1 Simona Petera, mpanompo sy apostolin'i Jesosy Kristy, ho an'iré zay nahazo ny finoagna sarobidy karaha zay noraisinay, finoagna akô amin'ny fahamarignan'ny Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Mpamonjy. 2 Hampitômbo anie ny fahasoàvagna sy fiadanagna nohon'ny fahalalagna an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika. 3 Iré raha jiaby mahakasika ny herin'Andriamanitra ho an'ny fiainagna sy toe-pagnahy de hagnamia antsika tamin'ny alalan'ny fahalalagna an'Andriamanitra, zay niantso antsika tamin'ny alalan'ny vôninahiny ndraiky fahatsarany manôkagna. 4 Tamin'ny alalan'iré, namiany koragna fikasagna tsara sady maventy indrindra atsika, mbô ho tônga mpizara amin'ny fômban'Andriamanitra anaré, raha mitsoaka ny fahalotoagna zay aketo an-tany noho iré filàn-dratsy. 5 Noho izégny, magnanaova ny tsara indrindra mbô hagnampiagna fahatsaragna amin'ny alalan'ny finoanarè, ké amin'ny alalan'ny fahatsaranaré, ny fahalalagna. 6 Amin'ny alalan'ny fahalalanaré, magnampia fahononam-pô, kè amin'ny alalan'ny fahononam-pônaré, magnampia fiaretagna, ké amin'ny alalan'ny fiaretanaré, magnampia toe-pagnahy. 7 Amin'ny alalan'ny toe-pagnahinaré, magnampia fitiavagna rahalahy, ké amin'ny alalan'ny fitiavagna rahalahy, magnampia fitiavagna. 8 Kôfa akô aminaré iré ké mitômbo akô aminaré, de tsy hamoa na tsy hamokatra amin'ny fahalalagna an'i Jesosy Kristy Tompontsika anaré. 9 Fô na zôvy na zôvy tsy ampy iré raha iré de tsy mahita afa-tsy zay akaiky; jamba izy. Nadinoiny ny fagnadiovagna ananjy tamin'iré fahotany talôha. 10 Noho izégny, ry rahalahy, ataovy ny jiaby mbô hahazoagna antoka ny fiantsoagna ndraiky fifidianagna anarè. Kôfa magnano iré raha iré anaré, de tsy ho voafingagna. 11 Amin'izay de malalaka ho anaré ny fidiragna akô amin'ny fanjakagna mandrakizay zay an'ny Tompontsika sy Jesosy Kristy mpamonjy. 12 Noho izégny de vonogna foagna zaho hampatsiaro anaré iré raha iré, na de fantatraré aza iré, ké na de mantanjaka akô amin'ny marigna aza anaré avaizo. 13 Zaho mieritreritra fô rariny aminahy ny mamôha anaré amin'ny fampahatsiahivagna iré raha irè, kôfa mbôla aketo amin'itô tragno-lay itô zaho. 14 Satrià fantatro fô tsy ho ela de ho esoriko ny tragno-laiko, karaha zay nasehon'i Jesosy Kristy Tompontsika anahy. 15 Ké ho ataoko zay farany vitako mbô hahatsiarovanaré mandrakariva iré raha iré rehefa lasa zaho. 16 Fô zahay de tsy nagnaraka angano tsara rafitra zay noforognina rehefa nikoragna taminaré ny momban'ny hery sy ny nisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Fô ndraiky, zahay de vavôlombelogna nahita ny fiandriagnany. 17 Fô Izy de naharay laza amam-bôninahitra avy tamin'Andriamanitra Ray rehefa nisy feo tônga také Aminanjy tamin'ilay vôninahitra maventy indrindra hoe: ''Itô no Zanako malalako, zay sitrako indrindra.'' 18 Naharegny izégny feo avy agny an-dagnitra izégny zahay, rehefa niaraka taminanjy tegny an-tendrombôhitra masina. 19 Atsika de managna itô koragna faminaniagna zay efa natô mafy origna itô. Tôkony hitandrigna izégny tsara anaré. Izégny de karaha ny jiro mazava akô agnaty haizigna mandra-piavin'ny marigna sy ny kintan'ny marigna mipôsaka akô am-pônaré. 20 Fantaro alôha izô, fô tsisy faminaniagna avy amin'ny famoahan-kevitry ny ôlogno. 21 Fô tsisy faminaniagna avy tamin'ny sitrapôn'ny ôlogno. Fô ndraiky, notarihan'ny Fanahy Masina zaré regny mbô hivôlagna zay nokoragnin'Andriamanitra.