iré ny asa famitahan-jaré kôfa mihinagna miaraka aminaré. (Fagnamarihagna: Iré dikan-teny sasany de mivaky karahà izô: ''Mahafinaritra ananjy iré ny asan-jaré ré kôfa mihinagna miaraka aminaré amin'ny hanim-pifankatiavagna.'') 14 Adalam-biavy mijangajanga zaré ré; tsy afa-pô amin'ny fahotagna foàgna zaré ré. Mitarika fagnahy tsy mety naty amin'ny fagnanôvan-dratsy zaré ré, ké managna fô voaofagna amin'ny fitsiriritagna zaré ré. zanaky ny fanozonagna zaré régny! 15 Niala tamin'ny lala-mahintsy zaré ré. Lasa nivily zaré ré, ké nagnaraka ny lalan'i Balama zanak'i Beora, zay tià ny tambin'ny tsy fahamarinagna. (Fagnamarihagna: Iré dikan-teny sasany de mivaky karahà izô: ''Balama, zanak'i Beora.'') 16 Fô nahazo teny mafy izy nohon'ny fandikan-dalàgnany manôkagna. Nisy boriky moà nivôlagna tamin'ny feon'ôlombelogna nampijanogna ny adalanan'ilay mpaminany. 17 Iré ôlogna iré de karaha ny lohatôgno tsisy ôragna. Karahà ny rahona indôsiny tafio-drivotra zaré ré. Natôkagna ho ananjy iré ny haizigny matevigna. 18 Mivôlagna tsy am-piheveragna zaré ré. Mitaogno ny ôlogna amin'ny alalan'ny filàn'ny nôfo njaré ré. Zaré ré mitaogno ny ôlogna zay mihezaka milefa iré zay miaigna amin'ny fahadisoagna. 19 Zaré ré de mampanantegna fahafahagna ho ananjy iré, kanefa izy tegnany ary de andevon'ny fahalotoagna. Fô ny ôlogno de andevon'izay jiaby maharesy ananjy. 20 Na zôvy na zôvy afaka amin'iré fahalotoan'izô tontôlo izô amin'ny alalan'ny fahalalagna ny Tompo sy Jesosy Kristy Mpamonjy, ké avy aké miverigna amin'iré fahalotoagna ndraiky, de hanjary ratsy noho lay toe-draha voalôhany lay toe-draha farany. 21 Tsara kokoà ho ananjy iré ny tsy mahafantatra ny lalan'ny fahamarinagna nohon'ny mahafantatra izégny de hivadika amin'ny didy masina natôlotra ananjy iré. 22 Marigna ho ananjy iré itô ôhabôlagna itô hoe: ''Ny kivà no miverigna amin'ny loany. Ny kisoa efa nisasa miverigna mihoso-pôtaka.''